< लैव्यव्यवस्था 7 >

1 “‘दोष बलि जो कि परम पवित्र है, उसके लिए तय की गयी विधि यह है:
Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-panonerana: masìna dia masìna izany.
2 जिस स्थान पर वे होमबलि के लिए निर्धारित पशु का वध करते हैं, उसी स्थान पर दोष बलि के लिए निर्धारित पशु का भी वध किया जाए और वह उसके रक्त को वेदी के चारों ओर छिड़क दे.
Eo amin’ izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
3 फिर वह इसकी सारी चर्बी अर्थात् मोटी पूंछ तथा वह चर्बी, जो आंतों को ढकती है,
Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4 दोनों गुर्दे चर्बी के साथ, जो कमर पर है, तथा कलेजे की ऊपर की झिल्ली, गुर्दों सहित अलग कर भेंट करें.
ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany.
5 पुरोहित याहवेह को इसे होमबलि के रूप में वेदी पर अग्नि में जला दे; यह दोष बलि है.
Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara ireo ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.
6 पुरोहितों में से हर एक पुरुष इसको खा सकता है. इसको पवित्र स्थान में ही खाया जाए; यह परम पवित्र है.
Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy: masìna dia masìna izany.
7 “‘दोष बलि पापबलि के ही समान है, उनके लिए एक ही विधि है; इसको वही पुरोहित खाए, जो इसके द्वारा प्रायश्चित पूरा करता है.
Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’ izy roa: ho an’ ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
8 वह पुरोहित, जो किसी व्यक्ति के लिए होमबलि भेंट करता है, होमबलि के उस पशु की खाल, जो उसने भेंट की है, स्वयं के लिए रख ले.
Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin’ ny olona dia hahazo ny hoditr’ izany fanatitra dorana nateriny izany.
9 उसी प्रकार हर एक अन्‍नबलि, जो तंदूर या कड़ाही में, अथवा तवे पर पकाया गया है, वे सभी कुछ उसी पुरोहित की होगी, जो उसे भेंट करता है.
Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in’ ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin’ ny vilany fandrahoana, na amin’ ny lapoely, dia ho an’ ilay mpisorona manatitra azy.
10 हर एक अन्‍नबलि, चाहे तेल मिली हो, या तेल रहित, अहरोन के सभी पुत्रों को समान मात्रा में मिलेगी.
Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an’ ny zanak’ i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.
11 “‘उन मेल बलियों के लिए, जो याहवेह के सामने चढ़ाई जाएं, उनके लिए विधि यह है:
Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah:
12 “‘यदि वह इसे आभार के रूप में भेंट करता है, तो वह आभार-बलि के साथ तेल से सनी हुई खमीर रहित रोटी, तेल से चुपड़ी पपड़ी तथा तेल से सनी हुई मैदे की रोटी भेंट करे.
Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
13 आभार के रूप में भेंट की गई अपनी मेल बलियों के बलि पशु के साथ वह खमीर युक्त रोटी भी भेंट करे.
Ary miaraka amin’ ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.
14 वह ऐसी हर एक बलि में से एक-एक रोटी याहवेह को अंशदान के रूप में भेंट करे; यह उसी पुरोहित की होगी, जो मेल बलि के पशु के रक्त को छिड़कता है.
Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah; ho an’ ilay mpisorona manopy ny ran’ ny fanati-pihavanana izany.
15 आभार के रूप में भेंट की गई मेल बलियों की बलि के मांस को उसकी बलि के दिन ही खा लिया जाए. वह प्रातः तक इसमें से कुछ भी बचाकर न रखे.
Ary ny henan’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
16 “‘किंतु यदि उसकी बलि एक मन्नत अथवा स्वेच्छा बलि है, तो उसको उस दिन खाया जाए जिस दिन उसने इसे अर्पित किया हो, तथा शेष अंश को अगले दिन खाया जा सकता है.
Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’ iny no hihinanana izay ambiny.
17 किंतु यदि उस बलि के मांस में से तीसरे दिन कुछ बचा रह गया है, तो अग्नि में उसे जला दिया जाए.
Fa ny sisa amin’ ny henan’ ny fanatitra dia hodorana amin’ ny afo amin’ ny andro fahatelo.
18 इसलिये यदि वह मेल बलि के पशु के मांस को तीसरे दिन खा लेता है, जिसने उसे भेंट किया है, न तो वह बलि स्वीकार होगी और न ही उसके लिए लाभदायक. यह एक आपत्तिजनक कार्य है, और जो कोई व्यक्ति इसको खाता है, वह स्वयं अपना दोष उठाएगा.
Ary raha tahìny hihinanana amin’ ny andro fahatelo ny henan’ ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’ izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin’ izany dia ho meloka.
19 “‘जिस मांस का स्पर्श किसी अपवित्र वस्तु से हो जाए, उसको खाया न जाए; इसे अग्नि में जला दिया जाए. हर एक, जो शुद्ध है इसको खा सकता है,
Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin’ ny afo; ary ny amin’ ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;
20 किंतु अपनी अशुद्धता में कोई व्यक्ति मेल बलियों की बलि के उस मांस को खा लेता है, जो याहवेह का है, तो उसे लोगों के मध्य से हटा दिया जाए.
fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin’ ny fanati-pihavanana, izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
21 यदि कोई व्यक्ति किसी अशुद्ध वस्तु का स्पर्श कर लेता है; चाहे वह मानव मलिनता हो अथवा कोई अशुद्ध पशु अथवा कोई अशुद्ध घृणित वस्तु हो, और वह मेल बलियों की बलि के उस मांस को खा लेता है, जो याहवेह को अर्पित है, तो उसे उसके लोगों के मध्य से हटा दिया जाए.’”
Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’ olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ ny henan’ ny fanati-pihavanana izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
22 याहवेह ने मोशेह को यह आदेश दिया,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
23 “इस्राएल की प्रजा को यह आदेश दो, ‘तुम किसी बैल, भेड़ अथवा बकरी की चर्बी को न खाना.
Mitenana amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an’ ny omby, na ny an’ ny ondry, nany an’ ny osy.
24 उस पशु की चर्बी को भी, जिसकी स्वाभाविक मृत्यु हो चुकी है, या जो वन-पशुओं द्वारा मार डाला गया है. तुम उसे किसी अन्य उपयोग के लिए तो रख सकते हो, किंतु निश्चयतः उसको खाना मना है.
Ary ny saboran’ ny biby izay maty ho azy sy ny saboran’ izay noviraviraim-biby dila azo atao amin’ ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.
25 जो व्यक्ति उस पशु की चर्बी को खाता है, जिसे याहवेह को अग्निबलि के रूप में भेंट किया गया है, उसे उसके लोगों के मध्य से हटा दिया जाए.
Fa izay rehetra mihinana saboran’ ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
26 तुम अपने घर में किसी पशु अथवा पक्षी के रक्त को न खाना.
Ary aza mihinana rà eny amin’ izay rehetra itoeranareo, na ny an’ ny vorona, na ny an’ ny biby fiompy.
27 जो भी व्यक्ति किसी भी रक्त को खाता है, उसे भी उसके लोगों के मध्य से हटा दिया जाए.’”
Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
28 याहवेह ने मोशेह को यह आदेश दिया,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
29 “इस्राएल की प्रजा को यह आदेश दो, ‘वह व्यक्ति, जो याहवेह को अपनी मेल बलियां भेंट करता है, याहवेह को उसी मेल बलि में से एक हिस्सा अपनी भेंट के रूप में चढ़ाए,
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an’ i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an’ i Jehovah avy amin’ ny fanati-pihavanany.
30 और वह स्वयं अपने हाथों में याहवेह को होमबलि के लिए चर्बी एवं छाती लेकर आए, कि छाती याहवेह के सामने लहराने की बलि के रूप में भेंट की जाए.
Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ny saborany mbamin’ ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
31 पुरोहित चर्बी को तो वेदी पर अग्नि में जला दे, किंतु छाती अहरोन और उनके पुत्रों की है.
Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an’ i Arona sy ireo zanany.
32 तुम अपनी मेल बलियों की बलियों में से दाहिनी जांघ पुरोहित को दे देना.
Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin’ ny fanati-pihavananareo.
33 अहरोन के पुत्रों के मध्य से जो पुत्र मेल बलियों के रक्त और चर्बी को भेंट करता है, दाहिनी जांघ उसके अंशदान के रूप में उसी की होगी.
Ny anankiray amin’ ny zanak’ i Arona izay manatitra ny ran’ ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.
34 क्योंकि इस्राएल की प्रजा से मैंने उनकी मेल बलियों की बलियों में से लहराने की बलि के रूप में भेंट की गई छाती, और अंशदान की जांघ को लेकर उसे पुरोहित अहरोन और उनके पुत्रों को दिया गया है. यह इस्राएल की प्रजा से सर्वदा के लिए पुरोहित अहरोन और उनके पुत्रों को अधिकार के रूप में दे दिया है.’”
Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an’ i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin’ ny Zanak’ Isiraely.
35 यह वह अंश है, जो याहवेह की अग्निबलियों में से अहरोन और उनके पुत्रों के लिए है; जिस दिन से उसने उन्हें याहवेह के सामने पौरोहितिक सेवा के लिए प्रस्तुत किया.
Izany no anjaran’ i Arona sy ny zanany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, amin’ ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’ i Jehovah,
36 जिस दिन उनका अभिषेक किया गया, उस दिन याहवेह ने इस्राएल की प्रजा से उन्हें यह वस्तुएं देने का आदेश दिया है. पीढ़ियों से पीढ़ियों तक सर्वदा के लिए यह उनका अधिकार है.
dia izay nandidian’ i Jehovah homena azy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby.
37 उपरोक्त विधि; होमबलि, अन्‍नबलि, पापबलि, दोष बलि, संस्कार बलि तथा मेल बलियों के भेंट के लिए है.
Izany no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
38 इसके विषय में आदेश याहवेह ने मोशेह को सीनायी पर्वत पर उस दिन दिए थे, जिस दिन याहवेह ने इस्राएल की प्रजा को सीनायी की मरुभूमि में याहवेह के लिए अपनी बलियां प्रस्तुत करने का आदेश दिया था.
izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy tao amin’ ny tendrombohitra Sinay, tamin’ ny andro izay nandidiany ny Zanak’ Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah, tany an-efitr’ i Sinay.

< लैव्यव्यवस्था 7 >