< Deuteronomio 18 >

1 Dagiti papadi a Levita, ken amin a tribu ni Levi, awanto ti bingay wenno awanto ti tawidda iti Israel; masapul a kanendanto dagiti datdaton kenni Yahweh a naaramid iti apuy a kas isu ti tawidda.
Ny Levita mpisorona, dia ny firenen’ i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ ny Isiraely; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah sy ny anjaran’ i Jehovah no ho fihinany.
2 Masapul nga awan iti tawidda kadagiti kakabsatda; ni Yahweh ti tawidda a kas kinunana kadakuada.
Fa tsy hanan-dova eo amin’ ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy.
3 Karbenganto daytoy dagiti papadi manipud kadagiti tattao, manipud kadagiti mangisagut iti daton, baka man daytoy wenno karnero; masapul nga itedda iti padi ti abaga, dagiti dua a pingping ken dagiti naguneg.
Ary izao no ho anjaran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona, dia avy amin’ izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an’ ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;
4 Dagiti umuna a bunga dagiti bukelmo, ti baro nga arakmo, ken ti lanam, dagiti umuna a dutdot dagiti karnerom, masapul nga itedmo kenkuana.
ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan’ ny volon’ ondrinao no homenao azy.
5 Ta pinili isuna ni Yahweh a Diosmo kadagiti amin a tribuyo a tumakder nga agserbi iti nagan ni Yahweh, isuna ken dagiti annakna iti agnanayon.
Fa izy sy ny taranany no nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin’ ny anaran’ i Jehovah.
6 No umay ti maysa a Levita manipud kadagiti aniaman kadagiti il-iliyo iti amin nga Israel manipud iti pagnanaedanna, ket tarigagayanna iti amin a kararuana nga umay iti disso a piliento ni Yahweh,
Ary raha misy Levita miala amin’ ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin’ ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian’ ny fony ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah,
7 ket masapul ngarud nga agserbi isuna iti nagan ni Yahweh a Diosna kas ar-aramiden dagiti kakabsatna a Levita, nga agtaktakder idiay iti sangoanan ni Yahweh.
ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan’ i Jehovah,
8 Masapul nga agpada iti bingay a kanen, malaksid pay ti aggapu iti paglakoan a tawid ti pamiliana.
dia anjara mitovy amin’ ny an’ ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin’ ny azony tamin-drainy.
9 Inton makadanonkayo iti daga nga it-ited kadakayo ni Yahweh a Diosyo, masapul a saanyo a sursuroen nga aramiden dagiti makarimon a banbang dagitoy a nasion,
REHEFA tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon’ ireo firenena ireo.
10 Masapul nga awan iti siasinoman a masarakan kadakayo a mangipalasat iti apuy ti anakna a lalaki wenno ti anakna a babai, siasinoman a mangus-usar iti panagpadles, siasinoman a mangar-aramid iti panagbuyon, wenno siasinoman a managsalamangka, wenno aniaman a managanito,
Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
11 aniaman a manangilabeg, siasinoman a makisao iti natay, wenno siasinoman a makisao kadagiti espiritu.
na manao ho masim-bava, na mpanadina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ ny maty.
12 Ta siasinoman a mangaramid kadagitoy a banbanag ket makarimon kenni Yahweh; gapu kadagitoy a makarimon a banbanag ket pagtaltalawen ida ni Yahweh a Diosyo manipud iti sangoananyo.
Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.
13 Masapul koma nga awan iti pakapilawanyo iti sangoanan ni Yahweh a Diosyo.
Aoka ho tanteraka amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
14 Ta dagitoyto a nasion a paksiatenyo ket dumdumgegda kadagiti managanito, ken kadagiti agpadpadles; ngem no maipapan kadakayo, saan nga impalubos ni Yahweh a Diosyo nga aramidenyo ti kasta.
Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan’ i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
15 Mangbangonto para kadakayo ni Yahweh a Diosyo iti maysa a propeta nga agtaud kadakayo, maysa kadagiti kakabsatyo, kas kaniak. Masapul a dumngegkayo kenkuana.
Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;
16 Daytoy ti dinawatyo kenni Yahweh a Diosyo idiay Horeb iti aldaw ti panaggigimong, kinunayo, 'Saanmin koma a mangngeg manen ti timek ni Yahweh a Diosmi, wenno makita daytoy dakkel nga apuy ni kaanoman, wenno amangan a mataykaminto.'
araka izay rehetra nangatahinao tamin’ i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin’ ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.
17 Kinuna ni Yahweh kaniak, nasayaat ti imbagada.
Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy.
18 Mangisaadakto iti maysa a propeta a maipaay kadakuada nga agtaud kadagiti kakabsatda, kas met laeng kenka. Ikabilko dagiti sasaok iti ngiwatna, ket isaonanto kadakuada dagiti amin nga ibilinko kenkuana.
Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
19 Mapasamakto a no adda ti siasinoman saan a dumngeg kadagiti sasaok nga isasaona iti naganko, birukekto daytoy kenkuana.
Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
20 Ngem ti propeta nga agsasao a sitatangsit iti naganko, ti sao a saanko nga imbilin kenkuana a saoenna, wenno agsao iti nagan dagiti sabali a dios, masapul a matay dayta a propeta.
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ ny anaran’ andriamani-kafa, dia hatao maty.
21 No kunaenyo iti pusoyo, 'Kasano a mailasinmi ti mensahe a saan nga insao ni Yahweh?'—
Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’ i Jehovah?
22 no agsasao ti propeta iti nagan ni Yahweh, no saan a rumsua wenno mapasamak dayta a banag, dayta ngarud ket banag a saan nga insao ni Yahweh; insao dayta ti propeta a sitatangsit, ket masapul a saankayo nga agbuteng kenkuana.
Raha miteny amin’ ny anaran’ i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain’ i Jehovah izany: tamin’ ny fahasahisahiana no nilazan’ ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.

< Deuteronomio 18 >