< 歴代誌Ⅱ 27 >
1 ヨタムは王となった時二十五歳で、十六年の間エルサレムで世を治めた。その母はザドクの娘で名をエルシャといった。
Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.
2 ヨタムはその父ウジヤがしたように主の良しと見られることをした。しかし主の宮には、はいらなかった。民はなお悪を行った。
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay nataon’ i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
3 彼は主の宮の上の門を建て、オペルの石がきを多く築き増し、
Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ ny mandan’ i Ofela koa.
4 またユダの山地に数個の町を建て、林の間に城とやぐらを築いた。
Ary nanao tanàna teny amin’ ny tany havoan’ i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an’ ala koa izy.
5 彼はアンモンびとの王と戦ってこれに勝った。その年アンモンの人々は銀百タラント、小麦一万コル、大麦一万コルを彼に贈った。アンモンの人々は第二年にも第三年にも同じように彼に納めた。
Ary niady tamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’ izany taona izany ny taranak’ i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan’ ny taranak’ i Amona ho azy tamin’ ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
6 ヨタムはその神、主の前にその行いを堅くしたので力ある者となった。
Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
7 ヨタムのその他の行為、そのすべての戦いおよびその行いなどは、イスラエルとユダの列王の書にしるされている。
Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany.
8 彼は王となった時、二十五歳で、十六年の間エルサレムで世を治めた。
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
9 ヨタムはその先祖と共に眠ったので、ダビデの町に葬られ、その子アハズが彼に代って王となった。
Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan’ i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.