< Halelu 18 >

1 E ALOHA aku no au ia oe, e Iehova, e ko'u ikaika.
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly; dia hoy izy: ―
2 O Iehova ko'u pohaku, kuu pakaua, a me ko'u mea e ola'i; O ko'u Akua, ko'u oolea, a'u e hilinai ai; O ko'u paku, o ko'u hao e ola'i, o ko'u halepukaua kiekie.
Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
3 E kahea aku au ia Iehova, ia ia ka hoolea, Pela au e hoopakeleia'i i ko'u mau enemi.
Miantso an’ i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.
4 Ua puni au i ka ehaeha o ka make; Ua hooweliweli mai ia'u na ale o ka poe aia.
Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
5 Ua puni au i na kaei o ka malu o ka make; Ua paa au i ko ka make upena. (Sheol h7585)
Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol h7585)
6 I ko u popilikia ana, ua kahea aku au ia Iehova, Ua auwe aku au i ko'u Akua; Ua lohe mai no ia ia'u ma kona luakini, Ua hiki aku kuu ulono imua ona, a i kona mau pepeiao.
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
7 Alaila nauwe iho la ka honua a me ka haalulu; Nauweuwe iho la ua kumu o na mauna, Ua hoonauweia mai ia no kona inaina.
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin’ ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
8 Ua pukoa ae la ka uahi mai loko ae o kona mau puka ihu. Mai loko mai o kona waha ke ahi e ai ana; Ua kukuniia ka lanahu e ia.
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
9 Ua hoohaahaa iho la oia i na lani, a iho mai la; Malalo hoi o kona mau wawae ka pouli.
Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
10 Ua holo ia ma ke keruba, ua lele no hoi ia: Oiaio, ua lele oia ma na eheu o ka makani.
Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin’ ny ela-drivotra Izy.
11 Ua hoolilo oia i ka pouli i wahi mehameha nona: O kona halelowa i hoopuni ia ia, a o na wai pouli a me na a eleele o ka lani.
Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.
12 No ka olinolino imua ona, ua lele ae la kona mau ao eleele, O na hua hekili, a me na lanahu ahi.
Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
13 Ua hoohekili mai la o Iehova ma ka lani; Ua hoopuka mai la ka Mea kiekie loa i kona leo: O na hua hekili, a me na lanahu ahi.
Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
14 Ua pehi iho la i kana mau pua, e hoopuehu ia lakou; Ua pana iho la i na uwila, a ua auhee lakou ia ia.
Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
15 Alaila, ua ikea na kaha o na wai, Ua hoikeia mai na kumu o ka honua, I kau papa ana mai, e Iehova, i ka nou ana hoi o ka hanu o kou mau puka ihu.
Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin’ ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavoronao.
16 Ua kii mai la oia mai luna mai, ua lawe ae hoi ia'u, Ua unuhi aku la oia ia'u mai loko o na wai nui.
Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy;
17 Ua hoopakele oia ia'u i ko'u mau enemi ikaika, A me ka poe inaina mai ia'u: No ka mea, ua oi aku ko lakou ikaika i ko'u.
Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
18 Ua hoopaa mai lakou ia'u i ko'u la popilikia: Aka, ua lilo mai o Iehova i kokua no'u.
Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
19 Ua lawe ae la oia ia'u i kahi akea; Ua hoopakele mai no ia ia'u, no kona makemake ana mai ia'u.
Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
20 Ua uku mai la o Iehova ia'u e like me ko'u pono; Ua hoopai mai no ia ia'u e like me ka maemae o ko'u mau lima.
Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
21 No ka mea, ua malama aku au i na aoao o Iehova, Aole hoi au i hele hewa aku mai ko'u Akua aku.
Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
22 Mamua hoi o ko'u alo kana mau olelo hoopono a pau; Aole hoi au e pale aku i kana mau kauoha.
Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
23 Ua kupono hoi au imua ona; Ua hookaawale mai au ia'u iho mai ko'u hewa mai.
Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
24 Nolaila, i hoopai mai ai o Iehova ia'u e like me ko'u pono. E like me ka maemae o ko'u mau lima imua o kona alo.
Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan’ ny tanako teo imasony.
