< 詩篇 78 >
1 わが民よわが敎訓をきき、わが口のことばになんぢらの耳をかたぶけよ
Maskila nataon’ i Asafa.
2 われ口をひらきて譬喩をまうけ いにしへの玄幽なる語をかたりいでん
Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
3 是われらが曩にききしところ知しところ又われらが列祖のかたりつたへし所なり
Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran’ ny razantsika tamintsika,
4 われら之をその子孫にかくさずヱホバのもろもろの頌美と能力とそのなしたまへる奇しき事跡とをきたらんとする世につげん
Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
5 そはヱホバ證詞をヤコブのうちにたて律法をイスラエルのうちに定めてその子孫にしらすべきことをわれらの列祖におほせたまひたればなり
Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’ i Jakoba Izy, ary teo amin’ Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
6 これ來らんとする代のちに生るる子孫がこれを知みづから起りてそのまた子孫につたへ
Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ― dia ny zaza mbola hateraka ― ka hitsangana hitory izany amin’ ny zanany kosa,
7 かれらをして神によりたのみ神のみわざを忘れずその誡命をまもらしめん爲なり
Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
8 またその列祖のごとく頑固にしてそむくものの類となり そのこころ修まらず そのたましひ神に忠ならざる類とならざらん爲なり
Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’ Andriamanitra ny fanahiny.
9 エフライムのこらは武具ととのへ弓をたづさへしに戰ひの日にうしろをそむけたり
Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana.
10 かれら神のちかひをまもらず そのおきてを履ことをいなみ
Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
11 ヱホバのなしたまへることとかれらに示したまへる奇しき事跡とをわすれたり
Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
12 神はエジプトの國にてゾアンの野にて妙なる事をかれらの列祖のまへになしたまへり
Teo anatrehan’ ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ ny tany Egypta, dia tany amin’ ny tany lemak’ i Zoana.
13 すなはち海をさきてかれらを過ぎしめ水をつみて堆かくしたまへり
Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
14 ひるは雲をもてかれらをみちびき夜はよもすがら火の光をもてこれを導きたまへり
Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
15 神はあれのにて磐をさき大なる淵より汲がごとくにかれらに飮しめ
Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.
16 また磐より流をひきて河のごとくに水をながれしめたまへり
Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
17 然るにかれら尚たえまなく罪ををかして神にさからひ荒野にて至上者にそむき
Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
18 またおのが慾のために食をもとめてその心のうちに神をこころみたり
Dia naka fanahy an’ Andriamanitra tam-pony izy, tamin’ ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
19 然のみならずかれらは神にさからひていへり 神は荒野にて筵をまうけたまふを得んや
Dia niteny nanohitra an’ Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
20 みよ神いはを撃たまへば水ほどばしりいで流あぶれたり 糧をもあたへたまふを得んや神はその民のために肉をそなへたまはんやと
Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy?
21 この故にヱホバこれを聞ていきどほりたまひき 火はヤコブにむかひてもえあがり怒はイスラエルにむかひて立騰れり
Koa nony ren’ i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’ i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
22 こはかれら神を信ぜずその救にたのまざりし故なり
Satria tsy nino an’ Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
23 されどなほ神はうへなる雲に命じて天の戸をひらき
Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ ny lanitra no novohàny,
24 彼等のうへにマナをふらせて食はしめ天の穀物をあたへたまへり
Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ ny lanitra no nomeny azy.
25 人みな勇士の糧をくらへり 神はかれらに食物をおくりて飽足らしめたまふ
Ny fihinan’ ny mahery no nohanin’ ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
26 神は天に東風をふかせ大能もて南の風をみちびきたまへり
Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
27 神はかれらのうへに塵のごとく肉をふらせ海の沙のごとく翼ある鳥をふらせて
Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
Ka nalatsany teny afovoan’ ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
29 斯てかれらは食ひて飽たりぬ 神はこれにその欲みしものを與へたまへり
Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
30 かれらが未だその慾をはなれず食物のなほ口のうちにあるほどに
Nefa tsy niala tamin’ ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
31 神のいかり旣にかれらに對ひてたちのぼり彼等のうちにて最もこえたる者をころしイスラエルのわかき男をうちたふしたまへり
Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin’ ny Isiraely.
32 これらの事ありしかど彼等はなほ罪ををかしてその奇しきみわざを信ぜざりしかば
Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
33 神はかれらの日を空しくすぐさせ その年をおそれつつ過させたまへり
Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ ny fampitahorana.
34 神かれらを殺したまへる時かれら神をたづね歸りきたりて懇ろに神をもとめたり
Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
35 かくて神はおのれの磐いとたかき神はおのれの贖主なることをおもひいでたり
Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
36 然はあれど彼等はただその口をもて神にへつらひその舌をもて神にいつはりをいひたりしのみ
Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
37 そはかれらのこころは神にむかひて堅からず その契約をまもるに忠信ならざりき
Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
38 されど神はあはれみに充たまへばかれらの不義をゆるして亡したまはず屡ばそのみいかりを轉してことごとくは忿恚をふりおこし給はざりき
Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
39 又かれがただ肉にして過去ばふたたび歸りこぬ風なるをおもひいで給へり
Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
40 かれらは野にて神にそむき荒野にて神をうれへしめしこと幾次ぞや
Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana!
