< コリント人への手紙第一 5 >
1 現に聞く所によれば、汝らの中に淫行ありと、而してその淫行は異邦人の中にもなき程にして、或 人その父の妻を有てりと云ふ。
Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
2 斯くてもなほ汝ら誇ることをなし、かかる行爲をなしし者の除かれんことを願ひて悲しまざるか。
Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
3 われ身は汝らを離れ居れども、心は偕に在りて其處に居るごとく、かかる事を行ひし者を既に審きたり。
Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
4 すなはち汝ら及び我が靈の、我らの主イエスの能力をもて偕に集らんとき、主イエスの名によりて、
amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompontsika ― rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban’ ny herin’ i Jesosy Tompontsika ―
5 斯くのごとき者をサタンに付さんとす、是その肉は亡されて、其の靈は主イエスの日に救はれん爲なり。
hanolotra izany anankiray izany ho an’ i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin’ ny andron’ i Jesosy Tompo.
6 汝らの誇は善からず。少しのパン種の、粉の團塊をみな膨れしむるを知らぬか。
Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?
7 なんぢら新しき團塊とならんために舊きパン種を取り除け、汝らはパン種なき者なればなり。夫われらの過越の羔羊すなはちキリスト既に屠られ給へり、
Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
8 されば我らは舊きパン種を用ひず、また惡と邪曲とのパン種を用ひず、眞實と眞との種なしパンを用ひて祭を行ふべし。
ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ ny masirasira ela, na amin’ ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
9 われ前の書にて淫行の者と交るなと書き贈りしは、
Nanoratra taminareo teo amin’ ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’ izay mpijangajanga;
10 此の世の淫行の者、または貪欲のもの、奪ふ者、または偶像を拜む者と更に交るなと言ふにあらず(もし然せば世を離れざるを得ず)
nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’ izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’ izao tontolo izao ianareo.
11 ただ兄弟と稱ふる者の中に、或は淫行のもの、或は貪欲のもの、或は偶像を拜む者、あるひは罵るもの、或は酒に醉ふもの、或は奪ふ者あらば、斯かる人と交ることなく、共に食する事だにすなとの意なり。
Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ ny toy izany ianareo.
12 外の者を審くことは我の干る所ならんや、汝らの審くは、ただ内の者ならずや。
Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?
13 外にある者は神これを審き給ふ。かの惡しき者を汝らの中より退けよ。
Fa ny any ivelany dia tsarain’ Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.