< איוב 22 >
Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
הלאל יסכן-גבר-- כי-יסכן עלימו משכיל | 2 |
Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
החפץ לשדי כי תצדק ואם-בצע כי-תתם דרכיך | 3 |
Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
המיראתך יכיחך יבוא עמך במשפט | 4 |
Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ ny fitsarana?
הלא רעתך רבה ואין-קץ לעונתיך | 5 |
Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
כי-תחבל אחיך חנם ובגדי ערומים תפשיט | 6 |
Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ ny mahantra.
לא-מים עיף תשקה ומרעב תמנע-לחם | 7 |
Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana.
ואיש זרוע לו הארץ ונשוא פנים ישב בה | 8 |
Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
אלמנות שלחת ריקם וזרעות יתמים ידכא | 9 |
Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.
על-כן סביבותיך פחים ויבהלך פחד פתאם | 10 |
Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
או-חשך לא-תראה ושפעת-מים תכסך | 11 |
Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
הלא-אלוה גבה שמים וראה ראש כוכבים כי-רמו | 12 |
Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!
ואמרת מה-ידע אל הבעד ערפל ישפוט | 13 |
Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
עבים סתר-לו ולא יראה וחוג שמים יתהלך | 14 |
Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.
הארח עולם תשמור-- אשר דרכו מתי-און | 15 |
Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy.
אשר-קמטו ולא-עת נהר יוצק יסודם | 16 |
Izay nesorina alohan’ ny androny, ka nindaosin’ ny riaka ny fanorenany,
האמרים לאל סור ממנו ומה-יפעל שדי למו | 17 |
Dia ireo izay manao tamin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ ny Tsitoha atao ho anay?
והוא מלא בתיהם טוב ועצת רשעים רחקה מני | 18 |
Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
יראו צדיקים וישמחו ונקי ילעג-למו | 19 |
Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
אם-לא נכחד קימנו ויתרם אכלה אש | 20 |
Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo.
הסכן-נא עמו ושלם בהם תבואתך טובה | 21 |
Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.
קח-נא מפיו תורה ושים אמריו בלבבך | 22 |
Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
אם-תשוב עד-שדי תבנה תרחיק עולה מאהלך | 23 |
Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
ושית-על-עפר בצר ובצור נחלים אופיר | 24 |
Ario eny amin’ ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
והיה שדי בצריך וכסף תועפות לך | 25 |
Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
כי-אז על-שדי תתענג ותשא אל-אלוה פניך | 26 |
Fa amin’ izany dia hiravoravo amin’ ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’ Andriamanitra.
תעתיר אליו וישמעך ונדריך תשלם | 27 |
Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
ותגזר-אמר ויקם לך ועל-דרכיך נגה אור | 28 |
Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava.
כי-השפילו ותאמר גוה ושח עינים יושע | 29 |
Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
ימלט אי-נקי ונמלט בבר כפיך | 30 |
Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy.