< Matayo 12 >

1 Bhwakati obhu Yesu alotili ligono lya sabato kup'hetela mumigonda. Bhanafunzi bha muene bha j'hele ni njala na bhakayanda kughadumula masuke ni kulya.
Tamin’ izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
2 Lakini Mafarisayo bho bhabhuene aghu, bhakan'jobhela Yesu “Langai bhanafunzi bha j'hobhi bhifunja sheria bhibhomba ligono lyaliruhusibhu lepi ligono lya Sabato”
Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata.
3 Lakini Yesu akabhajobhela, “Msomilepi jinsi Daudi kya abhombili, bhwakati aj'hele ni njala, pamonga ni bhana bha aj'he nabhu?
Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
4 Namna kyaaj'hingili mgati mu nyumba j'ha K'yara ni mikate ghya bhonyesho, ambaghyo ghyaj'hele lepi halali kwa muene kulya ni bhala bhaaj'hele nabhu, ila halali kwa Makuhani?
Fa niditra tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5 Bado musomilepi mu sheria, kuj'ha ligono lya Sabato Makuhani mugati mu lihekalu j'hikainajisi Sabato, lakini bhaj'helepi ni hatia?
Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ ny lalàna va fa amin’ ny Sabata ny mpisorona ao amin’ ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
6 Lakini nijobha kwa muenga kuj'ha j'ha aj'he mmbaha kuliko hekalu aj'he apa.
Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
7 Kama ngamumanyi ej'he j'himaanisha kiki; nilonda rehema na sio dhabihu ngamubhahukumuili lepi bhabhaduli hatia,
Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
8 Kwa kuj'ha Mwana ghwa Adamu ndij'je Bwana ghwa Sabato.”
Fa Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.
9 Kisha Yesu akabhoka pala akalota mu lisinagogi lyabhu.
Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin’ ny synagoga;
10 Langaghe twaj'hele ni munu j'haapozili kibhoko. Mafarisayo bhakankota Yesu, bhakajobha. “'Je, ndo halali kuponesya ligono lya Sabato?” ili bhabhwesiaghe kumshtaki kwa kubhomba dhambi.
ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata? mba hiampangany Azy.
11 Yesu akabhajobhela, “Niani kati j'ha muenga, ambaj'he ikaj'hiaghe ni likondoo limonga, ligono e'lu likabina mu lil'ende ligono lya sabato, ibetalepi kun'kamula ni kumbosya kwa ngofu ligono lya sabato mulil'ende?
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin’ ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
12 Je, k'heleku kyakij'hele ni thamani, zaidi hoti, si zaidi j'ha likondoo! Henu ni halali kubhomba manofu ligono lya Sabato.”
Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’ izany dia mety ny manao soa amin’ ny Sabata.
13 Kisha Yesu akabhajobhela munu y'ola, “Nyoosyaghe kibhoko” Akanyosya, na ukakabha afya, kama bhongi bhola.
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
14 Lakini Mafarisayo bhakap'hita kwibhala ni kupanga jinsi j'ha kunjangamisya bhakalota kwibhala kupanga kinyume kyake. Bhaj'hele bhilonda jinsi j'ha kun'koma.
Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
15 Yesu bho aj'helibhu e'le akabhoka apu. Bhanu bhingi bhakan'kesya na akabhaponya bhoha.
Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
16 Akabhalaghisya bhasihidi bhakambomba amanyikanai kwa bhangi,
ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
17 kwamba j'hitimilayi j'hela kweli, j'haj'hikajobhibhu ni nabii Isaya, akajobha,
mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:
18 Langai, mtumishi bhwangu j'hanin'salili n'ganwa ghwangu, kwa muene nafsi j'ha nene j'hihobhwiki. Nibetakubheka Roho j'hangu panani pa muene, na ibetakutangasya hukumu kwa Mataifa.
Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin’ ny jentilisa Izy;
19 Ibetalepi kuhangaika bhwala kulela kwa ngofu; bhwala j'hoj'hioha j'hola kup'heleka sauti j'ha muene mitaani. Ibetalepi kulidumula lidete lyalichubulibhu;
Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
20 ibetalepi kusimisya bhutambi bhobhuoha bhwabhwihomesya liosi, mpaka pa mwibeta kuleta hukumu na j'hitolaghe.
