< コリント人への手紙第二 9 >

1 聖徒に施すことに就きては汝らに書きおくるに及ばず、
Fa ny amin’ ny fiantrana ho an’ ny olona masìna, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;
2 我なんぢらの志望あるを知ればなり。その志望につき汝らの事をマケドニヤ人に誇りて、アカヤは既に一年 前に準備をなせりと云へり。かくて汝らの熱心は多くの人を勵ましたり。
fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin’ ny Makedoniana hoe: Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
3 されどわれ兄弟たちを遣すは、我が言ひしごとく汝らに準備をなさしめ、之につきて我らの誇りし事の空しくならざらん爲なり。
Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo amin’ izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
4 もしマケドニヤ人われと共に來りて汝らの準備なきを見ば、汝らは言ふに及ばず、我らも確信せしによりて恐らくは恥を受けん。
fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.
5 この故に兄弟たちを勸めて、先づ汝らに往かしめ、曩に汝らが約束したる慈惠を、吝むが如くせずして、惠む心よりせん爲に預じめ調へしむるは、必要のことと思へり。
Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
6 それ少く播く者は少く刈り、多く播く者は多く刈るべし。
Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
7 おのおの吝むことなく、強ひてすることなく、その心に定めし如くせよ。神は喜びて與ふる人を愛し給へばなり。
Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra.
8 神は汝 等をして常に凡ての物に足らざることなく、凡ての善き業に溢れしめんために、凡ての恩惠を溢るるばかり與ふることを得給ふなり。
Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ ny asa tsara rehetra;
9 録して『彼は散して貧しき者に與へたり。その正義は永遠に存らん』とある如し。 (aiōn g165)
araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay. (aiōn g165)
10 播く人に種と食するパンとを與ふる者は、汝らにも種をあたへ、且これを殖し、また汝らの義の果を増し給ふべし。
Ary Izay manome voa ho an’ ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
11 汝らは一切に富みて吝みなく施すことを得、かくて我らの事により、人々 神に感謝するに至るなり。
dia hanan-karena amin’ ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’ Andriamanitra.
12 此の施濟の務は、ただに聖徒の窮乏を補ふのみならず、充ち溢れて神に對する感謝を多からしむ。
Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ ny olona masìna ihany, fa mahabe ny fisaoran’ ny maro an’ Andriamanitra koa,
13 即ち彼らは此の務を證據として、汝らがキリストの福音に對する言明に順ふことと、彼らにも凡ての人にも吝みなく施すこととに就きて、神に榮光を歸し、
satria ny fizahan-toetra anareo amin’ izany fanompoana izany no ankalazany an’ Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran’ i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin’ ny fiantrana ho azy sy ho an’ ny olona rehetra;
14 かつ神の汝らに給ひし優れたる恩惠により、汝らを慕ひて汝 等のために祈らん。
ary amin’ ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben’ ny fahasoavan’ Andriamanitra aminareo.
15 言ひ盡しがたき神の賜物につきて感謝す。
Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.

< コリント人への手紙第二 9 >