< מִשְׁלֵי 29 >
איש תוכחות מקשה-ערף-- פתע ישבר ואין מרפא | 1 |
Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
ברבות צדיקים ישמח העם ובמשל רשע יאנח עם | 2 |
Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
איש-אהב חכמה ישמח אביו ורעה זונות יאבד-הון | 3 |
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin’ ny vehivavy janga dia mandany harena.
מלך--במשפט יעמיד ארץ ואיש תרומות יהרסנה | 4 |
Ny rariny no ampandrian’ ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.
גבר מחליק על-רעהו רשת פורש על-פעמיו | 5 |
Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
בפשע איש רע מוקש וצדיק ירון ושמח | 6 |
Misy fandrika amin’ ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
ידע צדיק דין דלים רשע לא-יבין דעת | 7 |
Ny marina mihevitra ny adin’ ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
אנשי לצון יפיחו קריה וחכמים ישיבו אף | 8 |
Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
איש-חכם--נשפט את-איש אויל ורגז ושחק ואין נחת | 9 |
Raha iadian’ ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.
אנשי דמים ישנאו-תם וישרים יבקשו נפשו | 10 |
Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.
כל-רוחו יוציא כסיל וחכם באחור ישבחנה | 11 |
Ny fahatezeran’ ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
משל מקשיב על-דבר-שקר-- כל-משרתיו רשעים | 12 |
Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
רש ואיש תככים נפגשו-- מאיר עיני שניהם יהוה | 13 |
Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason’ izy roa tonta.
מלך שופט באמת דלים-- כסאו לעד יכון | 14 |
Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
שבט ותוכחת יתן חכמה ונער משלח מביש אמו | 15 |
Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
ברבות רשעים ירבה-פשע וצדיקים במפלתם יראו | 16 |
Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
יסר בנך ויניחך ויתן מעדנים לנפשך | 17 |
Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao.
באין חזון יפרע עם ושמר תורה אשרהו | 18 |
Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
בדברים לא-יוסר עבד כי-יבין ואין מענה | 19 |
Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.
חזית--איש אץ בדבריו תקוה לכסיל ממנו | 20 |
Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
מפנק מנער עבדו ואחריתו יהיה מנון | 21 |
Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
איש-אף יגרה מדון ובעל חמה רב-פשע | 22 |
Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
גאות אדם תשפילנו ושפל-רוח יתמך כבוד | 23 |
Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
חולק עם-גנב שונא נפשו אלה ישמע ולא יגיד | 24 |
Izay miray tetika amin’ ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
חרדת אדם יתן מוקש ובוטח ביהוה ישגב | 25 |
Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.
רבים מבקשים פני-מושל ומיהוה משפט-איש | 26 |
Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona.
תועבת צדיקים איש עול ותועבת רשע ישר-דרך | 27 |
Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason’ ny ratsy fanahy kosa.