< תהילים 76 >
למנצח בנגינת מזמור לאסף שיר ב נודע ביהודה אלהים בישראל גדול שמו | 1 |
Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany;
ויהי בשלם סוכו ומעונתו בציון | 2 |
Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
שמה שבר רשפי-קשת מגן וחרב ומלחמה סלה | 3 |
Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. (Sela)
נאור אתה אדיר-- מהררי-טרף | 4 |
Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’ ny tendrombohitra fitohàna.
אשתוללו אבירי לב-- נמו שנתם ולא-מצאו כל-אנשי-חיל ידיהם | 5 |
Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.
מגערתך אלהי יעקב נרדם ורכב וסוס | 6 |
Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
אתה נורא אתה--ומי-יעמד לפניך מאז אפך | 7 |
Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
משמים השמעת דין ארץ יראה ושקטה | 8 |
Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
בקום-למשפט אלהים-- להושיע כל-ענוי-ארץ סלה | 9 |
Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. (Sela)
כי-חמת אדם תודך שארית חמת תחגר | 10 |
Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
נדרו ושלמו ליהוה אלהיכם כל-סביביו--יבילו שי למורא | 11 |
Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra.
יבצר רוח נגידים נורא למלכי-ארץ | 12 |
Manapaka ny reharehan’ ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ ny tany.