< מִשְׁלֵי 17 >
טוב פת חרבה ושלוה-בה-- מבית מלא זבחי-ריב | 1 |
Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
עבד-משכיל--ימשל בבן מביש ובתוך אחים יחלק נחלה | 2 |
Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin’ ny mpirahalahy.
מצרף לכסף וכור לזהב ובחן לבות יהוה | 3 |
Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
מרע מקשיב על-שפת-און שקר מזין על-לשון הות | 4 |
Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin’ ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
לעג לרש חרף עשהו שמח לאיד לא ינקה | 5 |
Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
עטרת זקנים בני בנים ותפארת בנים אבותם | 6 |
Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
לא-נאוה לנבל שפת-יתר אף כי-לנדיב שפת-שקר | 7 |
Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an’ ny zanak’ andriana ny molotra mandainga.
אבן-חן השחד בעיני בעליו אל-כל-אשר יפנה ישכיל | 8 |
Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason’ izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
מכסה-פשע מבקש אהבה ושנה בדבר מפריד אלוף | 9 |
Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
תחת גערה במבין-- מהכות כסיל מאה | 10 |
Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ ny hendry Noho ny kapoka injato amin’ ny adala.
אך-מרי יבקש-רע ומלאך אכזרי ישלח-בו | 11 |
Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
פגוש דב שכול באיש ואל-כסיל באולתו | 12 |
Aleo mifanena amin’ ny bera very anaka Toy izay amin’ ny adala feno hadalana.
משיב רעה תחת טובה-- לא-תמיש (תמוש) רעה מביתו | 13 |
Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
פוטר מים ראשית מדון ולפני התגלע הריב נטוש | 14 |
Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
מצדיק רשע ומרשיע צדיק-- תועבת יהוה גם-שניהם | 15 |
Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
למה-זה מחיר ביד-כסיל-- לקנות חכמה ולב-אין | 16 |
Hatao inona re ity vola an-tànan’ ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
בכל-עת אהב הרע ואח לצרה יולד | 17 |
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ ny fahoriana.
אדם חסר-לב תוקע כף ערב ערבה לפני רעהו | 18 |
Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ ny sakaizany.
אהב פשע אהב מצה מגביה פתחו מבקש-שבר | 19 |
Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
עקש-לב לא ימצא-טוב ונהפך בלשונו יפול ברעה | 20 |
Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ ny loza.
ילד כסיל לתוגה לו ולא-ישמח אבי נבל | 21 |
Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain’ ny adala tsy ho faly.
לב שמח ייטיב גהה ורוח נכאה תיבש-גרם | 22 |
Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
שחד מחק רשע יקח-- להטות ארחות משפט | 23 |
Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
את-פני מבין חכמה ועיני כסיל בקצה-ארץ | 24 |
Eo anoloan’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason’ ny adala dia mibirioka any amin’ ny faran’ ny tany.
כעס לאביו בן כסיל וממר ליולדתו | 25 |
Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ ny reniny niteraka azy.
גם ענוש לצדיק לא-טוב-- להכות נדיבים על-ישר | 26 |
Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.
חושך אמריו יודע דעת וקר- (יקר-) רוח איש תבונה | 27 |
Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
גם אויל מחריש חכם יחשב אטם שפתיו נבון | 28 |
Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.