< תהילים 103 >
לדוד ברכי נפשי את-יהוה וכל-קרבי את-שם קדשו | 1 |
Nataon’ i Davida.
ברכי נפשי את-יהוה ואל-תשכחי כל-גמוליו | 2 |
Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
הסלח לכל-עונכי הרפא לכל-תחלואיכי | 3 |
Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
הגואל משחת חייכי המעטרכי חסד ורחמים | 4 |
Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
המשביע בטוב עדיך תתחדש כנשר נעוריכי | 5 |
Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ ny voromahery.
עשה צדקות יהוה ומשפטים לכל-עשוקים | 6 |
Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’ izay rehetra ampahorina.
יודיע דרכיו למשה לבני ישראל עלילותיו | 7 |
Efa nampahafantatra an’ i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak’ Isiraely nampahafantariny ny asany.
רחום וחנון יהוה ארך אפים ורב-חסד | 8 |
Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
לא-לנצח יריב ולא לעולם יטור | 9 |
Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
לא כחטאינו עשה לנו ולא כעונתינו גמל עלינו | 10 |
Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
כי כגבה שמים על-הארץ-- גבר חסדו על-יראיו | 11 |
Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany No haben’ ny famindram-pony amin’ izay matahotra Azy.
כרחק מזרח ממערב-- הרחיק ממנו את-פשעינו | 12 |
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
כרחם אב על-בנים-- רחם יהוה על-יראיו | 13 |
Tahaka ny fiantràn’ ny ray ny zanany No fiantran’ i Jehovah izay matahotra Azy;
כי-הוא ידע יצרנו זכור כי-עפר אנחנו | 14 |
Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
אנוש כחציר ימיו כציץ השדה כן יציץ | 15 |
Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
כי רוח עברה-בו ואיננו ולא-יכירנו עוד מקומו | 16 |
Satria tsofin’ ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
וחסד יהוה מעולם ועד-עולם-- על-יראיו וצדקתו לבני בנים | 17 |
Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka.
לשמרי בריתו ולזכרי פקדיו לעשותם | 18 |
Dia amin’ izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
יהוה--בשמים הכין כסאו ומלכותו בכל משלה | 19 |
Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
ברכו יהוה מלאכיו גברי כח עשי דברו לשמע בקול דברו | 20 |
Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny.
ברכו יהוה כל-צבאיו-- משרתיו עשי רצונו | 21 |
Misaora an’ i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
ברכו יהוה כל-מעשיו-- בכל-מקמות ממשלתו ברכי נפשי את-יהוה | 22 |
Misaora an’ i Jehovah, ny asany rehetra eran’ ny fanjakany; Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko.