< レビ記 17 >
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 「アロンとその子たち、およびイスラエルのすべての人々に言いなさい、『主が命じられることはこれである。すなわち
Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’ Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian’ i Jehovah:
3 イスラエルの家のだれでも、牛、羊あるいは、やぎを宿営の内でほふり、または宿営の外でほふり、
Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely no mamono omby, na zanak’ ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan’ ny toby,
4 それを会見の幕屋の入口に携えてきて主の幕屋の前で、供え物として主にささげないならば、その人は血を流した者とみなされる。彼は血を流したゆえ、その民のうちから断たれるであろう。
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy,
5 これはイスラエルの人々に、彼らが野のおもてでほふるのを常としていた犠牲を主のもとにひいてこさせ、会見の幕屋の入口におる祭司のもとにきて、これを主にささげる酬恩祭の犠牲としてほふらせるためである。
mba ho entin’ ny Zanak’ isiraely ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ho amin’ ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah izany.
6 祭司はその血を会見の幕屋の入口にある主の祭壇に注ぎかけ、またその脂肪を焼いて香ばしいかおりとし、主にささげなければならない。
Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin’ ny alitaran’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
7 彼らが慕って姦淫をおこなったみだらな神に、再び犠牲をささげてはならない。これは彼らが代々ながく守るべき定めである』。
Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an’ ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranany fara mandimby izany.
8 あなたはまた彼らに言いなさい、『イスラエルの家の者、またはあなたがたのうちに宿る寄留者のだれでも、燔祭あるいは犠牲をささげるのに、
Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
9 これを会見の幕屋の入口に携えてきて、主にささげないならば、その人は、その民のうちから断たれるであろう。
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
10 イスラエルの家の者、またはあなたがたのうちに宿る寄留者のだれでも、血を食べるならば、わたしはその血を食べる人に敵して、わたしの顔を向け、これをその民のうちから断つであろう。
Ary na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy.
11 肉の命は血にあるからである。あなたがたの魂のために祭壇の上で、あがないをするため、わたしはこれをあなたがたに与えた。血は命であるゆえに、あがなうことができるからである。
Fa ny ain’ ny nofo dia amin’ ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ ny alitara hanao fanavotana ho an’ ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
12 このゆえに、わたしはイスラエルの人々に言った。あなたがたのうち、だれも血を食べてはならない。またあなたがたのうちに宿る寄留者も血を食べてはならない。
Koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo.
13 イスラエルの人々のうち、またあなたがたのうちに宿る寄留者のうち、だれでも、食べてもよい獣あるいは鳥を狩り獲た者は、その血を注ぎ出し、土でこれをおおわなければならない。
Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin’ ny tany ny ràny ka hototofany;
14 すべて肉の命は、その血と一つだからである。それで、わたしはイスラエルの人々に言った。あなたがたは、どんな肉の血も食べてはならない。すべて肉の命はその血だからである。すべて血を食べる者は断たれるであろう。
fa ny amin’ ny amin’ ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran’ ny nofo; fa ny ràny no ain’ ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
15 自然に死んだもの、または裂き殺されたものを食べる人は、国に生れた者であれ、寄留者であれ、その衣服を洗い、水に身をすすがなければならない。彼は夕まで汚れているが、その後、清くなるであろう。
Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy, vao hadio.
16 もし、洗わず、また身をすすがないならば、彼はその罪を負わなければならない』」。
Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.