< תהילים 12 >
למנצח על-השמינית מזמור לדוד ב הושיעה יהוה כי-גמר חסיד כי-פסו אמונים מבני אדם | 1 |
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.
שוא ידברו--איש את-רעהו שפת חלקות--בלב ולב ידברו | 2 |
Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
יכרת יהוה כל-שפתי חלקות-- לשון מדברת גדלות | 3 |
Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
אשר אמרו ללשננו נגביר--שפתינו אתנו מי אדון לנו | 4 |
Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
משד עניים מאנקת אביונים עתה אקום יאמר יהוה אשית בישע יפיח לו | 5 |
Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany.
אמרות יהוה אמרות טהרות כסף צרוף בעליל לארץ מזקק שבעתים | 6 |
Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito.
אתה-יהוה תשמרם תצרנו מן-הדור זו לעולם | 7 |
Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity.
סביב רשעים יתהלכון כרם זלות לבני אדם | 8 |
Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra.