< מִשְׁלֵי 7 >
בני שמר אמרי ומצותי תצפן אתך | 1 |
Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
שמר מצותי וחיה ותורתי כאישון עיניך | 2 |
Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
קשרם על-אצבעתיך כתבם על-לוח לבך | 3 |
Afehezo eo amin’ ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka izy.
אמר לחכמה אחתי את ומדע לבינה תקרא | 4 |
Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
לשמרך מאשה זרה מנכריה אמריה החליקה | 5 |
Mba hiarovana anao amin’ ny vehivavy jejo, Dia amin’ ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
כי בחלון ביתי-- בעד אשנבי נשקפתי | 6 |
Fa teo amin’ ny varavarankelin’ ny tranoko, Dia teo amin’ ny makarakara, no nitsirihako,
וארא בפתאים אבינה בבנים-- נער חסר-לב | 7 |
Ka nahita anankiray tamin’ ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
עבר בשוק אצל פנה ודרך ביתה יצעד | 8 |
Izay nandeha tamin’ ny lalana akaikin’ ny zoron-tranon’ ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
בנשף-בערב יום באישון לילה ואפלה | 9 |
Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ ny alina efa maizina dia maizina.
והנה אשה לקראתו שית זונה ונצרת לב | 10 |
Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ ny janga no mifetsy am-po,
המיה היא וסררת בביתה לא-ישכנו רגליה | 11 |
Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
פעם בחוץ--פעם ברחבות ואצל כל-פנה תארב | 12 |
Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
והחזיקה בו ונשקה לו העזה פניה ותאמר לו | 13 |
Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
זבחי שלמים עלי היום שלמתי נדרי | 14 |
Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
על-כן יצאתי לקראתך לשחר פניך ואמצאך | 15 |
Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
מרבדים רבדתי ערשי חטבות אטון מצרים | 16 |
Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
נפתי משכבי-- מר אהלים וקנמון | 17 |
Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.
לכה נרוה דדים עד-הבקר נתעלסה באהבים | 18 |
Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ ny fitiavana isika.
כי אין האיש בביתו הלך בדרך מרחוק | 19 |
Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
צרור-הכסף לקח בידו ליום הכסא יבא ביתו | 20 |
Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ ny volana.
הטתו ברב לקחה בחלק שפתיה תדיחנו | 21 |
Tamin’ ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin’ ny fandroboan’ ny molony no nitaomany azy,
הולך אחריה פתאם כשור אל-טבח יבא וכעכס אל-מוסר אויל | 22 |
Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’ izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana,
עד יפלח חץ כבדו-- כמהר צפור אל-פח ולא-ידע כי-בנפשו הוא | 23 |
Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
ועתה בנים שמעו-לי והקשיבו לאמרי-פי | 24 |
Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
אל-ישט אל-דרכיה לבך אל-תתע בנתיבותיה | 25 |
Aoka tsy hivily ho any amin’ ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin’ ny alehany.
כי-רבים חללים הפילה ועצמים כל-הרגיה | 26 |
Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
דרכי שאול ביתה ירדות אל-חדרי-מות (Sheol ) | 27 |
Ny tranony dia lalana mankany amin’ ny fiainan-tsi-hita, Eny, midìna ho any amin’ ny efi-tranon’ ny fahafatesana. (Sheol )