< 1 Ar-ari 2 >

1 Bayat nga umas-asideg ti aldaw nga ipapatay ni David, binilinna ni Solomon nga anakna a kunana,
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ i Davida, dia nandidy an’ i Solomona zananilahy izy hoe:
2 “Dandanin ti ipapanawko iti rabaw ti daga. Agbalinka koma a natibker, ngarud, ipakitam a naturedka.
Izaho efa handeha amin’ ny lalan-kalehan’ ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
3 Tungpalem dagiti bilin ni Yahweh a Diosmo nga agbiagka iti wagasna, a tungpalem dagiti alagadenna, dagiti bilbilinna, dagiti pangngeddengna, ken ti pammaneknekna iti tulagna, a tungpalem amin a naisurat iti linteg ni Moises, tapno rumang-ayka iti amin nga aramidem ken iti sadinoman a papanam,
Ary tandremo izay asain’ i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin’ ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
4 tapno tungpalen ni Yahweh ti saona nga imbagana maipanggep kaniak a kunana, 'No annadan dagiti annakmo ti tignayda, a magnada a sipupudno iti imatangko iti amin a puso ken kararuada, saankanto a maawanan iti tao nga agtugaw iti trono ti Israel.'
mba hanatanterahan’ i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin’ ny fahamarinana amin’ ny fony rehetra sy amin’ ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
5 Ammom met ti inaramid kaniak ni Joab nga anak ni Zeruiah, ken ti inaramidna a panangpatay kadagiti dua a pangulo ti armada ti Israel, ni Abner nga anak ni Ner, ken ni Amasa nga anak ni Jeter. Pinagsayasayna ti dara iti tiempo ti kappia ken imbarikes ken insapatosna ti dara iti gubat.
Ary ianao koa mahalala izay nataon’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’ izy roa lahy komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely, dia tamin’ i Abnera, zanak’ i Nera, sy tamin’ i Amasa, zanak’ i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin’ ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin’ ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
6 Aramidem ti ammom a maiparbeng kenni Joab babaen iti kinasirib a nasursurom, ngem saanmo koma nga itulok a sitatalna a maitanem ti ubanan nga ulona. (Sheol h7585)
Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ ny fiadanana ny volo fotsiny. (Sheol h7585)
7 Nupay kasta, ipakitam ti kinaimbag kadagiti annak ni Barsilai a taga-Gallaad, ket palubosam a maysada kadagiti makisango kenka a mangan iti lamisaanmo, ta immayda kaniak idi intarayak ni Absalom a kabsatmo.
Fa ny zanak’ i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan’ izay mihinana eo amin’ ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan’ ireo tany amiko, fony nandositra an’ i Absaloma rahalahinao aho.
8 Adtoy, kaduayo met ni Shimei nga anak ni Gera, a taga-Bahurim iti Benjamin, a nangilunod kaniak iti kasta unay idi napanak idiay Mahanaim. Simmalog ni Shimei a mangsabat kaniak idiay Jordan, ket inkarik kenkuana iti nagan ni Yahweh, a kunak, 'Saanka a patayen babaen iti kampilan.'
Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin’ ny sabatra ianao.
9 Ngarud, saanmo nga itulok a makalasat isuna manipud iti pannakadusa. Nasiribka a tao, ket ammom ti rumbeng nga aramidem kenkuana. Itanemmonto a dara-dara ti ubanan nga ulona. (Sheol h7585)
Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin’ ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
10 Kalpasanna, pimmusay ni David ket naitanem iti siudad ni David.
Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
11 Uppat a pulo a tawen ti panagturay ni David iti Israel. Pito a tawen a nagturay isuna idiay Hebron ken tallopulo a tawen idiay Jerusalem.
Ary ny andro nanjakan’ i Davida tamin’ ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
12 Ket nagtugaw ni Solomon iti trono ti amana a ni David ket napatalgedan ti panagturayna.
Ary Solomona nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
13 Kalpasanna, immay kenni Batseba nga ina ni Solomon ni Adoniha nga anak ni Haggit. Kinuna ni Batseba kenkuana, “Kappia kadi ti immayam?” Simmungbat isuna, “Wen, immayak a sikakappia.”
Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nankany amin’ i Batseba, renin’ i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
14 Ket kinuna ni Adoniha, “Adda ibagak kenka.” Isu a simmungbat ni Batseba, “Agsaoka.”
Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
15 Kinuna ni Adoniha, “Ammom a para kaniak koma ti pagarian ken dagiti amin a tattao ti Israel, ninamnamada a siak ti agbalin nga ari. Nupay kasta, naiyawat iti kabsatko ti pagarian, ta para kenkuana daytoy a nagtaud kenni Yahweh.
Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan’ ny rahalahiko, fa azony avy tamin’ i Jehovah.
16 Ita, adda maysa a kiddawek kenka. Saannak koma a paayen.” Kinuna ni Batseba kenkuana, “Agsaoka.”
Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
17 Kinunana ni Adoniha, “Kasaritam koma ni Solomon nga ari, ta saannaka a paayen, tapno itedna koma kaniak ni Abisag a taga-Sunem nga agbalin nga asawak.”
Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin’ i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy), mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
18 Kinuna ni Batseba, “Ala wen, kasaritak ti ari.”
Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin’ ny mpanjaka.
19 Napan ngarud nakisarita ni Batseba kenni Ari Solomon para kenni Adoniha. Timmakder ti ari tapno sabtenna isuna ken nagkurno iti sangoananna. Ket nagtugaw ti ari iti tronona ket nagpaiyeg isuna iti tugaw para iti inana. Nagtugaw ni Batseba iti makannawan ni Solomon.
Ary Batseba nankany amin’ i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin’ i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an’ i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an’ ny renin’ ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin’ ny ankavanany izy.
20 Ket kinuna ni Batseba, “Adda bassit a kiddawek kenka; saannak koma a paayen.” Simmungbat ti ari kenkuana, “Agkiddawkayo ina, saankayo a paayen.”
Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
21 Kinuna ni Batseba, “Itedmo koma kenni Adoniha a kabsatmo ni Abisag a taga-Sunem tapno agbalin nga asawana.”
Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin’ i Adonia rahalahinao.
22 Simmungbat ni Ari Solomon ket kinunana iti inana, “Apay a kiddawenyo ni Abisag a taga-Sunem para kenni Adoniha? Apay a saanmo pay a kiddawen ti pagarian para kenkuana, ta isuna ti inauna a kabsatko—para kenkuana, para kenni ni Abiatar a padi, ken para kenni Joab nga anak ni Zeruiah?”
Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an’ i Abisaga Sonemita ho an’ i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an’ i Joaba, zanak’ i Zeroia.
23 Kalpasanna, insapata ni Ari Solomon iti nagan ni Yahweh a kunana, “Sapay koma aramiden ti Dios daytoy kaniak ken ad-adda pay koma, no saan nga imbaga ni Adonia daytoy a sao maibusor iti biagna.
Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin’ i Jehovah hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
24 Ita ngarud, iti nagan ni Yahweh nga adda iti agnanayon a nangisaad ken nangikabil kaniak iti trono ni David nga amak, ken nangaramid iti balay para kaniak kas inkarina, awan duadua a mapapatay ita nga aldaw ni Adoniha.”
Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.
25 Isu nga imbaon ni Ari Solomon ni Benaias nga anak ni Jehoyada ket nasarakan ni Benaias ni Adoniha ket pinatayna daytoy.
Ary Solomona mpanjaka naniraka an’ i Benaia, zanak’ i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
26 Kalpasanna, kinuna ti ari kenni Abiatar a padi, “Mapanka idiay Anatot, iti ayan ti dagam. Rumbeng laeng a matayka, ngem saanka nga ipapatay ita, gapu ta sika ti nakaitalkan ti lakasa ti tulag ni Yahweh a Dios iti sangoanan ni David nga amak ken nakipagsagabaka iti amin a sinagaba ti amak.”
Ary Abiatara mpisorona dia nilazan’ ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin’ izao andro izao, satria nitondra ny fiaran’ i Jehovah Tompo teo alohan’ i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin’ ny raiko tamin’ izay rehetra nampahoriana azy.
27 Inikkat ngarud ni Solomon ni Abiatar a kas padi ni Yahweh, babaen kenkuana natungpal ti sao ni Yahweh nga imbagana idiay Shiloh maipapan iti balay ni Eli.
Ary Solomona dia nanongana an’ i Abiatara tsy ho mpisoron’ i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin’ ny taranak’ i Ely, izy.
28 Nadamag ni Joab daytoy, ta tinulongan ni Joab ni Adoniha, uray no saanna a tinulongan ni Absalom. Isu a timmaray ni Joab a napan iti tolda ni Yahweh ket immiggem kadagiti sara nga adda iti altar.
Ary ren’ i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an’ i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an’ i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
29 Naibaga kenni Ari Solomon a timmaray ni Joab iti tolda ni Yahweh ket addan iti abay ti altar. Imbaon ngarud ni Solomon ni Benaias nga anak ni Jehoyada a kunana, “Inka patayen isuna.”
Ary nambara tamin’ i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah, ka, indro, eo anilan’ ny alitara izy. Dia nirahin’ i Solomona Benaia, zanak’ i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
30 Isu a napan ni Benaias iti tolda ni Yahweh ket kinunana kenkuana, “Ibagbaga ti ari, 'Rummuarka.'” Simmungbat ni Joab, “Saan, ditoyak a matay.” Nagsubli ngarud ni Benaias iti ayan ti ari a kunana, “Kinuna ni Joab a kaykayatnan ti matay iti ayan ti altar.”
Ary Benaia tonga tao amin’ ny tranolain’ i Jehovah ka nanao tamin’ i Joaba hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin’ ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain’ i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
31 Kinuna ti ari kenkuana, “Aramidem no ania ti kayatna. Patayem ket itabonmo isuna, tapno maikkatmo kaniak ken iti balay ti amak ti dara a pinagsayasay ni Joab nga awan gapgapuna.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak’ i Joaba.
32 Isubli koma ni Yahweh ti dara ni Joab iti bukodna nga ulo, gapu ta dinarupna ti dua a lallaki a nalinlinteg ken nasaysayaat ngem isuna ket pinatayna ida babaen iti kampilan a saan nga ammo ni David nga amak, ni Abner a pangulo ti armada ti Israel nga anak ni Ner, ken ni Amasa a pangulo ti armada ti Juda nga anak ni Jeter.
Dia hatsingerin’ i Jehovah ho amin’ ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ ny sabatra, dia Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely sy Amasa, zanak’ i Jatera, komandin’ ny miaramilan’ ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
33 Agsubli koma ti darada iti ulo ni Joab ken iti ulo dagiti kaputotanna iti agnanayon. Ngem kenni David ken kadagiti kaputotanna, ken iti balayna, ken iti tronona, adda koma ti kappia iti agnanayon nga agtaud kenni Yahweh.”
Eny, ny ran’ izy roa lahy ireo hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny lohan’ ny taranany mandrakizay; fa amin’ i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’ i Jehovah.
34 Simmang-at ngarud ni Benaias nga anak ni Jehoyada, ket dinarup ken pinatayna ni Joab. Naitabon isuna iti mismo a balayna idiay let-ang.
Dia niakatra Benaia, zanak’ i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin’ ny fonenany tany an-efitra izy.
35 Insaad ti ari ni Benaias nga anak ni Jehoyada a kas pangulo ti armada a kas kasukat ni Joab, ket insaadna met Zadok a padi a kas kasukat ni Abiatar.
Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no notendren’ ny mpanjaka ho solony ho komandin’ ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren’ ny mpanjaka ho solon’ i Abiatara.
36 Kalpasanna, nangibaon ti ari iti mangayab kenni Shimei ket kinunana kenkuana, “Mangaramidka iti balaymo idiay Jerusalem ket agnaedka sadiay, ken saanka a mapmapan iti sabali a lugar.
Ary ny mpanjaka naniraka naka an’ i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
37 Ta iti kanito a ballasiwem ti Tanap ti Kidron, ammomon nga awan duadua a matayka. Sikanto ti makinbasol iti ipapataymo.”
Fa amin’ izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin’ ny lohanao ihany.
38 Isu a kinuna ni Shimei iti ari, “Nasayaat ti imbagam. Kas iti imbaga ti apok nga ari, aramiden ngarud daytoy ti adipenmo.” Nagnaed ngarud ni Shimei iti Jerusalem iti adu nga al-aldaw.
Ary hoy Simey tamin’ ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain’ ny mpanjaka tompoko Izany no hataon’ ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
39 Ngem idi aglippasen ti tallo a tawen, dua kadagiti adipenna ti nagtalaw a napan kenni Akis nga ari ti Gat nga anak ni Maacah. Imbagada kenni Shemei daytoy a kunada, “Kitaem, adda idiay Gat dagiti adipenmo.”
Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon’ i Simey, nandositra ho any amin’ i Akisy, zanak’ i Maka mpanjakan’ i Gata. Ary nisy nanambara tamin’ i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
40 Nagrubwat ngarud ni Shimei, inkabilna ti silyeta iti asnona ket napan kenni Akis idiay Gat tapno birokenna dagiti adipenna. Inyawidna dagiti adipenna manipud idiay Gat.
Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin’ i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
41 Idi naibaga kenni Solomon a pimmanaw ni Shimei idiay Jerusalem ket napan biit idiay Gat,
Ary nambara tamin’ i Solomona ny nialan’ i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
42 nangibaon ni Solomon iti mangayab kenni Shimei, ket kinunana kenkuana, “Saan kadi a pinagsapataka iti nagan ni Yahweh, ken pinatalgedak a kunak, 'Iti kanito a rummuarka ket mapanka iti sabali a lugar, ammomon nga awan duadua a matayka'? Ket kinunam kaniak, 'Nasayaat ti imbagam.'
Ary ny mpanjaka naniraka naka an’ i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin’ i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin’ izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
43 Apay ngarud a saanmo a tinungpal ti sapatam kenni Yahweh, ken ti imbilinko kenka?”
Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin’ i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
44 Kinuna pay ti ari kenni Shimei, “Ammom iti pusom dagiti kinadangkes nga inaramidmo kenni David nga amak. No kasta ngarud, isubli met laeng ni Yahweh kenka ti kinadangkesmo.
Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin’ i Davida raiko, eny, tsaroan’ ny fonao izany, ka dia hatsingerin’ i Jehovah amin’ ny lohanao ny haratsianao.
45 Ngem mabendisionanto ni Ari Solomon, ket maisaadto iti agnanayon ti trono ni David iti sangoanan ni Yahweh.”
Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan’ i Davida hampitoerina eo anatrehan’ i Jehovah mandrakizay.
46 Isu nga imbaon ti ari ni Benaias nga anak ni Jehoyada, rimmuar isuna ket pinatayna ni Shimei. Isu a napatalgedan ti turay iti ima ni Solomon.
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Benaia, zanak’ i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an’ i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan’ i Solomona.

< 1 Ar-ari 2 >