< תהילים 23 >
מזמור לדוד יהוה רעי לא אחסר | 1 |
Salamo nataon’ i Davida.
בנאות דשא ירביצני על-מי מנחות ינהלני | 2 |
Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy.
נפשי ישובב ינחני במעגלי-צדק למען שמו | 3 |
Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
גם כי-אלך בגיא צלמות לא-אירא רע-- כי-אתה עמדי שבטך ומשענתך המה ינחמני | 4 |
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
תערך לפני שלחן-- נגד צררי דשנת בשמן ראשי כוסי רויה | 5 |
Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.
אך טוב וחסד ירדפוני-- כל-ימי חיי ושבתי בבית-יהוה לארך ימים | 6 |
Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah andro lava aho.