< ヨハネの福音書 20 >
1 さて、週の初めの日に、マグダラのマリヤは、朝早くまだ暗いうちに墓に来た。そして、墓から石が取りのけてあるのを見た。
Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ ny fasana.
2 それで、走って、シモン・ペテロと、イエスが愛された、もうひとりの弟子とのところに来て、言った。「だれかが墓から主を取って行きました。主をどこに置いたのか、私たちにはわかりません。」
Dia nihazakazaka nankany amin’ i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’ i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain’ olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
3 そこでペテロともうひとりの弟子は外に出て来て、墓のほうへ行った。
Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ ny fasana.
4 ふたりはいっしょに走ったが、もうひとりの弟子がペテロよりも速かったので、先に墓に着いた。
Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an’ i Petera ka tonga taloha tao amin’ ny fasana.
5 そして、からだをかがめてのぞき込み、亜麻布が置いてあるのを見たが、中にはいらなかった。
Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
6 シモン・ペテロも彼に続いて来て、墓にはいり、亜麻布が置いてあって、
Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
7 イエスの頭に巻かれていた布切れは、亜麻布といっしょにはなく、離れた所に巻かれたままになっているのを見た。
ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin’ ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
8 そのとき、先に墓に着いたもうひとりの弟子もはいって来た。そして、見て、信じた。
Ary tamin’ izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ ny fasana, ary nahita ka nino.
9 彼らは、イエスが死人の中からよみがえらなければならないという聖書を、まだ理解していなかったのである。
Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masìna fa tsy maintsy hitsangana amin’ ny maty Jesosy.
10 それで、弟子たちはまた自分のところに帰って行った。
Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
11 しかし、マリヤは外で墓のところにたたずんで泣いていた。そして、泣きながら、からだをかがめて墓の中をのぞき込んだ。
Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
12 すると、ふたりの御使いが、イエスのからだが置かれていた場所に、ひとりは頭のところに、ひとりは足のところに、白い衣をまとってすわっているのが見えた。
ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ ilay nandrian’ ny fatin’ i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
13 彼らは彼女に言った。「なぜ泣いているのですか。」彼女は言った。「だれかが私の主を取って行きました。どこに置いたのか、私にはわからないのです。」
Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
14 彼女はこう言ってから、うしろを振り向いた。すると、イエスが立っておられるのを見た。しかし、彼女にはイエスであることがわからなかった。
Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’ i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
15 イエスは彼女に言われた。「なぜ泣いているのですか。だれを捜しているのですか。」彼女は、それを園の管理人だと思って言った。「あなたが、あの方を運んだのでしたら、どこに置いたのか言ってください。そうすれば私が引き取ります。」
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
16 イエスは彼女に言われた。「マリヤ。」彼女は振り向いて、ヘブル語で、「ラボニ(すなわち、先生)。」とイエスに言った。
Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
17 イエスは彼女に言われた。「わたしにすがりついていてはいけません。わたしはまだ父のもとに上っていないからです。わたしの兄弟たちのところに行って、彼らに『わたしは、わたしの父またあなたがたの父、わたしの神またあなたがたの神のもとに上る。』と告げなさい。」
Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
18 マグダラのマリヤは、行って、「私は主にお目にかかりました。」と言い、また、主が彼女にこれらのことを話されたと弟子たちに告げた。
Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
19 その日、すなわち週の初めの日の夕方のことであった。弟子たちがいた所では、ユダヤ人を恐れて戸がしめてあったが、イエスが来られ、彼らの中に立って言われた。「平安があなたがたにあるように。」
Ary rehefa harivan’ ilay andro voalohany amin’ ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ izay niangonan’ ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
20 こう言ってイエスは、その手とわき腹を彼らに示された。弟子たちは、主を見て喜んだ。
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
21 イエスはもう一度、彼らに言われた。「平安があなたがたにあるように。父がわたしを遣わしたように、わたしもあなたがたを遣わします。」
Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 そして、こう言われると、彼らに息を吹きかけて言われた。「聖霊を受けなさい。
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masìna;
23 あなたがたがだれかの罪を赦すなら、その人の罪は赦され、あなたがたがだれかの罪をそのまま残すなら、それはそのまま残ります。」
na helok’ iza na helok’ iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’ iza na an’ iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
24 十二弟子のひとりで、デドモと呼ばれるトマスは、イエスが来られたときに、彼らといっしょにいなかった。
Fa Tomasy, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
25 それで、ほかの弟子たちが彼に「私たちは主を見た。」と言った。しかし、トマスは彼らに「私は、その手に釘の跡を見、私の指を釘のところに差し入れ、また私の手をそのわきに差し入れてみなければ、決して信じません。」と言った。
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
26 八日後に、弟子たちはまた室内におり、トマスも彼らといっしょにいた。戸が閉じられていたが、イエスが来て、彼らの中に立って「平安があなたがたにあるように。」と言われた。
Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
27 それからトマスに言われた。「あなたの指をここにつけて、わたしの手を見なさい。手を伸ばして、わたしのわきに差し入れなさい。信じない者にならないで、信じる者になりなさい。」
Ary hoy Izy tamin’ i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’ tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ ny lanivoako; ary aza ho isan’ izay tsy mino, fa minoa.
28 トマスは答えてイエスに言った。「私の主。私の神。」
Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
29 イエスは彼に言われた。「あなたはわたしを見たから信じたのですか。見ずに信じる者は幸いです。」
Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
30 この書には書かれていないが、まだほかの多くのしるしをも、イエスは弟子たちの前で行なわれた。
Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’ i Jesosy teo imason’ ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ ity boky ity;
31 しかし、これらのことが書かれたのは、イエスが神の子キリストであることを、あなたがたが信じるため、また、あなたがたが信じて、イエスの御名によっていのちを得るためである。
fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany, raha mino ianareo.