< תהילים 89 >
משכיל לאיתן האזרחי ב חסדי יהוה עולם אשירה לדר ודר אודיע אמונתך בפי | 1 |
Maskila nataon’ i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon’ i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran’ ny vavako ny fahamarinanao.
כי-אמרתי--עולם חסד יבנה שמים תכן אמונתך בהם | 2 |
Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
כרתי ברית לבחירי נשבעתי לדוד עבדי | 3 |
“Efa nanao fanekena tamin’ ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin’ i Davida mpanompoko Aho hoe:
עד-עולם אכין זרעך ובניתי לדר-ודור כסאך סלה | 4 |
Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.” (Sela)
ויודו שמים פלאך יהוה אף-אמונתך בקהל קדשים | 5 |
Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna.
כי מי בשחק יערך ליהוה ידמה ליהוה בבני אלים | 6 |
Fa iza any an-danitra no mitovy amin’ i Jehovah? Ary iza amin’ ny zanak’ ireo andriamanitra no manahaka an’ i Jehovah,
אל נערץ בסוד-קדשים רבה ונורא על-כל-סביביו | 7 |
Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ ny fiangonan’ ny olo-masiny Ary hajain’ izay rehetra manodidina Azy?
יהוה אלהי צבאות--מי-כמוך חסין יה ואמונתך סביבותיך | 8 |
Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
אתה מושל בגאות הים בשוא גליו אתה תשבחם | 9 |
Hianao manapaka ny fisavoan’ ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
אתה דכאת כחלל רהב בזרוע עזך פזרת אויביך | 10 |
Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
לך שמים אף-לך ארץ תבל ומלאה אתה יסדתם | 11 |
Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
צפון וימין אתה בראתם תבור וחרמון בשמך ירננו | 12 |
Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’ i Tabara sy Hermona.
לך זרוע עם-גבורה תעז ידך תרום ימינך | 13 |
Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
צדק ומשפט מכון כסאך חסד ואמת יקדמו פניך | 14 |
Rariny sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
אשרי העם ידעי תרועה יהוה באור-פניך יהלכון | 15 |
Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ ny fahazavan’ ny tavanao no handehanany.
בשמך יגילון כל-היום ובצדקתך ירומו | 16 |
Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
כי-תפארת עזמו אתה וברצונך תרים (תרום) קרנינו | 17 |
Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin’ ny fankasitrahanao no hisandratan’ ny tandrokay.
כי ליהוה מגננו ולקדוש ישראל מלכנו | 18 |
Fa an’ i Jehovah ny ampinganay; Ary an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ny mpanjakanay.
אז דברת בחזון לחסידיך-- ותאמר שויתי עזר על-גבור הרימותי בחור מעם | 19 |
Tamin’ izany ny olonao masìna dia nilazanao tamin’ ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’ izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin’ ny olona.
מצאתי דוד עבדי בשמן קדשי משחתיו | 20 |
Efa nahita an’ i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masìna no nanosorako azy;
אשר ידי תכון עמו אף-זרועי תאמצנו | 21 |
Izy no homban’ ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
לא-ישיא אויב בו ובן-עולה לא יעננו | 22 |
Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
וכתותי מפניו צריו ומשנאיו אגוף | 23 |
Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan’ ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
ואמונתי וחסדי עמו ובשמי תרום קרנו | 24 |
Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan’ ny tandrony.
ושמתי בים ידו ובנהרות ימינו | 25 |
Dia hampitoetra ny tànany amin’ ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin’ ny ony.
הוא יקראני אבי אתה אלי וצור ישועתי | 26 |
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ ny famonjena ahy.
אף-אני בכור אתנהו עליון למלכי-ארץ | 27 |
Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ ny mpanjakan’ ny tany.
לעולם אשמור- (אשמר-) לו חסדי ובריתי נאמנת לו | 28 |
Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
ושמתי לעד זרעו וכסאו כימי שמים | 29 |
Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ ny lanitra.
אם-יעזבו בניו תורתי ובמשפטי לא ילכון | 30 |
Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
אם-חקתי יחללו ומצותי לא ישמרו | 31 |
Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
ופקדתי בשבט פשעם ובנגעים עונם | 32 |
Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
וחסדי לא-אפיר מעמו ולא-אשקר באמונתי | 33 |
Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
לא-אחלל בריתי ומוצא שפתי לא אשנה | 34 |
Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain’ ny molotro tsy hovako.
אחת נשבעתי בקדשי אם-לדוד אכזב | 35 |
Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ ny fahamasinako, Tsy handainga amin’ i Davida mihitsy Aho:
זרעו לעולם יהיה וכסאו כשמש נגדי | 36 |
Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
כירח יכון עולם ועד בשחק נאמן סלה | 37 |
Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. (Sela)
ואתה זנחת ותמאס התעברת עם-משיחך | 38 |
Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin’ ny voahosotrao Hianao.
נארתה ברית עבדך חללת לארץ נזרו | 39 |
Efa nahafoana ny fanekena tamin’ ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
פרצת כל-גדרתיו שמת מבצריו מחתה | 40 |
Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
שסהו כל-עברי דרך היה חרפה לשכניו | 41 |
Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan’ ny mpiray monina aminy izy.
הרימות ימין צריו השמחת כל-אויביו | 42 |
Efa nampisandratra ny tanana ankavanan’ ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
אף-תשיב צור חרבו ולא הקימתו במלחמה | 43 |
Efa nampihemotra ny lelan’ ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin’ ny ady.
השבת מטהרו וכסאו לארץ מגרתה | 44 |
Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin’ ny tany.
הקצרת ימי עלומיו העטית עליו בושה סלה | 45 |
Efa nahafohy ny andron’ ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy. (Sela)
עד-מה יהוה תסתר לנצח תבער כמו-אש חמתך | 46 |
Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
זכר-אני מה-חלד על-מה-שוא בראת כל-בני-אדם | 47 |
Tsarovy ny hafohin’ ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’ olombelona rehetra!
מי גבר יחיה ולא יראה-מות ימלט נפשו מיד-שאול סלה (Sheol ) | 48 |
Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? (Sela) (Sheol )
איה חסדיך הראשנים אדני נשבעת לדוד באמונתך | 49 |
Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin’ i Davida tamin’ ny fahamarinanao?
זכר אדני חרפת עבדיך שאתי בחיקי כל-רבים עמים | 50 |
Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran’ ny firenena rehetra,
אשר חרפו אויביך יהוה אשר חרפו עקבות משיחך | 51 |
Dia ny nandatsan’ ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ ny voahosotrao.
ברוך יהוה לעולם אמן ואמן | 52 |
Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.