< サムエル記Ⅱ 15 >
1 この後、アブサロムは自分のために戦車と馬、および自分の前に駆ける者五十人を備えた。
Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
2 アブサロムは早く起きて門の道のかたわらに立つのを常とした。人が訴えがあって王に裁判を求めに来ると、アブサロムはその人を呼んで言った、「あなたはどの町の者ですか」。その人が「しもべはイスラエルのこれこれの部族のものです」と言うと、
Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan’ ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin’ ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin’ i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin’ ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin’ ny firenen’ Isiraely ny mpanomponao.
3 アブサロムはその人に言った、「見よ、あなたの要求は良く、また正しい。しかしあなたのことを聞くべき人は王がまだ立てていない」。
Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin’ ny mpanjaka hihaino anao.
4 アブサロムはまた言った、「ああ、わたしがこの地のさばきびとであったならばよいのに。そうすれば訴え、または申立てのあるものは、皆わたしの所にきて、わたしはこれに公平なさばきを行うことができるのだが」。
Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin’ ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
5 そして人が彼に敬礼しようとして近づくと、彼は手を伸べ、その人を抱きかかえて口づけした。
Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.
6 アブサロムは王にさばきを求めて来るすべてのイスラエルびとにこのようにした。こうしてアブサロムはイスラエルの人々の心を自分のものとした。
Ary toy izany no nataon’ i Absaloma tamin’ ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin’ i Absaloma ho azy ny fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
7 そして四年の終りに、アブサロムは王に言った、「どうぞわたしを行かせ、ヘブロンで、かつて主に立てた誓いを果させてください。
Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin’ i Jehovah.
8 それは、しもべがスリヤのゲシュルにいた時、誓いを立てて、『もし主がほんとうにわたしをエルサレムに連れ帰ってくださるならば、わたしは主に礼拝をささげます』と言ったからです」。
Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin’ i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an’ i Jehovah.
9 王が彼に、「安らかに行きなさい」と言ったので、彼は立ってヘブロンへ行った。
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
10 そしてアブサロムは密使をイスラエルのすべての部族のうちにつかわして言った、「ラッパの響きを聞くならば、『アブサロムがヘブロンで王となった』と言いなさい」。
Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon’ ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
11 二百人の招かれた者がエルサレムからアブサロムと共に行った。彼らは何心なく行き、何事をも知らなかった。
Ary nisy roan-jato lahy izay nasain’ i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin’ ny fahatsoran’ ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
12 アブサロムは犠牲をささげている間に人をつかわして、ダビデの議官ギロびとアヒトペルを、その町ギロから呼び寄せた。徒党は強く、民はしだいにアブサロムに加わった。
Ary Absaloma naniraka naka an’ i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an’ i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an’ i Absaloma.
13 ひとりの使者がダビデのところにきて、「イスラエルの人々の心はアブサロムに従いました」と言った。
Ary nisy olona tonga tao amin’ i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an’ i Absaloma fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
14 ダビデは、自分と一緒にエルサレムにいるすべての家来に言った、「立て、われわれは逃げよう。そうしなければアブサロムの前からのがれることはできなくなるであろう。急いで行くがよい。さもないと、彼らが急ぎ追いついて、われわれに害をこうむらせ、つるぎをもって町を撃つであろう」。
Ary hoy Davida tamin’ ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’ i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna.
15 王のしもべたちは王に言った、「しもべたちは、わが主君、王の選ばれる所をすべて行います」。
Ary hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.
16 こうして王は出て行き、その全家は彼に従った。王は十人のめかけを残して家を守らせた。
Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin’ ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin’ ny vaditsindranony hiandry trano.
17 王は出て行き、民はみな彼に従った。彼らは町はずれの家にとどまった。
Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
18 彼のしもべたちは皆、彼のかたわらを進み、すべてのケレテびとと、すべてのペレテびと、および彼に従ってガテからきた六百人のガテびとは皆、王の前に進んだ。
Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ ny mpanjaka.
19 時に王はガテびとイッタイに言った、「どうしてあなたもまた、われわれと共に行くのですか。あなたは帰って王と共にいなさい。あなたは外国人で、また自分の国から追放された者だからです。
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin’ ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin’ ny fonenanao.
