< コリント人への手紙第二 1 >

1 神の御旨によりキリスト・イエスの使徒となったパウロと、兄弟テモテとから、コリントにある神の教会、ならびにアカヤ全土にいるすべての聖徒たちへ。
Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra izay any Korinto mbamin’ ny olona masìna rehetra eran’ i Akaia:
2 わたしたちの父なる神と主イエス・キリストから、恵みと平安とが、あなたがたにあるように。
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3 ほむべきかな、わたしたちの主イエス・キリストの父なる神、あわれみ深き父、慰めに満ちたる神。
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
4 神は、いかなる患難の中にいる時でもわたしたちを慰めて下さり、また、わたしたち自身も、神に慰めていただくその慰めをもって、あらゆる患難の中にある人々を慰めることができるようにして下さるのである。
Izay mampionona anay amin’ ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin’ ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra anay.
5 それは、キリストの苦難がわたしたちに満ちあふれているように、わたしたちの受ける慰めもまた、キリストによって満ちあふれているからである。
Fa araka ny haben’ ny fijalian’ i Kristy mihatra aminay no haben’ ny fampiononana anay kosa amin’ ny alalan’ i Kristy.
6 わたしたちが患難に会うなら、それはあなたがたの慰めと救とのためであり、慰めを受けるなら、それはあなたがたの慰めのためであって、その慰めは、わたしたちが受けているのと同じ苦難に耐えさせる力となるのである。
Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin’ ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’ izay entinay.
7 だから、あなたがたに対していだいているわたしたちの望みは、動くことがない。あなたがたが、わたしたちと共に苦難にあずかっているように、慰めにも共にあずかっていることを知っているからである。
Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
8 兄弟たちよ。わたしたちがアジヤで会った患難を、知らずにいてもらいたくない。わたしたちは極度に、耐えられないほど圧迫されて、生きる望みをさえ失ってしまい、
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
9 心のうちで死を覚悟し、自分自身を頼みとしないで、死人をよみがえらせて下さる神を頼みとするに至った。
eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin’ ny tenanay, fa amin’ Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
10 神はこのような死の危険から、わたしたちを救い出して下さった、また救い出して下さるであろう。わたしたちは、神が今後も救い出して下さることを望んでいる。
Ary Izy no nahafaka anay tamin’ izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
11 そして、あなたがたもまた祈をもって、ともどもに、わたしたちを助けてくれるであろう。これは多くの人々の願いによりわたしたちに賜わった恵みについて、多くの人が感謝をささげるようになるためである。
satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ ny fivavahanareo mba hisaoran’ ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ ny nataon’ ny maro.
12 さて、わたしたちがこの世で、ことにあなたがたに対し、人間の知恵によってではなく神の恵みによって、神の神聖と真実とによって行動してきたことは、実にわたしたちの誇であって、良心のあかしするところである。
Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’ Andriamanitra, tsy tamin’ ny fahendren’ ny nofo, fa tamin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’ izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
13 わたしたちが書いていることは、あなたがたが読んで理解できないことではない。それを完全に理解してくれるように、わたしは希望する。
Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin’ ny farany aza,
14 すでにある程度わたしたちを理解してくれているとおり、わたしたちの主イエスの日には、あなたがたがわたしたちの誇であるように、わたしたちもあなたがたの誇なのである。
toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin’ ny andron’ i Jesosy Tompontsika.
15 この確信をもって、わたしたちはもう一度恵みを得させたいので、まずあなたがたの所に行き、
Ary tamin’ izao fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany),
16 それからそちらを通ってマケドニヤにおもむき、そして再びマケドニヤからあなたがたの所に帰り、あなたがたの見送りを受けてユダヤに行く計画を立てたのである。
ary hankany Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
17 この計画を立てたのは、軽率なことであったであろうか。それとも、自分の計画を肉の思いによって計画したため、わたしの「しかり、しかり」が同時に「否、否」であったのだろうか。
Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
18 神の真実にかけて言うが、あなたがたに対するわたしの言葉は、「しかり」と同時に「否」というようなものではない。
Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;
19 なぜなら、わたしたち、すなわち、わたしとシルワノとテモテとが、あなたがたに宣べ伝えた神の子キリスト・イエスは、「しかり」となると同時に「否」となったのではない。そうではなく、「しかり」がイエスにおいて実現されたのである。
fa ny Zanak’ Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
20 なぜなら、神の約束はことごとく、彼において「しかり」となったからである。だから、わたしたちは、彼によって「アァメン」と唱えて、神に栄光を帰するのである。
Fa na firy na firy ny teny fikasan’ Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin’ ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’ Andriamanitra amin’ ny ataonay.
21 あなたがたと共にわたしたちを、キリストのうちに堅くささえ、油をそそいで下さったのは、神である。
Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin’ i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,
22 神はまた、わたしたちに証印をおし、その保証として、わたしたちの心に御霊を賜わったのである。
Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
23 わたしは自分の魂をかけ、神を証人に呼び求めて言うが、わたしがコリントに行かないでいるのは、あなたがたに対して寛大でありたいためである。
Ary izaho miantso an’ Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
24 わたしたちは、あなたがたの信仰を支配する者ではなく、あなたがたの喜びのために共に働いている者にすぎない。あなたがたは、信仰に堅く立っているからである。
Kanefa tsy mihambo ho tompon’ ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.

< コリント人への手紙第二 1 >