25 Me ka mea lokomaikai e hoike ana oe ia oe iho he lokomaikai, Me ke kanaka hoopono e hoike aua oe ia oe iho he pono;
Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
26 Me ka mea maemae, e hoike ana oe ia oe iho he maemae; Me ka mea hooolea, e hoike ana oe ia oe iho ho oolea.
Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
27 No ka mea, e hoola ana oe i ka poe i hooluhiia; Aka, e hoohaahaa oe i na maka kiekie.
Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
28 No ka mea, e kuni no oe i ko'u kukui, E koomalamalama mai no o Iehova o ko'u Akua i ko'u pouli.
Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
29 Nou no wau i wahi ae ai i ka poe kaua; No ko'u Akua i lehai aku ai au maluna o ka pa.
Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
30 A o ke Akua, ua hemolele kona aoao: Ua hoaoia ka olelo a Iehova; He paku oia no na mea a pau i paulele aku ia ia.
Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
31 Owai ke Akua, ina aole o Iehova; Owai ka pohaku, ina aole ko kakou Akua?
Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
32 O ke Akua ka i kakoo mai ia'u me ka ikaika; Nana no i hoopololei mai i ko'u hele ana.
Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
33 Ua hoolilo no oia i kuu mau wawae e like me na wawae dia: Ua hoonoho oia ia'u ma ko'u mau wahi kiekie.
Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo.
34 Ua ao mai no oia i ko'u mau lima e kaua; I haki ai i ko'u lima ke kikoo keleawe.
Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
35 Ua haawi mai oe ia'u i kou paku e ola'i: Ua hookupaa mai ia'u kou lima akau? A o kou ahonui ka i hoomakua mai nei ia'u.
Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
36 Ua hoakea oe i ko'u mau kapuwai malalo iho o'u; Aole hoi i pahee kuu mau wawae.
Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
37 Ua alualu aku au i kuu mau enemi a loaa lakou; Ua pau e hoi lakou ia'u mamua o ko'u hoi ana mai.
Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
38 Ua pepehi aku au ia lakou. aole e hiki ia lakou ke ku ae iluna; Ua pau lakou i ka hina malalo ae o ko'u mau wawae.
Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.
39 Ua kakoo mai no oe ia'u me ka ikaika i ke kaua; Ua hoohaahaa iho oe malalo iho o'u i ka poe i ku e mai ia'u.
Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
40 Ua haawi mai no oe ia'u i ka a-i o ko'u mau enemi; I luku aku ai au i ka poe inaina mai ia'u.
Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
41 Ua kabea aku la lakou, aohe hoi mea e ola'i; Ia Iehova hoi, aole no hoi ia i ae mai.
Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin’ i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
42 Alaila, ua pakuikui au ia lakou a okaoka me he lepo la imua o a makani: Ua kiola aku au ia lakou e like me ka lepo ma ke alanui.
Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin’ ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
43 Ua hoopakele oe ia'u i ka paio ana o na kanaka; Ua hoolilo oe ia'u i poo no na lahuikanaka e; E malama mai ana no ia'u ka poe kanaka a'u i ike ole ai.
Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
44 A kui ka lono o'u, e malama koke mai no lakou ia'u; E hooloho mai no ia'u na keiki a kanaka e.
Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy.
45 E mae aku ana no na kanaka e: E makau ana lakou ma ko lakou wahi paa.
Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.
46 Ke ola mau nei no Iehova, e hoomaikaiia ko'u pohaku, E hapaiia'ku ko'u Akua e ola'i.
Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
47 O ke Akua ka i haawi mai na'u e hoopai aku: Oia ka i hoolilo i Kanaka malalo iho o'u:
Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
48 Oia ka i hoopakele ia'u i ko'u mau enemi: Nau no wau i hookiekie ae maluna o ka poe i ku o mai ia'u; Nau no wau i hoola i ke kanaka pepehi wale mai.
Mamonjy ahy amin’ ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe.
49 Nolaila au e hoomaikai aku ai ia oe, e Iehova, mawaena o ko na aina e: E hoolea aku hoi au i kou inoa.
Koa izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
50 Nani no kona hoola ana i kana alii; Ua aloha mau mai no ia i kona mea poui, ia Davida, a me kana mamo.
Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.

< Halelu 18 >