20 あなたは、きのう来たばかりです。わたしは自分の行く所を知らずに行くのに、どうしてきょう、あなたを、われわれと共にさまよわせてよいでしょう。あなたは帰りなさい。あなたの兄弟たちも連れて帰りなさい。どうぞ主が恵みと真実をあなたに示してくださるように」。
Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin’ izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
21 しかしイッタイは王に答えた、「主は生きておられる。わが君、王は生きておられる。わが君、王のおられる所に、死ぬも生きるも、しもべもまたそこにおります」。
Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran’ ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran’ ny mpanomponao.
22 ダビデはイッタイに言った、「では進んで行きなさい」。そこでガテびとイッタイは進み、また彼のすべての従者および彼と共にいた子どもたちも皆、進んだ。
Ary hoy Davida tamin’ Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin’ ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
23 国中みな大声で泣いた。民はみな進んだ。王もまたキデロンの谷を渡って進み、民は皆進んで荒野の方に向かった。
Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
24 そしてアビヤタルも上ってきた。見よ、ザドクおよび彼と共にいるすべてのレビびともまた、神の契約の箱をかいてきた。彼らは神の箱をおろして、民がことごとく町を出てしまうのを待った。
Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran’ Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
25 そこで王はザドクに言った、「神の箱を町にかきもどすがよい。もしわたしが主の前に恵みを得るならば、主はわたしを連れ帰って、わたしにその箱とそのすまいとを見させてくださるであろう。
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’ Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’ i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
26 しかしもし主が、『わたしはおまえを喜ばない』とそう言われるのであれば、どうぞ主が良しと思われることをわたしにしてくださるように。わたしはここにおります」。
Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.
27 王はまた祭司ザドクに言った、「見よ、あなたもアビヤタルも、ふたりの子たち、すなわちあなたの子アヒマアズとアビヤタルの子ヨナタンを連れて、安らかに町に帰りなさい。
Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin’ ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak’ i Abiatara.
28 わたしはあなたがたから言葉があって知らせをうけるまで、荒野の渡し場にとどまります」。
Indro, izaho hijanonjanona eny amin’ ny fitàna any amin’ ny efitra mandra-pahatongan’ izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.
29 そこでザドクとアビヤタルは神の箱をエルサレムにかきもどり、そこにとどまった。
Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran’ Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.
30 ダビデはオリブ山の坂道を登ったが、登る時に泣き、その頭をおおい、はだしで行った。彼と共にいる民もみな頭をおおって登り、泣きながら登った。
Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
31 時に、「アヒトペルがアブサロムと共謀した者のうちにいる」とダビデに告げる人があったのでダビデは言った、「主よ、どうぞアヒトペルの計略を愚かなものにしてください」。
Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan’ ny mpiray tetika amin’ i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
32 ダビデが山の頂にある神を礼拝する場所にきた時、見よ、アルキびとホシャイはその上着を裂き、頭に土をかぶり、来てダビデを迎えた。
Ary nony tonga teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, dia teo amin’ izay fivavahan’ ny olona tamin’ Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
33 ダビデは彼に言った、「もしあなたがわたしと共に進むならば、わたしの重荷となるであろう。
ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;
34 しかしもしあなたが町に帰ってアブサロムに向かい、『王よ、わたしはあなたのしもべとなります。わたしがこれまで、あなたの父のしもべであったように、わたしは今あなたのしもべとなります』と言うならば、あなたはわたしのためにアヒトペルの計略を破ることができるであろう。
fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin’ i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon’ ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
35 祭司たち、ザドクとアビヤタルとは、あなたと共にあそこにいるではないか。それゆえ、あなたは王の家から聞くことをことごとく祭司たち、ザドクとアビヤタルとに告げなさい。
Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia ambarao amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona.
36 あそこには彼らと共にそのふたりの子たち、すなわちザドクの子アヒマアズとアビヤタルの子ヨナタンとがいる。あなたがたは聞いたことをことごとく彼らの手によってわたしに通報しなさい」。
Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak’ i Zadoka, sy Jonatana, zanak’ i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.
37 そこでダビデの友ホシャイは町にはいった。その時アブサロムはすでにエルサレムにはいっていた。
Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan’ i Davida, tamin’ ny nahatongavan’ i Absaloma tany Jerosalema.