< תהילים 18 >
למנצח לעבד יהוה--לדוד אשר דבר ליהוה את-דברי השירה הזאת-- ביום הציל-יהוה אותו מכף כל-איביו ומיד שאול ב ויאמר-- ארחמך יהוה חזקי | 1 |
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly; dia hoy izy: ―
יהוה סלעי ומצודתי-- ומפלטי אלי צורי אחסה-בו מגני וקרן-ישעי משגבי | 2 |
Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
מהלל אקרא יהוה ומן-איבי אושע | 3 |
Miantso an’ i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.
אפפוני חבלי-מות ונחלי בליעל יבעתוני | 4 |
Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
חבלי שאול סבבוני קדמוני מוקשי מות (Sheol ) | 5 |
Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol )
בצר-לי אקרא יהוה-- ואל-אלהי אשוע ישמע מהיכלו קולי ושועתי לפניו תבוא באזניו | 6 |
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
ותגעש ותרעש הארץ-- ומוסדי הרים ירגזו ויתגעשו כי-חרה לו | 7 |
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin’ ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
עלה עשן באפו-- ואש-מפיו תאכל גחלים בערו ממנו | 8 |
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
ויט שמים וירד וערפל תחת רגליו | 9 |
Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
וירכב על-כרוב ויעף וידא על-כנפי-רוח | 10 |
Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin’ ny ela-drivotra Izy.
ישת חשך סתרו-- סביבותיו סכתו חשכת-מים עבי שחקים | 11 |
Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.
מנגה נגדו עביו עברו--ברד וגחלי-אש | 12 |
Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
וירעם בשמים יהוה--ועליון יתן קלו ברד וגחלי-אש | 13 |
Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
וישלח חציו ויפיצם וברקים רב ויהמם | 14 |
Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
ויראו אפיקי מים ויגלו מוסדות תבל מגערתך יהוה-- מנשמת רוח אפך | 15 |
Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin’ ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavoronao.
ישלח ממרום יקחני ימשני ממים רבים | 16 |
Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy;
יצילני מאיבי עז ומשנאי כי-אמצו ממני | 17 |
Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
יקדמוני ביום-אידי ויהי-יהוה למשען לי | 18 |
Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
ויוציאני למרחב יחלצני כי חפץ בי | 19 |
Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
יגמלני יהוה כצדקי כבר ידי ישיב לי | 20 |
Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
כי-שמרתי דרכי יהוה ולא-רשעתי מאלהי | 21 |
Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
כי כל-משפטיו לנגדי וחקתיו לא-אסיר מני | 22 |
Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
ואהי תמים עמו ואשתמר מעוני | 23 |
Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
וישב-יהוה לי כצדקי כבר ידי לנגד עיניו | 24 |
Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan’ ny tanako teo imasony.
עם-חסיד תתחסד עם-גבר תמים תתמם | 25 |
Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
עם-נבר תתברר ועם-עקש תתפתל | 26 |
Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
כי-אתה עם-עני תושיע ועינים רמות תשפיל | 27 |
Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
כי-אתה תאיר נרי יהוה אלהי יגיה חשכי | 28 |
Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
כי-בך ארץ גדוד ובאלהי אדלג-שור | 29 |
Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
האל תמים דרכו אמרת-יהוה צרופה מגן הוא לכל החסים בו | 30 |
Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
כי מי אלוה מבלעדי יהוה ומי צור זולתי אלהינו | 31 |
Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
האל המאזרני חיל ויתן תמים דרכי | 32 |
Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
משוה רגלי כאילות ועל במתי יעמידני | 33 |
Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo.
מלמד ידי למלחמה ונחתה קשת-נחושה זרועתי | 34 |
Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
ותתן-לי מגן ישעך וימינך תסעדני וענותך תרבני | 35 |
Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
תרחיב צעדי תחתי ולא מעדו קרסלי | 36 |
Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
ארדוף אויבי ואשיגם ולא-אשוב עד-כלותם | 37 |
Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
אמחצם ולא-יכלו קום יפלו תחת רגלי | 38 |
Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.
ותאזרני חיל למלחמה תכריע קמי תחתי | 39 |
Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
ואיבי נתתה לי ערף ומשנאי אצמיתם | 40 |
Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
ישועו ואין-מושיע על-יהוה ולא ענם | 41 |
Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin’ i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
ואשחקם כעפר על-פני-רוח כטיט חוצות אריקם | 42 |
Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin’ ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
תפלטני מריבי-עם תשימני לראש גוים עם לא-ידעתי יעבדוני | 43 |
Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
לשמע אזן ישמעו לי בני-נכר יכחשו-לי | 44 |
Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy.
בני-נכר יבלו ויחרגו ממסגרותיהם | 45 |
Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.
חי-יהוה וברוך צורי וירום אלוהי ישעי | 46 |
Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
האל--הנותן נקמות לי וידבר עמים תחתי | 47 |
Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
מפלטי מאיבי אף מן-קמי תרוממני מאיש חמס תצילני | 48 |
Mamonjy ahy amin’ ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe.
על-כן אודך בגוים יהוה ולשמך אזמרה | 49 |
Koa izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
מגדל ישועות מלכו ועשה חסד למשיחו--לדוד ולזרעו עד-עולם | 50 |
Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.