< イザヤ書 29 >
1 ああアリエルよアリエルよ ああダビデの營をかまへたる邑よ としに年をくはへ節會まはりきたらば
Lozan’ i Ariela’, lozan’ i Ariela, Tanàna nitoeran i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana;
2 われアリエルをなやまし之にかなしみと歎息とあらしめん 彼をアリエルのごとき者となすべし
Dia hampahory an’ i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
3 われ汝のまはりに營をかまへ保砦をきづきて汝をかこみ櫓をたててなんぢを攻べし
Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
4 かくてなんぢは卑くせられ 地にふしてものいひ塵のなかより低聲をいだしてかたらん 汝のこゑは巫女のこゑのごとく地よりいで汝のことばは塵のなかより囀づるがごとし
Dia haetry ianao ka hiteny ao amin’ ny tany, ary ao amin’ ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin’ ny tany tahaka ny an’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin’ ny vovoka no ikiakiahan’ ny teninao.
5 然どなんぢのあだの群衆はこまやかなる塵の如く あらぶるものの群衆はふきさらるる粃糠の如くならん 俄にまたたく間にこの事あるべし
Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
6 萬軍のヱホバはいかづち 地震 おほごゑ 暴風 つむじかぜ及びやきつくす火の燄をもて臨みたまふべし
Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hihavian’ ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
7 斯てアリエルを攻てたたかふ國々のもろもろ アリエルとその城とをせめたたかひて難ますものは みな夢のごとく夜のまぼろしの如くならん
Ary ho tahaka ny fahitana eo amin’ ny nofy amin’ ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an’ i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
8 饑たるものの食ふことを夢みて醒きたればその心なほ空しきがごとく 渇けるものの飮ことを夢みて醒きたれば疲れかつ頻にのまんことを欲するがごとく シオンの山をせめて戰ふくにぐにの群衆もまた然あらん
Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
9 なんぢらためらへ而しておどろかん なんぢら放肆にせよ而して目くらまん かれらは酔りされど酒のゆゑにあらず かれらはよろめけりされど濃酒のゆゑにあらず
Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin’ ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin’ ny toaka.
10 そはヱホバ酣睡の靈をなんぢらの上にそそぎ 而してなんぢらの目をとぢ なんぢらの面をおほひたまへり その目は預言者そのかほは先知者なり
Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
11 かかるが故にすべての默示はなんぢらには封じたる書のことばのごとくなり 文字しれる人にわたして請これを讀といはんに答へて封じたるがゆゑによむこと能はずといはん
Ary ny fahitana ny amin’ izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin’ ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
12 また文字しらぬ人にわたして請これをよめといはんにこたへて文字しらざるなりといはん
Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
13 主いひ給はく この民は口をもて我にちかづき口唇をもてわれを敬へども その心はわれに遠かれり そのわれを畏みおそるるは人の誡命によりてをしへられしのみ
Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’ olombelona ampianarina azy ihany,
14 この故にわれこの民のなかにて再びくすしき事をおこなはん そのわざは奇しくしていとあやし かれらの中なる智者のちゑはうせ聰明者のさときはかくれん
Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ ny mazava sainany.
15 己がはかりごとをヱホバに深くかくさんとする者はわざはひなるかな 暗中にありて事をおこなひていふ 誰かわれを見んや たれか我をしらんやと
Lozan’ izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan’ i Jehovah, sady ao amin’ ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
16 なんぢらは曲れり いかで陶工をみて土塊のごとくおもふ可んや 造られし者おのれを作れるものをさして我をつくれるにあらずといふをえんや 形づくられたる器はかたちづくりし者をさして智慧なしといふを得んや
Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
17 暫くしてレバノンはかはりて良田となり 良田は林のごとく見ゆるとききたるならずや
Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
18 その日聾者はこの書のことばをきき盲者の目はくらきより闇よりみることを得べし
Amin’ izany andro izany dia ho ren’ ny marenina ny tenin’ ny taratasy, ary na dia ao amin’ ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ ny jamba.
19 謙だるものはヱホバによりてその歡喜をまし 人のなかの貧きものはイスラエルの聖者によりて快樂をうべし
Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’ i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin’ ny olona hifaly amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely,
20 暴るものはたえ 侮慢者はうせ 邪曲の機をうかがふ者はことごとく斷滅さるべければなり
Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin’ ny ratsy,
21 かれらは訟をきく時まげて人をつみし 邑門にていさむるものを謀略におとしいれ 虛しき語をかまへて義人をしりぞく
Dia ireo manameloka olona amin’ ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin’ ny lainga foana.
22 この故にむかしアブラハムを贖ひたまひしヱホバはヤコブの家につきて如此いひたまふ ヤコブは今より恥をかうむらず その面はいまより色をうしなはず
Koa ny amin’ ny taranak’ i Jakoba dia izao no lazain’ i Jehovah, Izay nanavotra an’ i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
23 かれの子孫はその中にわがおこなふ手のわざをみん その時わが名を聖としヤコブの聖者を聖としてイスラエルの神をおそるべし
Fa raha ny zanany mahita ny asan’ ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin’ i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’ Andriamanitry ny Isiraely.
24 心あやまれるものも知識をえ つぶやけるものも敎誨をまなばん
Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.