< ホセア書 6 >
1 來れわれらヱホバにかへるべし ヱホバわれらを抓劈たまひたれどもまた醫すことをなし我儕をうち給ひたれどもまたその傷をつつむことを爲したまふ可ればなり
Andeha hiverina ho amin’ i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.
2 ヱホバは二日ののちわれらむ活かへし三日にわれらを起せたまはん 我らその前にて生ん
Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
3 この故にわれらヱホバをしるべし切にヱホバを知ることを求むべしヱホバは晨光のごとく必ずあらはれいで雨のごとくわれらにのぞみ後の雨のごとく地をうるほし給ふ
Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’ i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
4 エフライムよ我なんぢに何をなさんやユダよ我なんぢに何をなさんやなんぢの愛情はあしたの雲のごとくまたただちにきゆる露のごとし
Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
5 このゆゑにわれ預言者等をもてかれらを撃ちわが口の言をもてかれらえを殺せりわが審判はあらはれいづる光明のごとし
Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin’ ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
6 われは愛情をよろこびて犠牲をよろこばず神をしるを悦ぶこと燔祭にまされり
Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
7 然るに彼らはアダムのごとく誓をやぶりかしこにて不義をわれにおこなへり
Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an’ i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
8 ギレアデは惡をおこなふものの邑にして血の足跡そのなかに徧し
Gileada dia tanànan’ ny mpanao ratsy sady voaloton’ ny rà.
9 祭司のともがらは山賊の群のごとく伏伺して人をそこなひシケムに往く大路にて人をころす彼等はかくのごとき惡きことをおこなへり
Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban’ ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
10 われイスラエルのいへに憎むべきことあるを見たりかの處にてエフライムは淫をおこなふイスフルは汚れたり
Tao amin’ ny taranak’ Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan’ i Efraima, voaloto Isiraely.
11 ユダよ我わが民の俘囚をかへさんときまた汝のためにも穫刈をそなへん
Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin’ ny fahababoana ny oloko.