< 詩篇 112 >

1 主をほめたたえよ。主をおそれて、そのもろもろの戒めを大いに喜ぶ人はさいわいである。
Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
2 その子孫は地において強くなり、正しい者のやからは祝福を得る。
Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
3 繁栄と富とはその家にあり、その義はとこしえに、うせることはない。
Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
4 光は正しい者のために暗黒の中にもあらわれる。主は恵み深く、あわれみに満ち、正しくいらせられる。
Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
5 恵みを施し、貸すことをなし、その事を正しく行う人はさいわいである。
Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
6 正しい人は決して動かされることなく、とこしえに覚えられる。
Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
7 彼は悪いおとずれを恐れず、その心は主に信頼してゆるがない。
Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony.
8 その心は落ち着いて恐れることなく、ついにそのあだについての願いを見る。
Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy.
9 彼は惜しげなく施し、貧しい者に与えた。その義はとこしえに、うせることはない。その角は誉を得てあげられる。
Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
10 悪しき者はこれを見て怒り、歯をかみならして溶け去る。悪しき者の願いは滅びる。
Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.

< 詩篇 112 >