< 역대상 7 >

1 잇사갈의 아들들은 돌라와, 부아와, 야숩과, 시므론 네 사람이며
Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
2 돌라의 아들들은 웃시와, 르바야와, 여리엘과, 야매와, 입삼과, 스므엘이니 다 그 아비 돌라의 집 족장이라 대대로 용사더니 다윗 때에 이르러는 그 수효가 이만 이천 육백명이었더라
Ary ny zanakalahin’ i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia zanak’ i Tola sady samy lehilahy mahery tamin’ ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin’ ny andron’ i Davida.
3 웃시의 아들은 이스라히야요 이스라히야의 아들들은 미가엘과, 오바댜와, 요엘과, 잇시야 다섯 사람이 모두 족장이며
Ary ny zanakalahin’ i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin’ i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
4 저희와 함께한 자는 그 보계와 종족대로 능히 출전할만한 군대가 삼만 육천인이니 이는 그 처자가 많은 연고며
Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak’ ireo.
5 그 형제 잇사갈의 모든 종족은 다 큰 용사라 그 보계대로 계수하면 팔만 칠천인이었더라
Ary ny rahalahiny ao amin’ ny fokon’ ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan’ izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
6 베냐민의 아들들은 벨라와, 베겔과, 여디아엘 세 사람이며
Ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
7 벨라의 아들들은 에스본과, 우시와, 웃시엘과, 여리못과, 이리 다섯 사람이니 다 그 집의 족장이요 큰 용사라 그 보계대로 계수하면 이만 이천 삼십 사인이며
Ary ny zanakalahin’ i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
8 베겔의 아들들은 스미라와, 요아스와, 엘리에셀과, 엘료에내와, 오므리와, 여레못과, 아비야와, 아나돗과, 알레멧이니 베겔의 아들들은 이러하며
Ary ny zanakalahin’ i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Bakera.
9 저희는 다 그 집의 족장이요 큰 용사라 그 자손을 보계대로 계수하면 이만 이백인이며
Ary ny isany araka ny firazanany amin’ ny fireneny, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
10 여디아엘의 아들은 빌한이요 빌한의 아들들은 여우스와, 베냐민과, 에훗과, 그나아나와, 세단과, 다시스와, 아히사할이니
Ny zanakalahin’ i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin’ i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
11 이 여디아엘의 아들들은 그 집의 족장이요 큰 용사라 그 자손 중에 능히 출전할만한 자가 일만 칠천 이백인이며
Ireo zanakalahin’ i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan’ ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan’ ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
12 일의 아들은 숩빔과, 훔빔이요 아헬의 아들은 후심이더라
Sopima koa sy Hopima, zanakalahin’ Iry, ary Hosima, zanakalahin’ i Ahera.
13 납달리의 아들들은 야시엘과, 구니와, 예셀과, 살룸이니 이는 빌하의 손자더라
Ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin’ i Bila ireo.
14 므낫세의 아들들 그 처의 소생은 아스리엘이요 그 첩 아람 여인의 소생은 길르앗의 아비 마길이니
Ny zanakalahin’ i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an’ i Matira, rain’ i Gileada.
15 마길은 훔빔과 숩빔의 누이 마아가라 하는 이에게 장가들었더라 므낫세의 둘째 아들의 이름은 슬로브핫이니 슬로브핫은 딸들만 낳았으며
Ary Makira naka vady ho an’ i Hopima sy Sopima; ny anaran’ ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran’ ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
16 마길의 아내 마아가는 아들을 낳아 그 이름을 베레스라 하였으며 그 아우는 이름이 세레스며 세레스의 아들은 울람과 라겜이요
Ary Imaka, vadin’ i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran’ ny rahalahiny; ary ny anaran’ ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
17 울람의 아들은 브단이니 이는 다 길르앗의 자손이라 길르앗은 마길의 아들이요 므낫세의 손자며
Ary ny zanakalahin’ i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin’ i Gileada, zanakalahin’ i Makira, zanakalahin’ i Manase.
