< ルカの福音書 16 >

1 イエスはまた、弟子たちに言われた、「ある金持のところにひとりの家令がいたが、彼は主人の財産を浪費していると、告げ口をする者があった。
Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany.
2 そこで主人は彼を呼んで言った、『あなたについて聞いていることがあるが、あれはどうなのか。あなたの会計報告を出しなさい。もう家令をさせて置くわけにはいかないから』。
Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin’ ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.
3 この家令は心の中で思った、『どうしようか。主人がわたしの職を取り上げようとしている。土を掘るには力がないし、物ごいするのは恥ずかしい。
Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin’ ny tompoko amin’ ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
4 そうだ、わかった。こうしておけば、職をやめさせられる場合、人々がわたしをその家に迎えてくれるだろう』。
Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ ny fitandremana ny fananana aho.
5 それから彼は、主人の負債者をひとりびとり呼び出して、初めの人に、『あなたは、わたしの主人にどれだけ負債がありますか』と尋ねた。
Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin’ ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan’ ny tompoko aminao?
6 『油百樽です』と答えた。そこで家令が言った、『ここにあなたの証書がある。すぐそこにすわって、五十樽と書き変えなさい』。
Ary hoy io: Diloilo injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty.
7 次に、もうひとりに、『あなたの負債はどれだけですか』と尋ねると、『麦百石です』と答えた。これに対して、『ここに、あなたの証書があるが、八十石と書き変えなさい』と言った。
Dia hoy izy tamin’ ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.
8 ところが主人は、この不正な家令の利口なやり方をほめた。この世の子らはその時代に対しては、光の子らよりも利口である。 (aiōn g165)
Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava. (aiōn g165)
9 またあなたがたに言うが、不正の富を用いてでも、自分のために友だちをつくるがよい。そうすれば、富が無くなった場合、あなたがたを永遠のすまいに迎えてくれるであろう。 (aiōnios g166)
Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. (aiōnios g166)
10 小事に忠実な人は、大事にも忠実である。そして、小事に不忠実な人は大事にも不忠実である。
Ary izay mahatoky amin’ ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ ny be; ary izay tsy marina amin’ ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ ny be.
11 だから、もしあなたがたが不正の富について忠実でなかったら、だれが真の富を任せるだろうか。
Koa raha tsy mahatoky amin’ ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ ny tena harena?
12 また、もしほかの人のものについて忠実でなかったら、だれがあなたがたのものを与えてくれようか。
Ary raha tsy mahatoky amin’ izay an’ olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
13 どの僕でも、ふたりの主人に兼ね仕えることはできない。一方を憎んで他方を愛し、あるいは、一方に親しんで他方をうとんじるからである。あなたがたは、神と富とに兼ね仕えることはできない」。
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna ianareo.
14 欲の深いパリサイ人たちが、すべてこれらの言葉を聞いて、イエスをあざ笑った。
Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy.
15 そこで彼らにむかって言われた、「あなたがたは、人々の前で自分を正しいとする人たちである。しかし、神はあなたがたの心をご存じである。人々の間で尊ばれるものは、神のみまえでは忌みきらわれる。
Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra.
16 律法と預言者とはヨハネの時までのものである。それ以来、神の国が宣べ伝えられ、人々は皆これに突入している。
Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’ i Jaona; ary hatramin’ izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.
17 しかし、律法の一画が落ちるよりは、天地の滅びる方が、もっとたやすい。
Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ ny lalàna.
18 すべて自分の妻を出して他の女をめとる者は、姦淫を行うものであり、また、夫から出された女をめとる者も、姦淫を行うものである。
Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
19 ある金持がいた。彼は紫の衣や細布を着て、毎日ぜいたくに遊び暮していた。
Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan’ andro tamin’ ny fahafinaretana.
20 ところが、ラザロという貧乏人が全身でき物でおおわれて、この金持の玄関の前にすわり、
Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ ny vavahadiny;
21 その食卓から落ちるもので飢えをしのごうと望んでいた。その上、犬がきて彼のでき物をなめていた。
ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ ny latabatr’ ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
22 この貧乏人がついに死に、御使たちに連れられてアブラハムのふところに送られた。金持も死んで葬られた。
Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ ny anjely ho any an-tratran’ i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
23 そして黄泉にいて苦しみながら、目をあげると、アブラハムとそのふところにいるラザロとが、はるかに見えた。 (Hadēs g86)
ary raha nijaly tao amin’ ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’ i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. (Hadēs g86)
24 そこで声をあげて言った、『父、アブラハムよ、わたしをあわれんでください。ラザロをおつかわしになって、その指先を水でぬらし、わたしの舌を冷やさせてください。わたしはこの火炎の中で苦しみもだえています』。
Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity.
25 アブラハムが言った、『子よ、思い出すがよい。あなたは生前よいものを受け、ラザロの方は悪いものを受けた。しかし今ここでは、彼は慰められ、あなたは苦しみもだえている。
Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana.
26 そればかりか、わたしたちとあなたがたとの間には大きな淵がおいてあって、こちらからあなたがたの方へ渡ろうと思ってもできないし、そちらからわたしたちの方へ越えて来ることもできない』。
Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
27 そこで金持が言った、『父よ、ではお願いします。わたしの父の家へラザロをつかわしてください。
Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin’ ny tranon’ ny raiko
28 わたしに五人の兄弟がいますので、こんな苦しい所へ来ることがないように、彼らに警告していただきたいのです』。
(fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin’ ity fijaliana ity koa izy.
29 アブラハムは言った、『彼らにはモーセと預言者とがある。それに聞くがよかろう』。
Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
30 金持が言った、『いえいえ、父アブラハムよ、もし死人の中からだれかが兄弟たちのところへ行ってくれましたら、彼らは悔い改めるでしょう』。
Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin’ ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
31 アブラハムは言った、『もし彼らがモーセと預言者とに耳を傾けないなら、死人の中からよみがえってくる者があっても、彼らはその勧めを聞き入れはしないであろう』」。
Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ ny maty aza.

< ルカの福音書 16 >