< 詩篇 54 >
1 聖歌隊の指揮者によって琴をもってうたわせたダビデのマスキールの歌。これはジフびとがサウルにきて、「ダビデはわれらのうちに隠れている」と言った時によんだもの 神よ、み名によってわたしを救い、み力によってわたしをさばいてください。
Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
2 神よ、わたしの祈をきき、わが口の言葉に耳を傾けてください。
Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin’ ny vavako.
3 高ぶる者がわたしに逆らって起り、あらぶる者がわたしのいのちを求めています。彼らは神をおのが前に置くことをしません。 (セラ)
Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. (Sela)
4 見よ、神はわが助けぬし、主はわがいのちを守られるかたです。
Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
5 神はわたしのあだに災をもって報いられるでしょう。あなたのまことをもって彼らを滅ぼしてください。
Hamaly ny ratsy ataon’ ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
6 わたしは喜んであなたにいけにえをささげます。主よ、わたしはみ名に感謝します。これはよい事だからです。
Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.
7 あなたはすべての悩みからわたしを救い、わたしの目に敵の敗北を見させられたからです。
Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ ny fahavaloko.