< 箴言 知恵の泉 27 >
1 なんぢ明日のことを誇るなかれ そは一日の生ずるところの如何なるを知ざればなり
Aza mirehareha ny amin’ ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
2 汝おのれの口をもて自ら讃むることなく人をして己を讃めしめよ 自己の口唇をもてせず 他人をして己をほめしめよ
Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
3 石は重く沙は軽からず 然ど愚なる者の怒はこの二よりも重し
Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
4 忿怒は猛く憤恨は烈し されど嫉妬の前には誰か立ことをを得ん
Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro?
Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
6 愛する者の傷つくるは眞實よりし 敵の接吻するは偽詐よりするなり
Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan’ ny fahavalo.
7 飽るものは蜂の蜜をも踐つく されど饑たる者には苦き物さへもすべて甘し
Hitsakitsahin’ ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin’ ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
8 その家を離れてさまよふ人は その巣を離れてさまよふ鳥のごとし
Toy ny voron-kely miala amin’ ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ ny fonenany.
9 膏と香とは人の心をよろこばすなり 心よりして勸言を與ふる友の美しきもまた斯のごとし
Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin’ ny sakaiza dia avy amin’ ny ana-panahy ataony.
10 なんぢの友と汝の父の友とを棄るなかれ なんぢ患難にあふ日に兄弟の家にいることなかれ 親しき隣は疏き兄弟に愈れり
Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ ny tranon’ ny rahalahinao amin’ ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11 わが子よ智慧を得てわが心を悦ばせよ 然ば我をそしる者に我こたふることを得ん
Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12 賢者は禍害を見てみづから避け 拙者はすすみて罰をうく
Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
13 人の保證をなす者よりは先その衣をとれ 他人の保證をなす者をば固くとらへよ
Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny janga niantohany izy.
14 晨はやく起て大聲にその鄰を祝すれば却て呪詛と見なされん
Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin’ ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
16 これを制ふるものは風をおさふるがごとく 右の手に膏をつかむがごとし
Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ ny sakaizany.
18 無花果の樹をまもる者はその果をくらふ 主を貴ぶものは譽を得
Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
19 水に照せば面と面と相肖るがごとく 人の心は人の心に似たり
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan’ ny fon’ ny olona amin’ ny an’ olona.
20 陰府と沈淪とは飽ことなく 人の目もまた飽ことなし (Sheol )
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona. (Sheol )
21 坩堝によりて銀をためし鑢によりて金をためし その讃らるる所によりて人をためす
Ny memy ho an’ ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
22 なんぢ愚なる者を臼にいれ杵をもて麥と偕にこれを搗ともその愚は去らざるなり
Na dia miara-totoinao ny fanoto amin’ ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
23 なんぢの羊の情况をよく知り なんぢの群に心を留めよ
Fantaro tsara ny tarehin’ ny ondry aman’ osinao, Ary miahia tsara ny andian’ ny bibinao;
24 富は永く保つものにあらず いかで位は世々にたもたん
Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin’ ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
26 羔羊はなんぢの衣服を出し 牝羊は田圃を買ふ價となり
Ny zanak’ ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
27 牝羊の乳はおほくして汝となんぢの家人の糧となり汝の女をやしなふにたる
Ary ho ampy hosotroinao ny rononon’ osy Sy ho an’ ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman’ ny ankizivavinao.