< テモテへの手紙第一 4 >

1 されど御靈あきらかに、或 人の後の日に及びて、惑す靈と惡鬼の教とに心を寄せて、信仰より離れんことを言ひ給ふ。
Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia,
2 これ虚僞をいふ者の僞善に由りてなり。彼らは良心を燒金にて烙かれ、
amin’ ny fihatsaram-belatsihin’ ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
3 婚姻するを禁じ、食を斷つことを命ず。されど食は神の造り給へる物にして、信じかつ眞理を知る者の感謝して受くべきものなり。
izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’ Andriamanitra ho an’ izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ ny fisaorana.
4 神の造り給へる物はみな善し、感謝して受くる時は棄つべき物なし。
Fa ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ ny fisaorana,
5 そは神の言と祈とによりて潔めらるるなり。
satria hamasinin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
6 汝もし此 等のことを兄弟に教へば、信仰と汝の從ひたる善き教との言にて養はるる所のキリスト・イエスの良き役者たるべし。
Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’ izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’ i Kristy Jesosy, tezaina amin’ ny tenin’ ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
7 されど妄なる談と老いたる女の昔話とを捨てよ、また自ら敬虔を修行せよ。
Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.
8 體の修行もいささかは益あれど、敬虔は今の生命と後の生命との約束を保ちて凡ての事に益あり。
Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra no mahasoa amin’ ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
9 これ信ずべく正しく受くべき言なり。
Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra.
10 我らは之がために勞しかつ苦心す、そは我ら凡ての人、殊に信ずる者の救主なる活ける神に望を置けばなり。
Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’ Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
11 汝これらの事を命じかつ教へよ。
Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
12 なんぢ年 若きをもて人に輕んぜらるな、反つて言にも、行状にも、愛にも、信仰にも、潔にも、信者の模範となれ。
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino ianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondran-tena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana.
13 わが到るまで、讀むこと勸むること教ふる事に心を用ひよ。
Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
14 なんぢ長老たちの按手を受け、預言によりて賜はりたる賜物を等閑にすな。
Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ ny loholona.
15 なんぢ心を傾けて此 等のことを專ら務めよ。汝の進歩の明かならん爲なり。
Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’ izany, mba hiseho amin’ ny olona rehetra ny fandrosoanao.
16 なんぢ己とおのれの教とを愼みて此 等のことに怠るな、斯くなして己と聽く者とを救ふべし。
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

< テモテへの手紙第一 4 >