18 그 누이 함몰레겟은 이스홋과, 아비에셀과, 말라를 낳았고
Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an’ Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
19 스미다의 아들은 아히안과, 세겜과, 릭히와, 아니암이더라
Ary ny zanakalahin’ i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
20 에브라임의 아들은 수델라요 그 아들은 베렛이요 그 아들은 다핫이요 그 아들은 엘르아다요 그 아들은 다핫이요
Ary ny zanakalahin’ i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin’ i Sotela, Tahata no zanakalahin’ i Bareda, Elada no zanakalahin’ i Tahata, Tahata no zanakalahin’ i Elada,
21 그 아들은 사밧이요 그 아들은 수델라며 저가 또 에셀과 엘르앗을 낳았더니 저희가 가드 토인에게 죽임을 당하였으니 이는 저희가 내려가서 가드 사람의 짐승을 빼앗고자 하였음이라
Zabada no zanakalahin’ i Tahata, Sotela no zanakalahin’ i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin’ ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman’ ondriny izy.
22 그 아비 에브라임이 위하여 여러 날 슬퍼하므로 그 형제가 와서 위로하였더라
Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
23 그 후에 에브라임이 그 아내와 동침하였더니 아내가 잉태하여 아들을 낳으니 그 집이 재앙을 받았으므로 그 이름을 브리아라 하였더라
Ary nony niray tamin’ ny vadiny izy, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin’ izany.
24 에브라임의 딸은 세에라니 저가 아래 윗 벧호론과 우센세에라를 세웠더라
(Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an’ i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
25 브리아의 아들들은 레바와, 레셉이요 레셉의 아들은 델라요 그 아들은 다한이요
Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin’ i Beria, Tela no zanakalahin’ i Rasefa, Tahana no zanakalahin’ i Tela,
26 그 아들은 라단이요 그 아들은 암미훗이요 그 아들은 엘리사마요
Ladana no zanakalahin’ i Tahana, Amihoda no zanakalahin’ i Ladana, Elisama no zanakalahin’ i Amihoda.
27 그 아들은 눈이요 그 아들은 여호수아더라
Nona no zanakalahin’ i Elisama, Josoa no zanakalahin’ i Nona.
28 에브라임 자손의 산업과 거처는 벧엘과 그 향리요 동에는 나아란이요 서에는 게셀과 그 향리며 또 세겜과 그 향리니 아사와 그 향리까지며
Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
29 또 므낫세 자손의 지경에 가까운 벧스안과 그 향리와 다아낙과 그 향리와 므깃도와 그 향리와 돌과 그 향리라 이스라엘의 아들 요셉의 자손이 이 여러 곳에 거하였더라
ary teo amin’ ny sisin-tanin’ ny taranak’ i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin’ ireo no nonenan’ ny taranak’ i Josefa, zanak’ Isiraely.
30 아셀의 아들들은 임나와, 이스와와, 이스위와, 브리아요 저희의 매제는 세라며
Ny zanakalahin’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin’ ireo.
31 브리아의 아들들은 헤벨과, 말기엘이니 말기엘은 비르사잇의 아비며
Ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain’ i Birzavita.
32 헤벨은 야블렛과, 소멜과, 호담과 저희의 매제 수아를 낳았으며
Ary Hebera niteraka an’ i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin’ ireo.
33 야블렛의 아들들은 바삭과, 빔할과, 아스왓이니 야블렛의 아들은 이러하며
Ary ny zanakalahin’ i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin’ i Jafleta.
34 소멜의 아들들은 아히와, 로가와, 호바와, 아람이요
Ary ny zanakalahin’ i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.
35 그 아우 헬렘의 아들들은 소바와, 임나와, 셀레스와, 아말이요
Ary ny zanakalahin’ i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.
36 소바의 아들들은 수아와, 하르네벨과, 수알과, 베리와, 이므라와
Ny zanakalahin’ i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra
37 베셀과, 홋과, 사마와, 실사와, 이드란과, 브에라요
sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.
38 예델의 아들들은 여분네와, 비스바와, 아라요
Ary ny zanakalahin’ i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.
39 울라의 아들들은 아라와, 한니엘과, 리시아니
Ary ny zanakalahin’ i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.
40 이는 다 아셀의 자손으로 족장이요 뽑힌 큰 용사요 방백의 두목이라 출전할만한 자를 그 보계대로 계수하면 이만 육천인이었더라
Ireo zanakalahin’ i Asera rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.

< 역대상 7 >