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
21 Ni Mataifa bhibetakuj'ha ni bhujasiri mu lihina lyake.
Ary ny anarany no hitokian’ ny jentilisa.
22 Munu fulani kipofu ni bubu, j'haapagawa ni pepo aletibhu mbele j'ha Yesu. Amponyisi, pamonga ni matokeo gha munu bubu ajobhili ni kulola.
Dia nentina tany amin’ i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
23 Makutano bhoha bhashangale ni kujobha, “J'hibhwesekana munu oj'ho muana ghwa Daudi?”
Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’ i Davida?
24 Lakini pindi Mafarisayo bho bhap'heliki muujiza obho bhakajobha, “Munu oj'ho ibhosya lepi pepo kwa ngofu sya muene isipokuj'ha kwa ngofu sya Belzebuli, m'baha ghwa pepo.
Fa nony ren’ ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’ ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ ny demonia.
25 “Lakini Yesu amanyili fikra sya bhene na akabhajobhela, “Kila bhufalme bhwa bhugawanyiki bhuene bhwiharibika, ni khila mji au nyumba j'haj'higawanyika j'hiene j'hij'hema lepi.
Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
26 Ikaj'hiaghe Syetani, ibetakumbosya Syetani, basi ikipinga mu nafsi j'ha muene.
Ary raha Satana no mamoaka an’ i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ ny fanjakany?
27 Ni namna gani bhufalme bhwake bhwibeta kuj'hema? Na kama nibhosya pepo kwa ngofu sya Belizabuli, bhafuasi bhinu bhibetakubhosya kwa nj'hela j'ha niani? Kwa ndabha j'ha e'le bhibetakuj'ha mahakimu bhinu.
Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
28 Na kama nibhosya pepo kwa ng'hofu sya Roho ghwa K'yara, basi bhufalme bhwa K'yara bhuhidili kwa muenga.
Fa raha ny Fanahin’ Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’ Andriamanitra.
29 Na munu ibetakubhwesya bhuli kuj'hingila mu nyumba j'ha munu mwenye nghofu ni kuh'eja, bila kun'konga mwenye nghofu hosi? Ndipo ibetakuh'eja mali ghakhe kuhoma mugati mu nyumba.
Fa hataon’ ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
30 J'hej'hoiha j'hola j'haabeli kuj'ha pamonga nani aj'he kinyume ni nene, ni j'haibetalepi kubhongan'ya pamonga nani oj'hu itabhwanya.
Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
31 Kwa hiyo nijobha kwa muenga, kila dhambi ni kufuru bhana bhibetakusamehebhwa, ila kun'kufuru Roho Mtakatifu bhibetakusamehebhwalepi
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masìna.
32 . Na j'hej'hioha j'haijobha lilobhi kinyume kya Mwana ghwa Adamu, e'lu libetakusamehebhwa. Lakini j'hej'hioha j'hola j'haijobha kinyume ni Roho Mtakatifu, oj'hu ibetalepi kusamehebhwa mu bhulimwengu obho, na bhwala bhola bhwa bhwihida. (aiōn g165)
Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’ olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masìna, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’ izao fiainana izao, na amin’ ny ho avy. (aiōn g165)
33 Ama ubhombaghe libehe kuj'ha linofu ni litunda lyake kuj'ha linofu, au uharibuaj'hi litunda ni libehe lyake, kwa kuj'ha libehe litambulisibhwa kwa litunda lyakhe.
Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
34 Muenga kizazi kya liyoka, muenga bhaovu, mwebhwesya bhuli kujobha mambo manofu? Kwa kuj'ha kinywa kijobha kuhoma mu akiba j'ha ghaghaj'hele mu muoyo.
Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ ny haben’ ny ao am-po no itenenan’ ny vava.
35 Munu nnofu mu akiba j'hinofu j'ha muoyo bhwake ghihoma manofu, na munu muovu mu akiba ovu j'ha muoyo bhwake ghwih'omesya kyakyaj'hele kiovu.
