< Wagalatia 1 >

1 Nene na Paulo na n'tume. Nene na n'tume lepi kuhomela kwa bhanadamu, ila kup'etela Yesu Kristu ni K'yara Dadi yaamfufuili kuhomela KU wafu.
Paoly Apostoly ― tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty ―
2 Pamonga ni bhalongo bhangu bhoa ni nene, nikabhayandikila makanisa gha Bhagalatia.
mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:
3 Neema iyelai kwa yhomo ni amani yayihomela kwa K'yara Dadi wayhoto ni Bwana Yesu Kristu.
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4 Yajipisili yumuene kwajia thambi sayhoto ndabha abhuesyakutokombola mu magono agha ghauovu, kup'etela mapenzi ghaki K'yara wayhoto na ni Dadi. (aiōn g165)
Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika; (aiōn g165)
5 Kwa muene uyela utukufu milele na milele. (aiōn g165)
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
6 Nishangala ndabha mwigeukila haraka mu injili yhenge. Nishangala kabhele mwigeukila patali kuhomela kwa muene yaabhakutili kwa neema said Kristu.
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,
7 Iyelepi injili yhenge, ila bhayele baadhi ya bhanu bhabhilonda kubhasababishila muenga matatisu ni kulonda kubadilisya injili ya kristu.
izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy.
8 Hata Kama kujobhela tete au malaika kuhomela kumbinguni alatangasya kwa muenga injili yayele tofauti ni yhela yatatangasyai kwa muenga, na alanibhuayi.
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
9 Katya katajobhai kamuandi, ni henu mjobha kabhele,”Katya ayele munu alabhatangasila kwa muenga injili yaiyele tofauti na ya mwapokili, alanibhuayi”.
Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
10 Kwani henu nilonda uthibitisho wa bhanu au K'yara? nilonda kubhafulaisya muenga bhanadamu? Katya niyendelela kubhajalibu kubhafulaisya bhanadamu, nene na n'tumishi he wa Kristu.
Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.
11 Ndongo, nilonda muenga mmanyai ya kuwa injili yanatangasili yitokana lepi ni bhanadamu.
Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ ny olona izany.
12 Naipokili lepi kuhomela kwa bhanu, wala nafundisibhu lepi. Badala yaki, yayele kwa ufunuo wa Yesu Kristu kwa nene.
Fa izaho tsy nandray azy tamin’ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ ny fanambaran’ i Jesosy Kristy ihany.
13 Mwalili kup'eleka juu ya maisha gha nene gha kunyuma kup'etela dini ya kiyahudi, kanayele kanatesyai kiukali li kanisa la k'yara zaidi ya kiphemu ni kuliteketesya.
Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
14 Kanayele niyendelili kup'etela dini ya kiyaudi kuzidi bhalongobhangu bhingi bhayaudi. Nayele ni bidii sana kup'etela mu tamaduni sa bha Dadi bhangu.
ary nandroso tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
15 Ila K'yara apendisibhu kunichagula nene kuhomela mulileme la mabhu. Anikutili nene kup'etela neema sa muene.
Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany,
16 Kumdhihirisha mwana munu mugati mwa nene, ili yandabha ni mtangasyai muene pamiongoni mwa bhanu bha mataifa. Wala nalondili lepi ushauli wa mbhele ni muasi
ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ ny jentilisa, niaraka tamin’ izay dia tsy naka saina tamin’ ny nofo aman-drà aho,
17 na nakwelili lepi kulota kuyerusalem kwa bhala bhabhayeli mitume kabula ya nene. Badala yake nalotili uarabuni ni kabhele kukelebhuka Damesiki.
ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
18 Kabhele badala ya miaka midatu nakwelili kulota Yerusalem kun'gendela kefa, natamili naku kwa mogono kumi na tano.
Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro.
19 Lakini nabhuee mitume bhangi labuda Yakobo, ndongho munu ni Bwana.
Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo.
20 Langai, palongolo K'yara, nikofyalepi kwa eke kani yandika kwa muenga.
Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21 Kabhele nalotili kumikoa ya Shamu ni kilikia.
Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho;
22 Nama nyikanai lepi kwa mihu kwa makanisa gha uyaudi ghala ghaghayele kup'etela Kristu,
ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko.
23 Ila bhayele bhakipeleka to, “Muene ayele kututesya henu itangasya imani yaya haribuayi”.
Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
24 Bhayele kumtukuza K'yara kwajia nene.
Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho.

< Wagalatia 1 >