< エゼキエル書 11 >
1 茲に靈我を擧げてヱホバの室の東の門に我を携へゆけり門は東に向ふ視るにその門の入口に二十五人の人あり我その中にアズルの子ヤザニヤおよびベナヤの子ペラテヤ即ち民の牧伯等を見る
Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ ny vavahady atsinanana amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan’ ny vavahady; dia hitako teo amin’ ireo Jazania, zanak’ i Azora, sy Pelatia, zanak’ i Benaia, lehiben’ ny vahoaka.
2 彼われに言たまひけるは人の子よ此邑において惡き事を考へ惡き計謀をめぐらす者は此人々なり
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin’ ity tanàna ity,
3 彼等いふ家を建ることは近からず此邑は鍋にして我儕は肉なりと
dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena;
ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak’ olona.
5 時にヱホバの靈わが上に降りて我にいひ給ひけるはヱホバかく言ふと言べしイスラエルの家よ汝等は斯いへり汝等の心におこる所の事は我これを知るなり
Ary tonga tao amiko ny Fanahin’ i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak’ Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
6 汝等は此邑に殺さるる者を増し死人をもて街衢に充せり
Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin’ ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.
7 是故に主ヱホバ斯いふ汝等が邑の中に置くところのその殺されし者はすなはち肉にして邑は鍋なり然ど人邑の中より汝等を曳いだすべし
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
8 汝等は刀劍を懼る我劍を汝等にのぞましめんと主ヱホバいひたまふ
Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.
9 我なんぢらを其中よりひき出し外國人の手に付して汝等に罰をかうむらすべし
Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan’ ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.
10 汝等は劍に踣れん我イスラエルの境にて汝等を罰すべし汝等は是によりてわがヱホバなるを知るにいたらん
Ho lavon’ ny sabatra ianareo; any amin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
11 是は汝らの鍋とならず汝らはその中の肉たることを得ざるなりイスラエルの境にて我汝らに罰をかうむらすべし
Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely no hitsarako anareo
12 汝ら即ちわがヱホバなるを知にいたらん汝らはわが憲法に遵はずわが律法を行はずしてその周圍の外國人の慣例のごとくに事をなせり
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
13 斯てわが預言しをる時にベナヤの子ペラテヤ死たれば我俯向に伏て大聲に叫び嗚呼主ヱホバよイスラエルの遺餘者を盡く滅ぼさんとしたまふやといふに
Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak’ i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin’ ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin’ ny Isiraely?
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
15 人の子よ汝の兄弟汝の兄弟たる者は汝の親族の人々にして即ちイスラエルの全家全躰なりヱルサレムに居る人々は是にむかひて汝等は遠くヱホバをはなれて居れ此地はわれらの所有としてあたへらると言ふ
Ry zanak’ olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, izay nitenenan’ ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an’ i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.
16 是故に汝言ふべしヱホバかく言ひたまふ我かれらを遠く逐やりて國々に散したればその往る國々に於て暫時の間かれらの聖所となると
Koa lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin’ ny tany maro, dia ho fitoerana masìna ho azy vetivety Aho any amin’ ny tany izay alehany.
17 是故に言ふべし主ヱホバかく言たまふ我なんぢらを諸の民の中より集へ汝等をその散されたる國々より聚めてイスラエルの地を汝らに與へん
Koa lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin’ ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin’ ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin’ ny Isiraely ianareo.
18 彼等は彼處に到りその諸の汚たる者とその諸の憎むべき者を彼處より取除かん
Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
19 我かれらに唯一の心を與へ新しき靈を汝らの衷に賦けん我かれらの身の中より石の心を取さりて肉の心を與ヘ
Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
20 彼らをしてわが憲法に遵はしめ吾律法を守りて之を行はしむべし彼らはわが民となり我はかれらの神とならん
mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
21 然どその汚れたる者とその憎むべき者の心をもておのれの心となす者等は我これが行ふところをその首に報ゆべし主ヱホバこれを言ふ
Fa ny amin’ izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.
22 茲にケルビムその翼をあぐ輪その傍にありイスラエルの神の榮光その上に在す
Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
23 ヱホバの榮光つひに邑の中より昇りて邑の東の山に立てり
Ary ny voninahitr’ i Jehovah niakatra niala tao amin’ ny tanàna ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra atsinanan’ ny tanàna.
24 時に靈われを擧げ神の靈に由りて異象の中に我をカルデヤに携へゆきて俘囚者の所にいたらしむ吾見たる異象すなはちわれを離れて昇れり
Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin’ ny fahitana, dia tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin’ ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
25 かくて我ヱホバの我にしめしたまひし言を盡く俘囚者に告たり
Ary nolazaiko tamin’ ny babo ny teny rehetra izay nasehon’ i Jehovah ahy.