< ヨハネの黙示録 4 >

1 その後、私は見た。見よ。天に一つの開いた門があった。また、先にラッパのような声で私に呼びかけるのが聞こえたあの初めの声が言った。「ここに上れ。この後、必ず起こる事をあなたに示そう。」
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an’ ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
2 たちまち私は御霊に感じた。すると見よ。天に一つの御座があり、その御座に着いている方があり、
Ary niaraka tamin’ izay dia voatsindrin’ ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
3 その方は、碧玉や赤めのうのように見え、その御座の回りには、緑玉のように見える虹があった。
Ary ny tarehin’ ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin’ emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
4 また、御座の回りに二十四の座があった。これらの座には、白い衣を着て、金の冠を頭にかぶった二十四人の長老たちがすわっていた。
Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin’ ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena.
5 御座からいなずまと声と雷鳴が起こった。七つのともしびが御座の前で燃えていた。神の七つの御霊である。
Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin’ ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton’ Andriamanitra ireo.
6 御座の前は、水晶に似たガラスの海のようであった。御座の中央と御座の回りに、前もうしろも目で満ちた四つの生き物がいた。
Ary teo anoloan’ ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan’ aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
7 第一の生き物は、ししのようであり、第二の生き物は雄牛のようであり、第三の生き物は人間のような顔を持ち、第四の生き物は空飛ぶわしのようであった。
Ary ny zava-manan’ aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan’ aina faharoa dia tahaka ny zanak’ omby, ary ny zava-manan’ aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’ olona, ary ny zava-manan’ aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
8 この四つの生き物には、それぞれ六つの翼があり、その回りも内側も目で満ちていた。彼らは、昼も夜も絶え間なく叫び続けた。 「聖なるかな、聖なるかな、聖なるかな。神であられる主、万物の支配者、昔いまし、常にいまし、後に来られる方。」
Ary ny zava-manan’ aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’ alina izy manao hoe: Masìna, masìna, masìna ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
9 また、これらの生き物が、永遠に生きておられる、御座に着いている方に、栄光、誉れ、感謝をささげるとき、 (aiōn g165)
Ary raha ny zava-manan’ aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, (aiōn g165)
10 二十四人の長老は御座に着いている方の御前にひれ伏して、永遠に生きておられる方を拝み、自分の冠を御座の前に投げ出して言った。 (aiōn g165)
dia hiankohoka eo anoloan’ izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ ny seza fiandrianana ka hanao hoe: (aiōn g165)
11 「主よ。われらの神よ。あなたは、栄光と誉れと力とを受けるにふさわしい方です。あなたは万物を創造し、あなたのみこころゆえに、万物は存在し、また創造されたのですから。」
Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.

< ヨハネの黙示録 4 >