< 箴言 知恵の泉 19 >
1 ただしく歩むまづしき者は くちびるの悖れる愚なる者に愈る
Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ ny molony sady adala.
2 心に思慮なければ善らず 足にて急ぐものは道にまよふ
Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
3 人はおのれの痴によりて道につまづき 反て心にヱホバを怨む
Ny fahadalan’ ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’ i Jehovah no sosotra ny fony.
4 資財はおほくの友をあつむ されど貧者はその友に疎まる
Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin’ ny sakaizany.
5 虚偽の證人は罰をまぬかれず 謊言をはくものは避るることをえず
Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
6 君に媚る者はおほし 凡そ人は贈物を與ふる者の友となるなり
Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’ izay mpanome zavatra.
7 貧者はその兄弟すらも皆これをにくむ 况てその友これに遠ざからざらんや 言をはなちてこれを呼とも去てかへらざるなり
Ny malahelo dia halan’ ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin’ ny teny tsy misy izy.
8 智慧を得る者はおのれの霊魂を愛す 聰明をたもつ者は善福を得ん
Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
9 虚偽の證人は罰をまぬかれず 謊言をはく者はほろぶべし
Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
10 愚なる者の驕奢に居るは適当からず 况て僕にして上に在る者を治むることをや
Ny ho velona amin’ ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an’ ny adala, Koa mainka izay hanapahan’ ny mpanompo ny zanak’ andriana.
11 聰明は人に怒をしのばしむ 過失を宥すは人の榮譽なり
Ny fahendren’ ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
12 王の怒は獅の吼るが如く その恩典は草の上におく露のごとし
Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra.
13 愚なる子はその父の災禍なり 妻の相爭そふは雨漏のたえぬにひとし
Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon’ ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
14 家と資財とは先祖より承嗣ぐもの 賢き妻はヱホバより賜ふものなり
Trano sy harena no lova avy amin’ ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ i Jehovah.
Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
16 誡命を守るものは自己の霊魂を守るなり その道をかろむるものは死ぬべし
Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
17 貧者をあはれむ者はヱホバに貸すなり その施濟はヱホバ償ひたまはん
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
18 望ある間に汝の子を打て これを殺すこころを起すなかれ
Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
19 怒ることの烈しき者は罰をうく 汝もしこれを救ふともしばしば然せざるを得じ
Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
20 なんぢ勸をきき訓をうけよ 然ばなんぢの終に智慧あらん
Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’ izay hiafaranao.
21 人の心には多くの計畫あり されど惟ヱホバの旨のみ立べし
Maro ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa ny fisainan’ i Jehovah no haharitra.
22 人のよろこびは施濟をするにあり 貧者は謊人に愈る
Fifaliana amin’ ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
23 ヱホバを畏るることは人をして生命にいたらしめ かつ恒に飽足りて災禍に遇ざらしむ
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
24 惰者はその手を盤にいるるも之をその口に擧ることをだにせず
Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin’ ny vavany dia tsy zakany.
25 嘲笑者を打て さらば拙者も愼まん 哲者を譴めよ さらばかれ知識を得ん
Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
26 父を煩はし母を逐ふは羞赧をきたらし凌辱をまねく子なり
Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
27 わが子よ哲言を離れしむる敎を聽くことを息めよ
Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin’ ny fahalalana.
Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan’ ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
29 審判は嘲笑者のために備へられ 鞭は愚なる者の背のために備へらる
Vonona ho amin’ ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ ny lamosin’ ny adala.