< תהילים 138 >

לדוד אודך בכל-לבי נגד אלהים אזמרך 1
Nataon’ i Davida.
אשתחוה אל-היכל קדשך ואודה את-שמך-- על-חסדך ועל-אמתך כי-הגדלת על-כל-שמך אמרתך 2
Hivavaka manandrify ny tempolinao masìna aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ ny anaranao rehetra.
ביום קראתי ותענני תרהבני בנפשי עז 3
Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.
יודוך יהוה כל-מלכי-ארץ כי שמעו אמרי-פיך 4
Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy.
וישירו בדרכי יהוה כי-גדול כבוד יהוה 5
Eny hihira ny amin’ ny lalan’ i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr’ i Jehovah.
כי-רם יהוה ושפל יראה וגבה ממרחק יידע 6
Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.
אם-אלך בקרב צרה-- תחיני על אף איבי תשלח ידך ותושיעני ימינך 7
Na dia handeha eo amin’ ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
יהוה יגמר בעדי יהוה חסדך לעולם מעשי ידיך אל-תרף 8
Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan’ ny tananao.

< תהילים 138 >