41 かれらかへすがへす神をこころみイスラエルの聖者をはづかしめたり
Naka fanahy an’ Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ ny Isiraely.
42 かれらは神の手をも敵より贖ひたまひし日をもおもひいでざりき
Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ ny fahavalo,
43 神はそのもろもろの豫兆をエジプトにあらはしその奇しき事をゾアンの野にあらはし
Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’ i Zoana:
44 かれらの河を血にかはらせてその流を飮あたはざらしめ
Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
45 また蝿の群をおくりてかれらをくはしめ蛙をおくりてかれらを亡させたまへり
Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.
46 神はかれらの田產を蟊賊にわたし かれらの勤勞を蝗にあたへたまへり
Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an’ ny valala.
47 神は雹をもてかれらの葡萄の樹をからし霜をもてかれらの桑の樹をからし
Namono ny voalobony tamin’ ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin’ ny havandra vaventy.
48 その家畜をへうにわたしその群をもゆる閃電にわたし
Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ ny havandra Izy, ary ny omby aman’ ondriny ho an’ ny varatra.
49 かれらの上にはげしき怒といきどほりと怨恨となやみと禍害のつかひの群とをなげいだし給へり
Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
50 神はその怒をもらす道をまうけ かれらのたましひを死よりまぬかれしめず そのいのちを疫癘にわたし
Namboatra lalana ho an’ ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ ireo tamin’ ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ ny areti-mandringana;
51 エジプトにてすべての初子をうちハムの幕屋にてかれらの力の始をうちたまへり
Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan’ ainy tany an-dain’ i Hama;
52 されどおのれの民を羊のごとくに引いだし かれらを曠野にてけだものの群のごとくにみちびき
Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
53 かれらをともなひておそれなく安けからしめ給へり されど海はかれらの仇をおほへり
Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ ny ranomasina.
54 神はその聖所のさかひ その右の手にて購たまへるこの山に彼らを携へたまへり
Ary nitondra azy ho any amin’ ny tany misy ny fitoerany masìna Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ ny tànany ankavanana.
55 又かれらの前にてもろもろの國人をおもひいだし準縄をもちゐ その地をわかちて嗣業となし イスラエルの族をかれらの幕屋にすまはせたまへり
Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin’ ireny ho lova nozaraina tamin’ ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen’ Isiraely tao an-dainy.
56 然はあれど彼等はいとたかき神をこころみ之にそむきてそのもろもろの證詞をまもらず
Nefa naka fanahy an’ Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
57 叛きしりぞきてその列祖の如く眞實をうしなひ くるへる弓のごとくひるがへりて逸ゆけり
Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
58 高處をまうけて神のいきどほりをひき刻める像にて神の嫉妬をおこしたり
Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra.
59 神ききたまひて甚だしくいかり大にイスラエルを憎みたまひしかば
Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
60 人々の間におきたまひし幕屋なるシロのあげばりを棄さり
Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona;
61 その力をとりことならしめ その榮光を敵の手にわたし
Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan’ ny fahavalo.
62 その民を劍にあたへ その嗣業にむかひて甚だしく怒りたまへり
Dia nanolotra ny olony ho an’ ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin’ ny lovany Izy.
63 火はかれらのわかき男をやきつくし かれらの處女はその婚姻の歌によりて譽らるることなく
Ny zatovolahiny dia lanin’ ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
64 かれらの祭司はつるぎにて仆れ かれらの寡婦は喪のなげきだにせざりき
Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan’ ireo tsy nisaona.
65 斯るときに主はねぶりし者のさめしごとく勇士の酒によりてさけぶがごとく目さめたまひて
Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay.
66 その敵をうちしりぞけ とこしへの辱をかれらに負せたまへり
Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
67 またヨセフの幕屋をいなみエフライムの族をえらばず
Dia nanary ny lain’ i Josefa Izy, ary ny firenen’ i Efraima tsy nofidiny.
68 ユダの族そのいつくしみたまふシオンの山をえらびたまへり
Fa nifidy ny firenen’ i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
69 その聖所を山のごとく永遠にさだめたまへる地のごとくに立たまへり
Dia nanao ny fitoerany masìna ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
70 またその僕ダビデをえらびて羊の牢のなかよりとり
Dia nifidy an’ i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ ondry;
71 乳をあたふる牝羊にしたがひゆく勤のうちより携へきたりてその民ヤコブその嗣業イスラエルを牧はせたまへり
Tany amin’ ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’ i Jakoba olony sy Isiraely lovany;
72 斯てダビデはそのこころの完全にしたがひてかれらを牧ひ その手のたくみをもて之をみちびけり
Dia niandry ireo araka ny hitsin’ ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan’ ny tànany.