< Matendo ya Mitume 12 >
1 Bwakati obhu mfalme Herode akanyosya kibhoko kya muene kwa baadhi jha bhala bhabhihomela ku kusanyiko ili kubhatesya.
Ary tamin’ izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ ny fiangonana.
2 Akan'koma Yakobo ndongomunu Yohana kwa upanga.
Ary izy namono an’ i Jakoba, rahalahin’ i Jaona, tamin’ ny sabatra.
3 Baada jha kubhona ikabhapendesya Bhayahudi akan'kamula ni Petro kabhele. Ejhe jhajhela wakati bhwa mikate jha jhibeli kulola.
Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’ i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ izany.)
4 Bho an'kamuili, akambeka mu ligereza ni kubheka fikosi fincheche fya askari ili kundonda Petro, akajha itarajila kumpeleka kwa bhanu baadajha pasaka.
Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin’ ny miaramila enina ambin’ ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska.
5 Petro abhakibhu mu ligereza, lakini maombi gha bhombiki kwa bidii ni likusanyiku kwa ndabha jhe muene kwa K'yara.
Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy.
6 Ligono kabla Herode alotilepi kumpisya, kiru abhu Petro agonili katikati jha maaskari bhabhele akajha akanjibhu minyororo mibhele, ni bhalinzi mbele jha ndiangu bhakajha bhilenda gereza.
Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ ny miaramila roa lahy Petera tamin’ iny alina iny, sady voafatotra tamin’ ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
7 Langagi, malaika bha Bwana ghafla akantokela ni nuru jhikan'g'ara mugati. Akajotobha Petro Petro mu ubhafu ni kunjumuisya akajobha, “Jhumukayi manyata.” Ndipo minyororo gha aka akongibhu ghyabhopuiki mu mabhoko gha muene.
Ary, indro, nisy anjelin’ ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’ i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin’ ny tànany ny gadra.
8 Malaika akan'jobhela, “Fwatayi liguanda lya jhobhi na unitesiajhi.” Hivyo Petro akankesya Malaika ni kuhoma kwibhala. Aaminilepi kya kya bhombiki ni
Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
9 Hivyo Petro akankesya Malaika ni kuhoma kwibhala. Aaminilepi kya kya bhombiki ni Malaika kama kya bhukweli. Afikirileghe ibhona maono.
Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon’ ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
10 Baada jha kupeta lindo lya chuma lya kujhingilila kulota kumjini likafunguka lyene kwa ndabha jha bhene. Bhakapita kwibhala bhakaselela ku mtaa, mara Malaika akandeka.
Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin’ ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin’ ny lalana iray; ary niaraka tamin’ izay dia nandao azy izay anjely.
11 Petro bho akimbuili, akajobha, “Henu ni amini kujha Bwana andaghisi Malaika ghwa muene ili kunibhosya mu mabhoko gha Herode, ni kwa matarajio gha bhanu bhoha bha uyahudi.”
Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ ny tànan’ i Heroda sy ny fanantenan’ ny Jiosy rehetra.
12 baada jha kumanya agha, akahida mu nyumba jha manamu nyinamunu Yohana ambaye ndo Marko; bhakristu bhamehele bha bhonganiki bhis'oka.
Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon’ i Maria, renin’ i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
13 Bhoabishili pa ndiangu ghwa kizuizi, n'tumishi mmonga n'dala jhaakutibhweghe Roda akahida kufungula.
Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
14 Bhoatamuili sauti jha Petro, kwa furaha akasindwa kudendula ndiangu. Badala jhiake akajumba mugati mu kichumba: ni kubhajulisya ku jha Petro ajhemili pa ndiangu.
Ary rehefa nahalala ny feon’ i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
15 Hivyo bhakajobha kwa muene, “Bhebhe ndo mwendawazimu.” Lakini akazili kujha ndo kweli ndo muene. Bhakajobha “Ojho ndo Malaika ghwa muene.”
Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
16 Lakini Petro ajhendelili kubisha, na bho bhahinguili ndiangu, bhakambona na bhashangele sana. Petro akabhagudamisya kibhokho kimyakimya ni kubhajobhela jinsi Bwana kyaambosili mu ligereza. Akajobha,
Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
17 “Bhajulishayi mambo agha Yakobo ni bhalongo munu.” Kisha akabhoka akalota sehemu jhenge.
Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.
18 Pamusi, kwahjele ni huzuni mbaha kati jha askari, kuhusiana ni kyakitokili kwa Petro.
Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
19 Baada jha Herode kundonda na ambwene lepi akabhakota bhalinzi ni kuamuru bhakonibhwayi. Akalota kuhoma Uyahudi mpaka Kaisaria ni kutama okhu.
Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
20 Herode ajhele ni ligoga juu jha bhanu bha Tiro ni Sidoni. Bhakalota kwa pamonga kwa muene. Bhakejha ni urafiki ni Blasto msaidizi ghwa mfalme, ili abhasaidilayi. Kisha bhakasoka amani, kwa ndabha nchi jha mfalme.
Ary Heroda tezitra loatra tamin’ ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an’ i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin’ ny tanin’ i Heroda.
21 Ligono lya kusudibhu Herode afwalili maguanda gha kifalme ni kutama pa kiti kya muene kya kifalme, ni kubhahutubila.
Ary tamin’ ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ ny vahoaka.
22 Bhanu bhakapiga maghuegho, “Ejhe ndo sauti jha K'yara wala sio sauti jha mwanadamu.”
Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’ Andriamanitra izany, fa tsy an’ olona!
23 Mara ghafla Malaika akan'tobha kwa ndabha ampelililepi K'yara utukufu; alelibhu ni chango na afuili.
Ary niaraka tamin’ izay dia nisy anjelin’ ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’ Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ ny kankana izy ka maty.
24 Lakini lilobhi lya k'yara likakhola ni kusambala.
Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra.
25 Baada jha Barnaba ni Sauli kukamilisya huduma jha bhene bhakabhoka pala bhakakerebhuka Yerusalemu, bhakan'tola ni Yohana ambajhe lilina lya kuhogoleka ndo Marko
Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.