< コリント人への手紙第二 7 >

1 然れば我至愛なる者よ、我等此御約束を得て己を霊肉の凡ての穢より潔め、神を畏れ奉りて聖となる事を全うすべし。
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra, na amin’ ny nofo, na amin’ ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra.
2 第五項 前書簡に関して説明を與へコリント人との親睦を全うせんとす 我等を承容れよ、我等は誰をも害せず、誰をも傷はず、誰をも掠めし事なし。
Ataovy omby anay ny fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin’ ny olona izahay, tsy nanimba olona, tsy nanambaka olona.
3 我が斯の如く言ふは汝等を咎めんとには非ず、其は生死を倶にすべく汝等我等の心に在りとは我が既に言ひたる所なればなり。
Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika.
4 我汝等を信用する事大いにして、汝等を以て誇とする事大いなり。我等が一切の患難の中に於て、我は慰に満ち喜に堪へず。
Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin’ ny fahorianay rehetra.
5 蓋マケドニアに至りし時、我等の肉身は聊も安き事なく、一切の患難に遇ひ、外には争、内には懼ありき。
Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan’ ny nofonay, fa nampahorina tamin’ ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
6 然れど謙る人々を慰め給ふ神は、チトの來着に由りて我等を慰め給へり。
Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin’ ny nahatongavan’ i Titosy,
7 唯其來着に由りて耳ならず、尚彼が汝等の中に慰められし慰を以てせり。即ち汝等の我を慕ふ事、其歎、其熱心を我等に告げしかば、我喜は更に大いなりき。
ary tsy tamin’ ny nahatongavany ihany, fa tamin’ ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho.
8 蓋我書簡を以て汝等を悲ましめたれども、之を後悔せず、假令其書簡が暫しにても汝等を悲ましめしを見て後悔したる事ありとも、
Fa na dia nampalahelo anareo tamin’ ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany.
9 今は喜べり。是汝等の悲みし故に非ず、悲みて改心するに至りたる故なり。汝等の悲みしは神に順ひしものなれば、我等より何等の損害をも受けざるなり。
Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an’ Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin’ inona na amin’ inona.
10 蓋神に順ひての悲は、悔なき救霊に至るべき改心を生じ、世間の悲は死を生ず。
Fa ny alahelo araka an’ Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’ izao tontolo izao.
11 看よ汝等が神に順ひて悲みしは、如何ばかりの奮發、而も弁駁、而も憤激、而も恐怖、而も愛慕、而も熱心、而も罪を責むる事を汝等の中に生じたるかを。汝等は萬事の上に此件に就きて穢に染まざる事を顕せり。
Fa, indro, izany nampalahelovana araka an’ Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin’ izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’ izany raharaha izany ianareo.
12 然れば我が汝等に書遣りしは、害を為しし人の為に非ず、害を受けし人の為にも非ず、我等が汝等に對して神の御前に有てる奮發を顕さん為なり。
Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan’ Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay.
13 斯て我等は慰を得、慰を得たる上に尚チトの喜によりて一層喜べり。其は彼の精神、汝等一同に由りて安んぜられたればなり。
Ary noho izany dia nampiononina izahay, ary tamin’ ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian’ i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny.
14 我曾て彼の前に汝等を以て誇とせしも耻とする所なく、我等が汝等に語りし所の皆眞なりし如く、チトの前に誇りし事も亦眞となれり。
Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay tamin’ i Titosy ny aminareo.
15 彼は汝等一同の從順と恐慄きつつ己を歓迎したる態とを思出して、其腸の汝等に向へる事更に深し、
Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben’ ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.
16 我萬事につけて汝等を信用するを喜ぶ。
Ary faly aho fa matoky anareo amin’ ny zavatra rehetra.

< コリント人への手紙第二 7 >