< תהילים 33 >
רננו צדיקים ביהוה לישרים נאוה תהלה׃ | 1 |
Mihobia ho an’ i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ ny olo-mahitsy ny fiderana.
הודו ליהוה בכנור בנבל עשור זמרו לו׃ | 2 |
Miderà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga; mankalazà Azy amin’ ny valiha tory folo.
שירו לו שיר חדש היטיבו נגן בתרועה׃ | 3 |
Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ ny feo fifaliana.
כי ישר דבר יהוה וכל מעשהו באמונה׃ | 4 |
Fa mahitsy ny tenin’ i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
אהב צדקה ומשפט חסד יהוה מלאה הארץ׃ | 5 |
Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’ i Jehovah ny tany.
בדבר יהוה שמים נעשו וברוח פיו כל צבאם׃ | 6 |
Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
כנס כנד מי הים נתן באצרות תהומות׃ | 7 |
Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
ייראו מיהוה כל הארץ ממנו יגורו כל ישבי תבל׃ | 8 |
Aoka hatahotra an’ i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao.
כי הוא אמר ויהי הוא צוה ויעמד׃ | 9 |
Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
יהוה הפיר עצת גוים הניא מחשבות עמים׃ | 10 |
Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
עצת יהוה לעולם תעמד מחשבות לבו לדר ודר׃ | 11 |
Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
אשרי הגוי אשר יהוה אלהיו העם בחר לנחלה לו׃ | 12 |
Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
משמים הביט יהוה ראה את כל בני האדם׃ | 13 |
Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
ממכון שבתו השגיח אל כל ישבי הארץ׃ | 14 |
Eo amin’ ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ ny tany,
היצר יחד לבם המבין אל כל מעשיהם׃ | 15 |
Dia Izy Mpamorona ny fon’ izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
אין המלך נושע ברב חיל גבור לא ינצל ברב כח׃ | 16 |
Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny.
שקר הסוס לתשועה וברב חילו לא ימלט׃ | 17 |
Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ ny heriny.
הנה עין יהוה אל יראיו למיחלים לחסדו׃ | 18 |
Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
להציל ממות נפשם ולחיותם ברעב׃ | 19 |
mba hanafaka ny fanahiny amin’ ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
נפשנו חכתה ליהוה עזרנו ומגננו הוא׃ | 20 |
Ny fanahintsika miandry an’ i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
כי בו ישמח לבנו כי בשם קדשו בטחנו׃ | 21 |
Fa Izy no ifalian’ ny fontsika, satria ny anarany masìna no itokiantsika.
יהי חסדך יהוה עלינו כאשר יחלנו לך׃ | 22 |
Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.