< 역대하 34 >
1 요시야가 위에 나아갈 때에 나이 팔세라 예루살렘에서 삼십 일년을 치리하며
Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2 여호와 보시기에 정직히 행하여 그 조상 다윗의 길로 행하여 좌우로 치우치지 아니하고
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy ka nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia.
3 오히려 어렸을 때 곧 위에 있은지 팔년에 그 조상 다윗의 하나님을 비로소 구하고 그 십 이년에 유다와 예루살렘을 비로소 정결케 하여 그 산당과 아세라 목상들과 아로새긴 우상들과 부어만든 우상들을 제하여 버리매
Fa tamin’ ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’ Andriamanitr’ i Davida rainy; ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo kosa dia niantomboka nanadio an’ i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony.
4 무리가 왕의 앞에서 바알들의 단을 훼파하였으며 왕이 또 그 단 위에 높이 달린 태양상들을 찍고 또 아세라 목상들과 아로새긴 우상들과 부어 만든 우상들을 빻아 가루를 만들어 거기 제사하던 자들의 무덤에 뿌리고
Ary noravan’ ny olona teo anatrehan’ i Josia ny alitaran’ ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ ny fasan’ ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
5 제사장들의 뼈를 단 위에서 불살라 유다와 예루살렘을 정결케 하였으며
Ary nandoro ny taolan’ ny mpisorona teo ambonin’ ny alitarany izy, ka dia nanadio an’ i Joda sy Jerosalema.
6 또 므낫세와 에브라임과 시므온과 납달리까지 사면 황폐한 성읍들에도 그렇게 행하여
Ary tany amin’ ny tanànan’ ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin’ ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava,
7 단들을 훼파하며 아세라 목상들과 아로새긴 우상들을 빻아 가루를 만들며 온 이스라엘 땅에 있는 모든 태양상을 찍고 예루살렘으로 돌아왔더라
dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
8 요시야가 위에 있은지 십 팔년에 그 땅과 전을 정결케 하기를 마치고 그 하나님 여호와의 전을 수리하려 하여 아살랴의 아들 사반과 부윤 마아세야와 서기관 요아하스의 아들 요아를 보낸지라
Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an’ i Safana, zanak’ i Azalia, sy Mahaseia, komandin’ ny tanàna, ary Joa, zanak’ i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon’ i Jehovah Andriamaniny.
9 저희가 대제사장 힐기야에게 나아가 전에 하나님의 전에 연보한 돈을 저에게 붙이니 이 돈은 문을 지키는 레위 사람이 므낫세와 에브라임과 남아 있는 이스라엘 사람과 온 유다와 베냐민과 예루살렘 거민들에게서 거둔 것이라
Ary rehefa tonga teo amin’ i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ Andriamanitra, izay efa nangonin’ ny Levita, mpiandry varavarana, tamin’ ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely, ary tamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
10 그 돈을 여호와의 전 역사를 감독하는 자의 손에 붙이니 저희가 여호와의 전에 있는 공장에게 주어 그 전을 수리하게 하되
Ary natolony ho eo an-tanan’ ny lehiben’ ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin’ ny tranon’ i Jehovah izany, ary natolotr’ ireo kosa ho an’ ny mpiasa izay niasa tao an-tranon’ i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;
11 곧 목수와 건축하는 자에게 붙여 다듬은 돌과 연접하는 나무를 사며 유다 왕들이 헐어버린 전들을 위하여 들보를 만들게 하매
dia nomeny ho an’ ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin’ ny trano izay nosimban’ ny mpanjakan’ ny Joda.
12 그 사람들이 진실히 그 일을 하니라 그 감독은 레위 사람 곧 므라리 자손 중 야핫과 오바댜요 그핫 자손 중 스가랴와 무술람이라 다 그 일을 주장하고 또 음악에 익숙한 레위 사람이 함께 하였으며
Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin’ ny taranak’ i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin’ ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,
13 저희가 또 담부하는 자를 관할하며 범백 공장을 동독하고 어떤 레위 사람은 서기와 관리와 문지기가 되었더라
dia ireo no tonian’ ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin’ ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin’ ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
14 무리가 여호와의 전에 연보한 돈을 꺼낼 때에 제사장 힐기야가 모세의 전한 여호와의 율법책을 발견하고
Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, ilay nampilazaina an’ i Mosesy.
15 서기관 사반에게 일러 가로되 내가 여호와의 전에서 율법책을 발견하였노라 하고 그 책을 사반에게 주매
Ary niteny Hilkia ka nanao tamin’ i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin’ ny lalàna dia hitako tao an-tranon’ i Jehovah. Dia natolotr’ i Hilkia an’ i Safana ny boky.
16 사반이 책을 가지고 왕에게 나아가서 복명하여 가로되 왕께서 종들에게 명하신 것을 종들이 다 준행하였나이다
Ary Safana nitondra ny boky ho any amin’ ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon’ ny mpanomponao dia nataony avokoa.
17 또 여호와의 전에 있던 돈을 쏟아서 감독자와 공장의 손에 붙였나이다 하고
Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon’ i Jehovah ka natolony teo an-tànan’ ny olona voatendry sy teo an-tànan’ ny mpiasa.
