< תהילים 94 >
אל נקמות יהוה אל נקמות הופיע׃ | 1 |
Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
הנשא שפט הארץ השב גמול על גאים׃ | 2 |
Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
עד מתי רשעים יהוה עד מתי רשעים יעלזו׃ | 3 |
Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
יביעו ידברו עתק יתאמרו כל פעלי און׃ | 4 |
Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
עמך יהוה ידכאו ונחלתך יענו׃ | 5 |
Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
אלמנה וגר יהרגו ויתומים ירצחו׃ | 6 |
Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
ויאמרו לא יראה יה ולא יבין אלהי יעקב׃ | 7 |
Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr’ i Jakoba.
בינו בערים בעם וכסילים מתי תשכילו׃ | 8 |
Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
הנטע אזן הלא ישמע אם יצר עין הלא יביט׃ | 9 |
Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?
היסר גוים הלא יוכיח המלמד אדם דעת׃ | 10 |
Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
יהוה ידע מחשבות אדם כי המה הבל׃ | 11 |
Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
אשרי הגבר אשר תיסרנו יה ומתורתך תלמדנו׃ | 12 |
Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin’ ny lalanao,
להשקיט לו מימי רע עד יכרה לרשע שחת׃ | 13 |
Mba homenao fitsaharana amin’ ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ ny ratsy fanahy.
כי לא יטש יהוה עמו ונחלתו לא יעזב׃ | 14 |
Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
כי עד צדק ישוב משפט ואחריו כל ישרי לב׃ | 15 |
Fa ny fitsarana hiverina ho amin’ ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
מי יקום לי עם מרעים מי יתיצב לי עם פעלי און׃ | 16 |
Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
לולי יהוה עזרתה לי כמעט שכנה דומה נפשי׃ | 17 |
Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ ny mangingina ny fanahiko.
אם אמרתי מטה רגלי חסדך יהוה יסעדני׃ | 18 |
Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
ברב שרעפי בקרבי תנחומיך ישעשעו נפשי׃ | 19 |
Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
היחברך כסא הוות יצר עמל עלי חק׃ | 20 |
Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?
יגודו על נפש צדיק ודם נקי ירשיעו׃ | 21 |
Manao andiany hamely ny fanahin’ ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
ויהי יהוה לי למשגב ואלהי לצור מחסי׃ | 22 |
Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.
וישב עליהם את אונם וברעתם יצמיתם יצמיתם יהוה אלהינו׃ | 23 |
Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan’ i Jehovah Andriamanitsika izy.