< Josue 2 >

1 Sililimed ngarud a nangibaon ni Josue nga anak ni Nun iti dua a lallaki a kas espia manipud Settim. Kinunana, “Mapankayo iti entero a daga, nangnangruna iti Jerico.” Napanda ket dimtengda iti balay ti maysa a balangkantis nga agnagan iti Rahab, ket nagdagusda sadiay.
Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
2 Naipakaammo daytoy iti ari ti Jerico, “Immay ditoy dagiti lallaki manipud Israel a mangsiim iti daga.”
Ary nisy nilaza tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.
3 Nangipadanon ti ari iti sao kenni Rahab ket kinunana, “Iruarmo dagiti lallaki nga immay kenka a simrek iti balaymo, ta immayda a mangsiim iti entero a daga.”
Dia naniraka tao amin’ i Rahaba ny mpanjakan’ i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
4 Ngem innalan idi ti babai dagiti dua a lallaki ket inlemmengna ida. Ket kinunana, “Wen, immay kaniak dagiti lallaki, ngem saanko nga ammo no sadino ti naggapuanda.
Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
5 Pimmanawda idi sumipnget, idi agrikep ti ruangan ti siudad. Saanko nga ammo ti napananda. Mabalin a matiliwyo ida no darasenyo ida a kamaten.”
ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
6 Ngem pinaulina idi ida iti bubungan ti balay ket inlemmengna ida kadagiti kayo ti lino nga inkabilna iti rabaw daytoy.
Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ ny tampon-trano.
7 Kinamat ngarud dagiti lallaki dagiti dua nga espia nga agturong iti pagballasiwan ti Jordan. Ket nagrikep dagiti ruangan apaman a nakaruar dagiti mangkamkamat.
Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ ny lalana mankany Jordana hatrany amin’ ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
8 Saan pay a nakaidda dagiti dua nga espia idi inuli ida ti babai idiay pangatepan.
Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
9 Kinunana, “Ammok nga inted kadakayo ni Yahweh ti daga ta immay kadakami ti panagbuteng kadakayo. Agrunaw iti sangoananyo ti amin nga agnanaed iti daga.”
ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.
10 Nangngeganmi no kasano a pinamaga ni Yahweh ti danum ti Baybay dagiti Runo para kadakayo idi rimuarkayo manipud Egipto. Ken nangngeganmi ti inaramidyo kadagiti dua nga ari dagiti Amorreo idiay bangir ti Jordan—ni Sihon ken ni Og— a naan-anay a dinadaelyo.
Fa efa renay ny nanamainan’ i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
11 Apaman a nangngeganmi daytoy, narunaw dagiti pusomi ket awan ti nabati a tured iti siasinoman—ta ni Yahweh a Diosyo ket Dios sadi-langit ken iti rabaw ti daga.
Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany.
12 Ita ngarud, pangngaasiyo ta isapatayo kaniak babaen kenni Yahweh a kas iti panangngaasik kadakayo, kaassianyonto met iti balay ti amak. Ikkandak iti natalged a pagilasinan
Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin’ i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ ny ankohonan’ ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
13 nga ispalenyonto ti biag ti amak, inak, kakabsatko a lallaki ken babbai, ken dagiti amin a pamiliada, ken isalakandakaminto manipud iti ipapatay.”
fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
14 Kinuna dagiti lallaki kenkuana, “Para kenka ti biagmi, uray agingga iti patay! No saanmo a sarsaritaen ti maipapan iti rantami, maasi ken napudnokaminto ngarud kenka inton ited ni Yahweh daytoy a daga kadakami.”
Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’ i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
15 Pinaulogna ngarud ida idiay tawa babaen iti tali. Ti balay a pagnanaedanna ket naikapet iti pader ti siudad.
Dia nampidina azy tamin’ ny mahazaka avy teo amin’ ny varavarankely izy; fa teo amin’ ny màndan’ ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ ny manda no nitoerany.
16 Kinunana kadakuada, “Mapankayo kadagiti turturod ket aglemmengkayo ta no saan ket masarakandakayo dagiti mangkamkamat kadakayo. Aglemmengkayo sadiay iti tallo nga aldaw agingga a makasubli dagiti mangkamkamat. Ket mapankayo iti dalanyo.”
Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin’ izay halehanareo.
17 Kinuna dagiti dua nga espia kenni Rahab, “Awanto iti pagrebbenganmi kadagiti impasapatam kadakami, no saanmo nga aramiden daytoy:
Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin’ izany fianianana nampianianinao anay izany:
18 Inton serkenmi ti daga, masapul a mangigalutka iti nalabaga a tali iti tawa a nangipaulogam kadakami, ket ummongem iti uneg ti balaymo ti ama ken inam, dagiti kakabsatmo ken amin a sangkabbalayan ti amam.
Indro, rehefa tonga eto amin’ ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ ny ankohonan’ ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
19 Siasinoman a rumuar manipud kadagiti ruangan ti balaymo, addanto iti rabaw ti uloda iti darada ket awanto ti pakabasolanmi. Ngem no madangran ti siasinoman kadakayo iti uneg ti balay, ti darananto ket adda iti rabaw ti ulomi.
ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
20 Ngem no ibagam daytoy a rantami, awanto ngarud ti pagrebbenganmi a mangtungpal iti inkarimi.
fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin’ ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.
21 Simmungbat ni Rahab, “Mapasamak koma ti kinunayo.” Pinalubosanna ida ket pimmanawda. Ket nangigalut isuna iti nalabaga a tali iti tawa.
Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin’ ny varavarankely ilay kofehy jaky.
22 Pimmanawda ket napanda idiay turturod ket nagtalinaedda sadiay iti tallo nga aldaw agingga a nagsubli dagiti mangkamkamat kadakuada. Sinapsapul ida dagiti mangkamkamat kadagiti daldalan ngem awan ti nasarakanda.
Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin’ ny mpanenjika; ary nitady azy tamin’ ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.
23 Nagsubli dagiti dua a lallaki ket nagballasiwda a nagsublida kenni Josue nga anak ni Nun, ket imbagada kenkuana amin a napasamak kadakuada.
Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,
24 Ket kinunada kenni Josue, “Pudno nga inted ni Yahweh daytoy a daga kadatayo. Agrunrunaw amin nga agnanaed iti daydiay a daga gapu kadatayo.
ka hoy izy tamin’ i Josoa: Efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra antsika.

< Josue 2 >