18 서기관 사반이 또 왕에게 고하여 가로되 제사장 힐기야가 내게 책을 주더이다 하고 사반이 왕의 앞에서 읽으매
Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin’ ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen’ i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin’ i Safana teo anatrehan’ ny mpanjaka ny boky.
19 왕이 율법의 말씀을 듣자 곧 자기 옷을 찢더라
Ary rehefa ren’ ny mpanjaka ny tenin’ ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy
20 왕이 힐기야와 사반의 아들 아히감과 미가의 아들 압돈과 서기관 사반과 왕의 시신 아사야에게 명하여 가로되
sady nandidy an’ i Hilkia sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Abdona, zanak’ i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, ka nanao hoe:
21 너희는 가서 나와 및 이스라엘과 유다의 남은 자를 위하여 이 발견한 책의 말씀에 대하여 여호와께 물으라 우리 열조가 여호와의 말씀을 지키지 아니하고 이 책에 기록된 모든 것을 준행치 아니하였으므로 여호와께서 우리에게 쏟으신 진노가 크도다
Andeha manontany amin’ i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin’ ny Isiraely sy ny Joda ny amin’ ny tenin’ io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman’ ny razantsika ny tenin’ i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin’ io boky io.
22 이에 힐기야와 왕의 보낸 사람들이 여선지자 훌다에게로 나아가니 저는 하스라의 손자 독핫의 아들 예복을 주관하는 살룸의 아내라 예루살렘 둘째 구역에 거하였더라 저희가 그에게 이 뜻으로 고하매
Ary Hilkia sy izay notendren’ ny mpanjaka dia nankany amin’ i Holda mpaminanivavy, vadin’ i Saloma, zanak’ i Tokehata, zanak’ i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin’ ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.
23 훌다가 저희에게 이르되 이스라엘 하나님 여호와의 말씀으로 너희는 너희를 내게 보낸 사람에게 고하기를
Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin’ izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe:
24 여호와의 말씀이 내가 이곳과 그 거민에게 재앙을 내리되 곧 유다 왕 앞에서 읽은 책에 기록된 모든 저주대로 하리니
Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin’ ilay boky efa novakina teo anatrehan’ ny mpanjakan’ ny Joda.
25 이는 이 백성이 나를 버리고 다른 신에게 분향하며 그 손의 모든 소위로 나의 노를 격발하였음이라 그러므로 나의 노를 이 곳에 쏟으매 꺼지지 아니하리라 하라 하셨느니라
Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia haidina amin’ ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
26 너희를 보내어 여호와께 묻게한 유다 왕에게는 너희가 이렇게 고하라 이스라엘 하나님 여호와의 말씀이 네가 들은 말을 의논컨대
Fa ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin’ i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ny teny izay efa novakinao,
27 내가 이곳과 그 거민을 가리켜 말한 것을 네가 듣고 마음이 연하여 하나님 앞 곧 내 앞에서 겸비하여 옷을 찢고 통곡하였으므로 나도 네 말을 들었노라 여호와가 말하였느니라
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin’ ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
28 그러므로 내가 너로 너의 열조에게 돌아가서 평안히 묘실로 들어가게 하리니 내가 이곳과 그 거민에게 내리는 모든 재앙을 네가 눈으로 보지 못하리라 하셨느니라 사자들이 왕에게 복명하니라
Koa, indro, hangoniko any amin’ ny razanao ianao ary hangonina any amin’ ny fasanao amin’ ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin’ ny mpanjaka izy ireo.
29 왕이 보내어 유다와 예루살렘의 모든 장로를 불러 모으고
Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon’ ny Joda sy Jerosalema rehetra.
30 이에 여호와의 전에 올라가매 유다 모든 사람과 예루살렘 거민과 제사장들과 레위 사람들과 모든 백성이 무론노소하고 다 함께 한지라 왕이 여호와의 전 안에서 발견한 언약책의 모든 말씀을 읽어 무리의 귀에 들리고
Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin’ ny bokin’ ny fanekena, izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
31 왕이 자기 처소에 서서 여호와 앞에서 언약을 세우되 마음을 다하고 성품을 다하여 여호와를 순종하고 그 계명과 법도와 율례를 지켜 이 책에 기록된 언약의 말씀을 이루리라 하고
Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena izay voasoratra ao amin’ izany boky izany,
32 예루살렘과 베냐민에 있는 자들로 다 이에 참가하게 하매 예루살렘 거민이 하나님 곧 그 열조의 하나님의 언약을 좇으니라
sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany
33 이와 같이 요시야가 이스라엘 자손에게 속한 모든 땅에서 가증한 것을 다 제하여 버리고 이스라엘의 모든 사람으로 그 하나님 여호와를 섬기게 하였으므로 요시야가 사는 날에 백성이 그 열조의 하나님 여호와께 복종하고 떠나지 아니하였더라
Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ ny tany rehetra izay an’ ny Zanak’ isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin’ ny Isiraely hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny. Tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josia dia tsy mba niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.