< תהילים 17 >
תפלה לדוד שמעה יהוה צדק-- הקשיבה רנתי האזינה תפלתי בלא שפתי מרמה | 1 |
Fivavak’ i Davida.
מלפניך משפטי יצא עיניך תחזינה מישרים | 2 |
Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
בחנת לבי פקדת לילה-- צרפתני בל-תמצא זמתי בל-יעבר-פי | 3 |
Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
לפעלות אדם בדבר שפתיך-- אני שמרתי ארחות פריץ | 4 |
Ny amin’ ny asan’ ny olona, dia ny tenin’ ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ ny lalan’ ny mpanao an-keriny.
תמך אשרי במעגלותיך בל-נמוטו פעמי | 5 |
Ny diako maharitra eo amin’ ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
אני-קראתיך כי-תענני אל הט-אזנך לי שמע אמרתי | 6 |
Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
הפלה חסדיך מושיע חוסים-- ממתקוממים בימינך | 7 |
Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin’ ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon’ ny fahavalo.
שמרני כאישון בת-עין בצל כנפיך תסתירני | 8 |
Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin’ ny aloky ny elatrao,
מפני רשעים זו שדוני איבי בנפש יקיפו עלי | 9 |
Mba tsy ho azon’ ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
חלבמו סגרו פימו דברו בגאות | 10 |
Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
אשרינו עתה סבבוני (סבבונו) עיניהם ישיתו לנטות בארץ | 11 |
Manodidina anay amin’ ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin’ ny tany izahay;
דמינו--כאריה יכסוף לטרף וככפיר ישב במסתרים | 12 |
Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
קומה יהוה-- קדמה פניו הכריעהו פלטה נפשי מרשע חרבך | 13 |
Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin’ ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ ny ratsy fanahy;
ממתים ידך יהוה ממתים מחלד-- חלקם בחיים וצפינך (וצפונך) תמלא בטנם ישבעו בנים-- והניחו יתרם לעולליהם | 14 |
Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
אני--בצדק אחזה פניך אשבעה בהקיץ תמונתך | 15 |
Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.