< 사무엘하 21 >

1 다윗의 시대에 년부년 삼년 기근이 있으므로 다윗이 여호와 앞에 간구하매 여호와께서 가라사대 이는 사울과 피를 흘린 그 집을 인함이니 저가 기브온 사람을 죽였음이니라 하시니라
Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
2 기브온 사람은 이스라엘 족속이 아니요 아모리 사람 중에서 남은 자라 이스라엘 족속들이 전에 저희에게 맹세하였거늘 사울이 이스라엘과 유다 족속을 위하여 열심이 있으므로 저희 죽이기를 꾀하였더라 이에 왕이 기브온 사람을 불러 물으니라
Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan’ ny Zanak’ Isiraely, fa sisa tamin’ ny Amorita, ary ny Zanak’ Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin’ ny firehetan’ ny fitiavany ny Zanak’ Isiraely sy ny Joda),
3 다윗이 저희에게 묻되 `내가 너희를 위하여 어떻게 하랴 내가 어떻게 속죄하여야 너희가 여호와의 기업을 위하여 복을 빌겠느냐'
ary hoy Davida tamin’ ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin’ inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan’ i Jehovah?
4 기브온 사람이 대답하되 `사울과 그 집과 우리 사이의 일은 은금에 있지 아니하오나 이스라엘 가운데서 사람을 죽이는 일은 우리에게 있지 아니하니이다' 왕이 가로되 `너희의 말하는 대로 시행하리라'
Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin’ i Saoly na amin’ ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin’ ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
5 저희가 왕께 고하되 `우리를 학살하였고 또 우리를 멸하여 이스라엘 경내에 머물지 못하게 하려고 모해한 사람의
Dia hoy izy ireo tamin’ ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra
6 자손 일곱을 내어 주소서 여호와의 빼신 사울의 고을 기브아에서 우리가 저희를 여호와 앞에서 목매어 달겠나이다' 왕이 가로되 `내가 내어 주리라' 하니라
no avelao hisy fito lahy amin’ ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an’ i Jehovah ao Gibean’ i Saoly, ilay voafidin’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
7 그러나 다윗과 사울의 아들 요나단 사이에 서로 여호와를 가리켜 맹세한 것이 있으므로 왕이 사울의 손자 요나단의 아들 므비보셋은 아끼고
Fa ny mpanjaka niaro an’ i Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, noho ny fianianana tamin’ i Jehovah nataon’ i Davida sy Jonatana, zanak’ i Saoly.
8 이에 아야의 딸 리스바에게서 난 자 곧 사울의 두 아들 알모니와 므비보셋과 사울의 딸 메랍에게서 난 자 곧 므홀랏 사람 바실래의 아들 아드리엘의 다섯 아들을 잡고
Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak’ i Rizpa, zanakavavin’ i Aia, izay naterany tamin’ i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak’ i Mikala, zanakavavin’ i Saoly, izay naterany tamin’ i Adriela, zanak’ i Barzilay Meholatita,
9 저희를 기브온 사람의 손에 붙이니 기브온 사람이 저희를 산 위에서 여호와 앞에 목매어 달매 저희 일곱 사람이 함께 죽으니 죽은 때는 곡식 베는 처음날 곧 보리 베기 시작하는 때더라
dia natolony teo an-tànan’ ny Gibeonita ireo ka nahanton’ ireo teo amin’ ny havoana teo anatrehan’ i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin’ ny niandohan’ ny fararano tamin’ ny voalohan’ ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
10 아야의 딸 리스바가 굵은 베를 가져다가 자기를 위하여 반석 위에 펴고 곡식 베기 시작할 때부터 하늘에서 비가 시체에 쏟아지기까지 그 시체에 낮에는 공중의 새가 앉지 못하게 하고 밤에는 들짐승이 범하지 못하게 한지라
Ary Rizpa, zanakavavin’ i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin’ ny vatolampy iny hitoerany hatramin’ ny niandohan’ ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ ny faty, ka tsy navelany hipetrahan’ ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
11 이에 아야의 딸 사울의 첩 리스바의 행한 일이 다윗에게 들리매
Ary nambara tamin’ i Davida izay nataon’ i Rizpa, zanakavavin’ i Aia, vaditsindranon’ i Saoly.
12 다윗이 가서 사울의 뼈와 그 아들 요나단의 뼈를 길르앗 야베스 사람에게서 취하니 이는 전에 블레셋사람이 사울을 길보아에서 죽여 벳산 거리에 매어 단 것을 저희가 가만히 가져 온 것이라
Dia lasa Davida naka ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany tany amin’ ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan’ ny Filistina azy tamin’ ny andro namonoan’ ny Filistina an’ i Saoly tao Gilboa.
13 다윗이 그 곳에서 사울의 뼈와 그 아들 요나단의 뼈를 가지고 올라오매 사람들이 그 달려 죽은 자들의 뼈를 거두어다가
Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan’ ireo voahantona ireo.
14 사울과 그 아들 요나단의 뼈와 함께 베냐민 땅 셀라에서 그 아비 기스의 묘에 장사하되 모두 왕의 명대로 좇아 행하니라 그 후에야 하나님이 그 땅을 위하여 기도를 들으시니라
Ary ny taolan’ i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin’ ny olona tao amin’ ny tanin’ ny Benjamina tao Zela, tao amin’ ny fasan’ i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian’ ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken’ Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ ny tany.
15 블레셋 사람이 다시 이스라엘을 치거늘 다윗이 그 신복들과 함께 내려가서 블레셋 사람과 싸우더니 다윗이 피곤하매
Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin’ ny Filistina, ary reraka Davida.
16 장대한 자의 아들 중에 삼백세겔 중 되는 놋창을 들고 새 칼을 찬 이스비브놉이 다윗을 죽이려 하므로
Ary Jisbibenoba, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta (ny lanjan’ ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an’ i Davida.
17 스루야의 아들 아비새가 다윗을 도와 그 블레셋 사람을 쳐 죽이니 다윗의 종자들이 다윗에게 맹세하여 가로되 `왕은 다시 우리와 함께 전장에 나가지 마옵소서 이스라엘의 등불이 꺼지지 말게 하옵소서' 하니라
Fa Abisay, zanak’ i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin’ izay ny olon’ i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin’ ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ ny Isiraely.
18 그 후에 다시 블레셋 사람과 곱에서 전쟁할 때에 후사 사람 십브개가 장대한 자의 아들 중에 삽을 쳐 죽였고
Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin’ ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an’ i Safa, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta.
19 또 다시 블레셋 사람과 곱에서 전쟁할 때에 베들레헴 사람 야레오르김의 아들 엘하난이 가드 골리앗의 아우 라흐미를 죽였는데 그 자의 창 자루는 베틀채 같았더라
Ary nisy ady indray koa tamin’ ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak’ i Jare-oregima Betlehemita, namono an’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.
20 또 가드에서 전쟁할 때에 그곳에 키 큰 자 하나는 매(每)손과 매(每)발에 가락이 여섯씩 모두 스물 네 가락이 있는데 저도 장대한 자의 소생이라
Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaïta.
21 저가 이스라엘 사람을 능욕하므로 다윗의 형 삼마의 아들 요나단이 저를 죽이니라
Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin’ i Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
22 이 네 사람 가드의 장대한 자의 소생이 다윗의 손과 그 신복의 손에 다 죽었더라
Ireo efatra ireo no teraky ny Refaïta teo Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony avokoa ireo.

< 사무엘하 21 >