Ny rakitra tsara no amoahan’ ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
36 Nikabhajobhela kuj'ha mu ligono lya hukumu bhanu bhibetakuh'omesya hesabu j'ha khila lilobhi lyalij'helepi ni maana lyabhalijobhili.
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony.
37 Kwa kuj'ha malobhi gha j'hobhi ghwibetakubhalangibhwa haki ni kwa malobhi gha j'hobhi ghwibetahukumibhwa.”
Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
38 Kisha baadhi j'ha bhaandishi ni Mafarisayo bhan'jibili Yesu bhakajobha” Mwalimu, tulondeghe kubhona ishara kuhoma kwa bhebhe.” Lakini Yesu akajibu ni kubhajobhela, “Kizazi kiovu na lya zinaa kilonda ishara.
Ary tamin’ izany ny sasany tamin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
39 Lakini j'hij'helepi ishara j'haj'hibetakupisibhwa kwa bhene isipokuj'ha j'hela ishara j'ha Yona nabii.
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’ i Jona mpaminany;
40 Kama vile nabii Yona kyaaj'hele mugati mu lileme lya somba m'baha kwa magono madatu pamusi ni pakilu, hivyo ndivyo Mwana ghwa Adamu kyaibetakuj'ha mugati mu mioyo ghya nchi kwa magono madatu pamusi ni pakilu.
fa tahaka ny nitoeran’ i Jona hateloan’ andro sy hateloan’ alina tao an-kibon’ ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ ny Zanak’ olona hateloan’ Andro sy hateloan’ alina ao anatin’ ny tany.
41 Bhanu bha ninawi bhibetakuj'hema mbele j'ha hukumu pamonga ni kizazi kya bhanu abha ni bhibetakukihukumu. Kwa kuj'ha bhatubuili kwa mahubiri gha Yona, na langai, munu fulani m'baha kuliko Yona apa.
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
42 Malkia ghwa kusini ibetakujhinuka mu hukumu pamonga ni bhanu bha kizazi e'khe ni kukihukumu. Ahidili kuhoma miisho ghya dunia kuhida kup'heleka hekima j'ha Selemani, na langai, munu fulani m'baha kuliko Selemani aj'hele apa.
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
43 Bhwakati pepo bhachafu bhakamboka munu ghip'heta mahali papaj'helepi ni masi ilonda kup'homoseka, lakini akapabhona lepi.
Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
44 Kisha ijobha, “Nibetakherebhuka mu nyumba j'hangu j'hanihomili.' Paikherebhuka akajhikholela nyumba j'hisafishibhu na ij'hele tayari.
Dia hoy izy: Hody any amin’ ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
45 Kisha huenda ni kubhaleta bhangi roho bhachafu saba bhabhaj'hele bhabhibhi zaidi kuliko muene, ghihida kutama ghoha pala. Ni hali j'hiakhe j'ha mwisho huwa j'hibhibhi kuliko j'ha kubhwandelu. Efe ndo kyaj'hibeta kuj'ha kwa kizazi ekhe kiovu.
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ ity taranaka ratsy fanahy ity.
46 Bhwakati Yesu ilongela ni bhumati langai, nyinamunu ni bhalongomunu bhakhaj'hema kwibhala, bhakaj'ha bhilonda kulongela nakhu.
Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin’ ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
47 Munu mmonga akan'jobhela, “Langai nyinuaku ni bhalongobhu bhaj'hemili kwibhala bhilonda kulongela ni bhebhe”.
Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin’ ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
48 Lakini Yesu ni kun'jobhela j'haan'jobheleghe, “Mabhu ndo niani? Ni bhalongobhangu ndo bha niani?”
Fa namaly Izy ka nanao tamin’ ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?
49 Nu muene akanyosya kibhokho kya muene kwa bhanafunzi ni kujobha, “Langai abha ndo mabhu ni bhalongobhangu!
Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;
50 Kwa kuj'ha j'hej'hioha j'hola j'haibhomba mapenzi gha Tata ghwangu j'haaj'hele kumbinguni, munu oj'hu ndo ndongobhangu, n'dombo bhangu ni mabhu ghwa nene”.
Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

< Matayo 12 >