< תהילים 64 >

למנצח מזמור לדוד שמע אלהים קולי בשיחי מפחד אויב תצר חיי׃ 1
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo.
תסתירני מסוד מרעים מרגשת פעלי און׃ 2
Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy,
אשר שננו כחרב לשונם דרכו חצם דבר מר׃ 3
Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
לירות במסתרים תם פתאם ירהו ולא ייראו׃ 4
Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
יחזקו למו דבר רע יספרו לטמון מוקשים אמרו מי יראה למו׃ 5
Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
יחפשו עולת תמנו חפש מחפש וקרב איש ולב עמק׃ 6
Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony.
וירם אלהים חץ פתאום היו מכותם׃ 7
Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany.
ויכשילוהו עלימו לשונם יתנדדו כל ראה בם׃ 8
Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.
וייראו כל אדם ויגידו פעל אלהים ומעשהו השכילו׃ 9
Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.
ישמח צדיק ביהוה וחסה בו ויתהללו כל ישרי לב׃ 10
Mifaly amin’ i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.

< תהילים 64 >