< 베드로전서 4 >

1 그리스도께서 이미 육체의 고난을 받으셨으니 너희도 같은 마음으로 갑옷을 삼으라 이는 육체의 고난을 받은 자가 죄를 그쳤음이니
Koa satria niaritra tamin’ ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ ny nofo dia efa afaka tamin’ ny ny ota;
2 그 후로는 다시 사람의 정욕을 좇지 않고 오직 하나님의 뜻을 좇아 육체의 남은 때를 살게 하려 함이라
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ ny nofo araka ny filan’ ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra.
3 너희가 음란과 정욕과 술취함과 방탕과 연락과 무법한 우상 숭배를 하여 이방인의 뜻을 좇아 행한 것이 지나간 때가 족하도다
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ ny jentilisa tamin’ ny nandehanana tamin’ ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
4 이러므로 너희가 저희와 함께 그런 극한 방탕에 달음질하지 아니하는 것을 저희가 이상히 여겨 비방하나
ary amin’ izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’ izany fanaranam-po amin’ ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
5 저희가 산 자와 죽은 자 심판하기를 예비하신 자에게 직고하리라
nefa hampamoahin’ ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
6 이를 위하여 죽은 자들에게도 복음이 전파되었으니 이는 육체로는 사람처럼 심판을 받으나 영으로는 하나님처럼 살게 하려 함이니라
Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin’ ny nofo izy fa ho velona araka an’ Andriamanitra amin’ ny fanahy.
7 만물의 마지막이 가까왔으니 그러므로 너희는 정신을 차리고 근신하여 기도하라
Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ ny fivavahana.
8 무엇보다도 열심으로 서로 사랑할찌니 사랑은 허다한 죄를 덮느니라
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa “ny fitiavana manarona fahotana maro”
9 서로 대접하기를 원망 없이하고
Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
10 각각 은사를 받은 대로 하나님의 각양 은혜를 맡은 선한 청지기 같이 서로 봉사하라
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.
11 만일 누가 말하려면 하나님의 말씀을 하는 것같이 하고 누가 봉사하려면 하나님의 공급하시는 힘으로 하는 것같이 하라 이는 범사에 예수 그리스도로 말미암아 하나님이 영광을 받으시게 하려 함이니 그에게 영광과 권능이 세세에 무궁토록 있느니라 아멘 (aiōn g165)
Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’ Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy; mba hankalazana an’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena, (aiōn g165)
12 사랑하는 자들아 너희를 시련하려고 오는 불시험을 이상한 일 당하는 것같이 이상히 여기지 말고
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
13 오직 너희가 그리스도의 고난에 참예하는 것으로 즐거워하라 이는 그의 영광을 나타내실 때에 너희로 즐거워하고 기뻐하게 하려 함이라
fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ ny fisehoan’ ny voninahiny koa.
14 너희가 그리스도의 이름으로 욕을 받으면 복 있는 자로다 영광의 영 곧 하나님의 영이 너희 위에 계심이라
Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’ i Kristy, fa ny Fanahin’ ny voninahitra, dia ny Fanahin’ Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
15 너희 중에 누구든지 살인이나 도적질이나 악행이나 남의 일을 간섭하는 자로 고난을 받지 말려니와
Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’ olona.
16 만일 그리스도인으로 고난을 받은즉 부끄러워 말고 도리어 그 이름으로 하나님께 영광을 돌리라
Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’ Andriamanitra amin’ izany anarana izany izy.
17 하나님 집에서 심판을 시작할 때가 되었나니 만일 우리에게 먼저하면 하나님의 복음을 순종치 아니하는 자들의 그 마지막이 어떠하며
Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?
18 또 의인이 겨우 구원을 얻으면 경건치 아니한 자와 죄인이 어디 서리요
Ary “raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota?”.
19 그러므로 하나님의 뜻대로 고난을 받는 자들은 또한 선을 행하는 가운데 그 영혼을 미쁘신 조물주께 부탁할찌어다
Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’ Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.

< 베드로전서 4 >