< ゼパニヤ書 2 >
Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra,
2 夫日は糠粃の如く過ぎさる 然ば詔言のいまだ行はれざる先ヱホバの烈き怒のいまだ汝等に臨まざる先ヱホバの忿怒の日のいまだ汝等にきたらざるさきに自ら省みるべし
Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’ i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
3 すべてヱホバの律法を行ふ斯地の遜るものよ 汝等ヱホバを求め公義を求め謙遜を求めよ 然すれば汝等ヱホバの忿怒の日に或は匿さるることあらん
Mitadiava an’ i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin’ ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah.
4 夫ガザは棄られアシケロンは荒はてアシドドは白晝に逐はらはれエクロンは抜さらるべし
Fa hafoy Gaza, Ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.
5 海邊に住る者およびケレテの國民は禍なるかな ベリシテ人の國カナンよ ヱホバの言なんぢらを攻む 我なんぢを滅して住者なきに至らしむべし
Lozan’ ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen’ ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’ i Jehovah, Ry Kanana, tanin’ ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,
6 海邊は必ず牧塲となり牧者の洞および羊の牢そこに在ん
Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan’ ny mpiandry ondry, Sy ho valan’ ondry aman’ osy,
7 此地はユダの家の殘餘れる者に歸せん 彼ら其處にて草飼ひ暮に至ればアシケロンの家に臥ん そは彼らの神ヱホバかれらを顧みその俘囚を歸したまふべければなり
Ary ho tanin’ ny sisa amin’ ny taranak’ i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon’ i Askelona no handriany amin’ ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin’ ny fahababoany.
8 我すでにモアブの嘲弄とアンモンの子孫の罵言を聞けり 彼らはわが民を嘲り自ら誇りて之が境界を侵せしなり
Efa reko ny fandatsan’ i Moaba Sy ny fanaratsian’ ny taranak’ i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin’ ny sisin-taniny.
9 是故に萬軍のヱホバ、イスラエルの神 言たまふ 我は活く 必ずモアブはソドムのごとくになりアンモンの子孫はゴモラのごとくにならん 是は共に蕁麻の蔓延る處となり鹽坑の地となりて長久に荒はつべし 我民の遺れる者かれらを掠めわが國民の餘されたる者かれらを獲ん
Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an’ i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak’ i Amona ho tahaka an’ i Gomora, Dia ho alan’ amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin’ ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin’ ny oloko no hahalasa azy.
10 この事の彼らに臨むはその傲慢による 即ち彼ら萬軍のヱホバの民を嘲りて自ら誇りたればなり
Izany no ho valin’ ny avonavony, Satria nandatsa ny olon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy nirehareha taminy izy.
11 ヱホバは彼等に對ひては畏ろしくましまし地の諸の神や饑し滅したまふなり 諸の國の民おのおのその處より出てヱホバを拜まん
Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin’ ny tany Izy, Mba hiankohofan’ ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan’ i Jehovah, Samy any amin’ ny fitoerany avy.
12 エテオピア人よ汝等もまたわが劍にかかりて殺さる
Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo.
13 ヱホバ北に手を伸てアッスリヤを滅したまはん 亦ニネベを荒して荒野のごとき旱地となしたまはん
Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an’ i Asyria; Ary hahalao an’ i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.
14 而して畜の群もろもろの類の生物その中に伏し鸅鸕および刺猬其柱の頂に住み囀る者の聲窓の内にきこえ荒落たる物閾の上に積り香柏の板の細工露顯になるべし
Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian’ ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
15 是邑は驕り傲ぶりて安泰に立をり 唯我あり 我の外には誰もなしと心の中に言つつありし者なるが斯も荒はてて畜獣の臥す處となる者かな 此を過る者はみな嘶きて手をふるはん
Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian’ ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.