< 歴代誌Ⅱ 9 >

1 シバの女王はソロモンの名声を聞いたので、難問をもってソロモンを試みようと、非常に多くの従者を連れ、香料と非常にたくさんの金と宝石とをらくだに負わせて、エルサレムのソロモンのもとに来て、その心にあることをことごとく彼に告げた。
Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan’ i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin’ i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin’ izay rehetra tao am-pony.
2 ソロモンは彼女のすべての問に答えた。ソロモンが知らないで彼女に説明のできないことは一つもなかった。
Ary voavalin’ i Solomona izy tamin’ izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ i Solomona, fa nambarany azy avokoa.
3 シバの女王はソロモンの知恵と、彼が建てた家を見、
Ary rehefa hitan’ ilay mpanjakavavin’ i Sheba ny fahendren’ i Solomona sy ny trano izay nataony
4 またその食卓の食物と、列座の家来たちと、その侍臣たちの伺候振りと彼らの服装、および彼の給仕たちとその服装、ならびに彼が主の宮でささげる燔祭を見て、全く気を奪われてしまった。
sy ny hanim-pihinany teo amin’ ny latabany, sy ny fipetrahan’ ny tandapany sy ny fitoeran’ ny mpanompony mbamin’ ny fitafian’ ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian’ ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
5 彼女は王に言った、「わたしが国であなたの事と、あなたの知恵について聞いたうわさは真実でした。
Dia hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin’ ny taniko ny amin’ ny teninao sy ny fahendrenao.
6 しかしわたしは来て目に見るまでは、そのうわさを信じませんでしたが、今見ると、あなたの知恵の大いなることはその半分もわたしに知らされませんでした。あなたはわたしの聞いたうわさにまさっています。
Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
7 あなたの奥方たちはさいわいです。常にあなたの前に立って、あなたの知恵を聞くこのあなたの家来たちはさいわいです。
Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
8 あなたの神、主はほむべきかな。主はあなたを喜び、あなたをその位につかせ、あなたの神、主のために王とされました。あなたの神はイスラエルを愛して、とこしえにこれを堅くするために、あなたをその王とされ、公道と正義を行われるのです」。
Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’ Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
9 そして彼女は金百二十タラント、および非常に多くの香料と宝石とを王に贈った。シバの女王がソロモンに贈ったような香料は、いまだかつてなかった。
Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen’ ny mpanjakavavin’ i Sheba an’ i Solomona mpanjaka.
10 オフルから金を携えて来たヒラムのしもべたちとソロモンのしもべたちはまた、びゃくだんの木と宝石をも携えて来た。
Ary ny mpanompon’ i Hirama koa sy ny mpanompon’ i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.
11 王はそのびゃくだんの木で、主の宮と王の家とに階段を造り、また歌うたう者のために琴と立琴を造った。このようなものはかつてユダの地で見たことがなかった。
Ary ny hazo almoga dia nataon’ ny mpanjaka ambaratonga mankamin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an’ ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin’ ny tanin’ ny Joda.
12 ソロモン王は、シバの女王が贈った物に報いたほかに、彼女の望みにまかせて、すべてその求めるものを贈った。そして彼女はその家来たちと共に自分の国へ帰って行った。
Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin’ i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin’ ny nentiny ho an’ ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ ny taniny izy mbamin’ ny mpanompony.
13 さて一年の間にソロモンの所にはいって来た金の目方は六百六十六タラントであった。
Ary ny lanjan’ ny volamena izay tonga tao amin’ i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
14 このほかに貿易商および商人の携えて来たものがあった。またアラビヤのすべての王たちおよび国の代官たちも金銀をソロモンに携えてきた。
afa-tsy izay nentin’ ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan’ i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an’ i Solomona.
15 ソロモン王は延金の大盾二百を造った。その大盾にはおのおの六百シケルの延金を用いた。
Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin’ ny ampinga lehibe iray.
16 また延金の小盾三百を造った。小盾にはおのおの三百シケルの金を用いた。王はこれらをレバノンの森の家に置いた。
Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin’ ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona lreo.
17 王はまた大きな象牙の玉座を造り、純金でこれをおおった。
Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.
18 その玉座には六つの段があり、また金の足台があって共に玉座につらなり、その座する所の両方に、ひじかけがあって、ひじかけのわきに二つのししが立っていた。
Nisy ambaratonga enina amin’ ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin’ ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ ny fitehenan-tanana;
19 また十二のししが六つの段のおのおのの両側に立っていた。このような物はどこの国でも造られたことがなかった。
ary nisy sarin-diona roa ambin’ ny folo teo an-daniny roa teo amin’ ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin’ ny fanjakana rehetra.
20 ソロモン王が飲むときに用いた器はみな金であった。またレバノンの森の家の器もみな純金であって、銀はソロモンの世には尊ばれなかった。
Ary ny fisotroan’ i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin’ ny andron’ i Solomona.
21 これは王の船がヒラムのしもべたちを乗せてタルシシへ行き、三年ごとに一度、そのタルシシの船が金、銀、象牙、さる、くじゃくを載せて来たからである。
Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin’ ny mpanompon’ i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian’ ny sambon’ i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
22 このようにソロモン王は富と知恵において、地のすべての王にまさっていたので、
Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany.
23 地のすべての王は神がソロモンの心に授けられた知恵を聞こうとしてソロモンに謁見を求めた。
Ary ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany nitady hahita ny tavan’ i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon’ Andriamanitra tao am-pony.
24 人々はおのおの贈り物を携えてきた。すなわち銀の器、金の器、衣服、没薬、香料、馬、騾馬など年々定まっていた。
Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
25 ソロモンは馬と戦車のために馬屋四千と騎兵一万二千を持ち、これを戦車の町に置き、またエルサレムの王のもとに置いた。
Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran’ ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin’ ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
26 彼はユフラテ川からペリシテびとの地と、エジプトの境に至るまでのすべての王を治めた。
Ary nanjaka tamin’ ny mpanjaka rehetra hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny tanin’ ny Filistina ary hatramin’ ny sisin’ i Egypta izy.
27 王はまた銀を石のようにエルサレムに多くし、香柏を平野のいちじく桑のように多くした。
Ary nataon’ ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
28 また人々はエジプトおよび諸国から馬をソロモンのために輸入した。
Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin’ ny tany rehetra koa Solomona.
29 ソロモンのそのほかの始終の行為は、預言者ナタンの書と、シロびとアヒヤの預言と、先見者イドがネバテの子ヤラベアムについて述べた黙示のなかに、しるされているではないか。
Ary ny tantaran’ i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra va izany ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany sy amin’ ny faminanian’ i Ahia Silonita sy amin’ ny fahitan’ Ido mpahita ny amin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata?
30 ソロモンはエルサレムで四十年の間イスラエルの全地を治めた。
Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin’ ny Isiraely rehetra tany Jerosalema.
31 ソロモンはその先祖たちと共に眠って、父ダビデの町に葬られ、その子レハベアムが代って王となった。
Ary Solomona lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.

< 歴代誌Ⅱ 9 >