< 사무엘하 6 >

1 다윗이 이스라엘에서 뺀 무리 삼만을 다시 모으고
Ary novorin’ i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin’ ny Isiraely, dia telo alina.
2 일어나서 그 함께 있는 모든 사람으로 더불어 바알레유다로 가서 거기서 하나님의 궤를 메어 오려 하니 그 궤는 그룹들 사이에 좌정하신 만군의 여호와의 이름으로 이름하는 것이라
Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran’ Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay mipetraka amin’ ny kerobima.
3 저희가 하나님의 궤를 새 수레에 싣고 산에 있는 아비나답의 집에서 나오는데 아비나답의 아들 웃사와 아효가 그 새 수레를 모니라
Ary nataony teo amin’ ny sariety vaovao ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak’ i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.
4 저희가 산에 있는 아비나답의 집에서 하나님의 궤를 싣고 나올때에 아효는 궤 앞에서 행하고
Ary dia nentiny niala tao an-tranon’ i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan’ ny fiara.
5 다윗과 이스라엘 온 족속이 잣나무로 만든 여러 가지 악기와, 수금과, 비파와, 소고와, 양금과, 제금으로 여호와 앞에서 주악하더라
Ary Davida sy ny taranak’ Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny karazan’ ny zava-maneno rehetra natao tamin’ ny hazo kypreso, dia tamin’ ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6 저희가 나곤의 타작 마당에 이르러서는 소들이 뛰므로 웃사가 손을 들어 하나님의 궤를 붙들었더니
Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ ny omby ny fiara.
7 여호와 하나님이 웃사의 잘못함을 인하여 진노하사 저를 그곳에서 치시니 저가 거기 하나님의 궤 곁에서 죽으니라
Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan’ ny fiaran’ Andriamanitra izy.
8 여호와께서 웃사를 충돌하시므로 다윗이 분하여 그곳을 베레스웃사라 칭하니 그 이름이 오늘까지 이르니라
Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran’ izany tany izany mandraka androany.
9 다윗이 그 날에 여호와를 두려워하여 가로되 `여호와의 궤가 어찌 내게로 오리요' 하고
Ary Davida natahotra an’ i Jehovah tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran’ i Jehovah?
10 여호와의 궤를 옮겨 다윗성 자기에게로 메어 가기를 즐겨하지 아니하고 치우쳐 가드 사람 오벧에돔의 집으로 메어 간지라
Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran’ i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan’ i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
11 여호와의 궤가 가드 사람 오벧에돔의 집에 석달을 있었는데 그 온 집에 복을 주시니라
Ary nipetraka telo volana tao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita ny fiaran’ i Jehovah; ka dia notahin’ i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
12 혹이 다윗 왕에게 고하여 가로되 `여호와께서 하나님의 궤를 인하여 오벧에돔의 집과 그 모든 소유에 복을 주셨다' 한지라 다윗이 가서 하나님의 궤를 기쁨으로 메고 오벧에돔의 집에서 다윗 성으로 올라갈새
Ary nambara tamin’ i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran’ Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran’ Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’ i Obed-edoma ho any an-Tanànan’ i Davida.
13 여호와의 궤를 멘 사람들이 여섯 걸음을 행하매 다윗이 소와 살진 것으로 제사를 드리고
Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ i Jehovah, dia namono omby sy zanak’ omby mifahy izy hatao fanatitra.
14 여호와 앞에서 힘을 다하여 춤을 추는데 때에 베 에봇을 입었더라
Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’ i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
15 다윗과 온 이스라엘 족속이 즐거이 부르며 나팔을 불고 여호와의 궤를 메어 오니라
Ary Davida sy ny taranak’ i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran’ i Jehovah tamin’ ny hoby sy ny feon’ ny anjomara.
16 여호와의 궤가 다윗성으로 들어올 때에 사울의 딸 미갈이 창으로 내다보다가 다윗왕이 여호와 앞에서 뛰놀며 춤추는 것을 보고 심중에 저를 업신여기니라
Ary nony tonga teo an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
17 여호와의 궤를 메고 들어가서 다윗이 위하여 친 장막 가운데 그 예비한 자리에 두매 다윗이 번제와 화목제를 여호와 앞에 드리니라
Ary nampiditra ny fiaran’ i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin’ ny fitoerany tao amin’ ny lay izay naorin’ i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah.
18 다윗이 번제와 화목제 드리기를 마치고 만군의 여호와의 이름으로 백성에게 축복하고
Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.
19 모든 백성 곧 온 이스라엘 무리의 무론 남녀하고 떡 한개와 고기 한 조각과 건포도 떡 한덩이씩 나눠주매 모든 백성이 각기 집으로 돌아가니라
Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
20 다윗이 자기의 가족에게 축복하러 돌아오매 사울의 딸 미갈이 나와서 다윗을 맞으며 가로되 `이스라엘 왕이 오늘날 어떻게 영화로우신지 방탕한 자가 염치 없이 자기의 몸을 드러내는 것처럼 오늘날 그 신복의 계집종의 눈 앞에서 몸을 드러내셨도다'
Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly, nivoaka hitsena an’ i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ ny zanakavavin’ ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
21 다윗이 미갈에게 이르되 `이는 여호와 앞에서 한 것이니라 저가 네 아비와 그 온 집을 버리시고 나를 택하사 나로 여호와의 백성 이스라엘의 주권자를 삼으셨으니 내가 여호와 앞에서 뛰놀리라
Ary hoy kosa Davida tamin’ i Mikala: Teo anatrehan’ i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon’ i Jehovah, eny, teo anatrehan’ i Jehovah no nitsinjahako.
22 내가 이보다 더 낮아져서 스스로 천하게 보일지라도 네가 말한 바 계집종에게는 내가 높임을 받으리라'한지라
Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin’ ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.
23 그러므로 사울의 딸 미갈이 죽는 날까지 자식이 없으니라
Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin’ i Saoly.

< 사무엘하 6 >