< איוב 4 >
ויען אליפז התימני ויאמר | 1 |
Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
הנסה דבר אליך תלאה ועצר במלין מי יוכל | 2 |
Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
הנה יסרת רבים וידים רפות תחזק | 3 |
Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
כושל יקימון מליך וברכים כרעות תאמץ | 4 |
Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
כי עתה תבוא אליך ותלא תגע עדיך ותבהל | 5 |
Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
הלא יראתך כסלתך תקותך ותם דרכיך | 6 |
Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian’ ny lalanao?
זכר-נא--מי הוא נקי אבד ואיפה ישרים נכחדו | 7 |
Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
כאשר ראיתי חרשי און וזרעי עמל יקצרהו | 8 |
Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
מנשמת אלוה יאבדו ומרוח אפו יכלו | 9 |
Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy.
שאגת אריה וקול שחל ושני כפירים נתעו | 10 |
Ny feon’ ny olona, eny, ny feon’ ny liona masiaka, ary ny nifin’ ny liona tanora dia ombotana;
ליש אבד מבלי-טרף ובני לביא יתפרדו | 11 |
Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
ואלי דבר יגנב ותקח אזני שמץ מנהו | 12 |
Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
בשעפים מחזינות לילה בנפל תרדמה על-אנשים | 13 |
Tamin’ ny eritreritra avy amin’ ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
פחד קראני ורעדה ורב עצמותי הפחיד | 14 |
Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
ורוח על-פני יחלף תסמר שערת בשרי | 15 |
Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
יעמד ולא אכיר מראהו-- תמונה לנגד עיני דממה וקול אשמע | 16 |
Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
האנוש מאלוה יצדק אם מעשהו יטהר-גבר | 17 |
Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’ olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?
הן בעבדיו לא יאמין ובמלאכיו ישים תהלה | 18 |
Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
אף שכני בתי-חמר--אשר-בעפר יסודם ידכאום לפני-עש | 19 |
Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;
מבקר לערב יכתו מבלי משים לנצח יאבדו | 20 |
Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
הלא-נסע יתרם בם ימותו ולא בחכמה | 21 |
Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.